Tantara tamin'ny 07 Oktobra 2016
Maro Anarana, Fa Tsiro Tokana Voavoatra Tao Amerika Latina
Tsy olana izay anarany, fa singa iray tena ilaina io amin'ny fanaovana mofomamy. Ary faran'izay tsy azo eritreretina ny hoe alfajores ka tsy hisy iray sotro amin'io zavamamy natao avy amin'ny ronono io.
Miatrika Fandrahonana Ara-pitsarana Vaovao Ireo Bilaogeran'ny Zone9 Fanta-daza Raha Vao Mainka Miharatsy Ny Herisetra Ao Ethiopia

Nosamborina tamin'ny Zoma i Seyoum Teshome, mpikambana fanta-daza ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra an-tserasera ethiopiana enjehina. Mandritra izany fotoana izany, hiverina indray eo anatrehan'ny fitsarana ireo bilaogeran'ny Zone9 amin'ny 21 Oktobra ho avy izao.
Enim-bolana Taorian'ny Fahafatesan-Trondro Maro dia Maro Tao Afovoan'i Vietnam, Manao Fihetsiketsehana Manohitra ny Tsy Fisian'ny Fanampiana Ireo Olona An'arivony
"Fantatray fa tsy hanome rariny ho anay ity fitondrana ity. Tsy misolo tena ny mahasoa ny niharam-boina izy ireo. (Saingy) raha tsy miloa-bava ny olona, tsy misy olona hahatsapa ny fanerena."
‘September': Sehatra Vaovao Hivoahan'ny Hevitra Elatra Havia Ara-Politika Manerana Ny Firaisana Sovietika Teo Aloha

"Mbola tsy Oktobra izao kanefa ho avy izany". Izany no teny fanevan'ny "September", tranonkala vaovao iray izay mikendry ho sehatra hamoahana ny fomba fijerin'ny elatra havia manerana ny Firaisana Sovietika teo aloha.
Manohy Mitokona Tsy Mihinan-kanina Ilay Mpanao Gazety Makedoniana Noho Ny Fanemorana Ny Fotoam-pitsarana Azy

Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka tamin'ny 14 Septambra ilay Makedoniana mpanao gazety Zoran Božinovski, izay mbola miandry fitsarana noho ny fiampangana azy ho manao fitsikilovana. Nogadraina vonjimaika efa ho dimy volana mahery izy.
Lehilahy Bangladeshita Mahalala Izany Hoe Hanoanana Ka Manome Sakafo Mora Vidy Ho An'ireo Ankizy Sahirana
"Nanomboka tetikasa mizara sakafo ho an'ireo ankizy sahirana ao Dhaka sy ny faritra hafa amin'ny vidiny iray taka Bangladesh monja (0.013 dolara Amerikana) ny fikambanana atao hoe Bidyananda.
”Tsia” ho an'ny Fandriampahalemana ao Kolombia: Ny Podcast Miditra Lalina
Ny herinandron'ny 6 Oktobra izahay dia nangady lalina tao anatin'ny antony nifidianan'ny Kolombiana handaboka ny fifanarahana fandriampahalemana izay tokony nampitsahatra ny ady naharitra efa 50 taona mahery.