Vao 6 Taona Monja, Saingy Efa Manana Mpankafy Manerana Ny Tany i Sefo Kicha Avy Ao India

Little Chef Kicha on his YouTube show. Screenshot from Video.

i Sefo Kely Kicha ao anatin'ilay sehony amin'ny YouTube. Pikantsary avy tamin'ny lahatsary.

“Afaka mahandro daholo ny olona” no teny fanevan'ilay Frantsay malaza, Sefo Gusteau, tao anatin'ny lahatsary Disney mitondra ny lohateny “Ratatouille“. Raha mijery ny lahatsary ao amin'ny YouTube ianareo, nataon'i Nihal Raj na Kicha (solonanarany) ilay Sefo Kely 6 taona, ankizy avy any amin'ny faritra ivelan'ilay tanàna Indiana any amorontsirak'i Kochi , dia ho takatrareo ny tiany hahatongavana. Ny fahalinana fotsiny no ilainareo ananana, ary torolàlana kely, dia hahita tsirony ianareo.

i Kicha dia mpianatra taona voalohany ao amin'ny Choice School ao Thripunithura, Kochi, ao amin'ny fanjakàna Indiana Kerala. Ny Janoary 2015 i Kicha no nanomboka ny fantsony ‘Kichatube‘, ary hatreo dia lasa fientanentanana ao amin'ny YouTube. Ny fomba fahandro voalohany ifampizaràny ao amin'ny YouTube dia ny fanamboarana gilasy ice popsicles ary nitatra nankany amin'ny mofomamy voasesika kaonfitira, kaonfitira voasary,  ny voanio voakiky havadika pudding, ny holatra Oreo ary ny ovy tandoori ho an-jazakely, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy. Lahatsary 31 ankehitriny no ananany, ary efa nisy an'aliny ireo nijery azy.

Ny hampiditra fomba fahandro sy zava-baovao ho an'ny ankizy no ifantohan'ny fantsony. Mandrisika azy ny reniny, Ruby Rajagopal, amin'ny fanomezana azy ireo fomba fahandro sahaza ny ankizy — izay midika tsy fampiasàna zava-maranitra, mandidy na mahandro amin'ny afo. Araka ny filazan'ny rain'i Kicha, Rajagopal V. Krishnan, teo amin'ny faha-4 taonany izy no nanomboka nahandro taorian'ny nijereny sy nanampiany ny reniny mahandro ao an-dakozia. Ankafizin'i Kicha ny mahita olona mijery azy eo ampikenonkenonana mahandro, araka izany dia nanomboka nandrakitra azy an-tsary tamin'ny findainy ny rainy ary nizara ny lahatsary tao amin'ny Facebook, izay nahazo sitraka avy amin'ireo namana sy fianakaviana. Taty aoriana izy dia nanokatra fantsona Youtube ary nanomboka nampakatra lahatsary tao. Ireo fahalinana azony no mandrisika an'i Kicha ary tiany ny mamaly ireo hafatra ao amin'ny pejy Facebook natao ho an'ilay seho.

Ny May 2016, novidian'ny Facebook 2.000 dolara Amerikàna ny zo hahafahany mampiasa ny iray amin'ireo lahatsariny mba ho ampiasaina amin'ilay fanentanany vaovao “Habaka ho an'ny Rehetra”, nahatonga azy ho ny artista zandriny indrindra nivarotra zo tamin'ny Facebook.

Ity ny lahatsary Gilasy Manga Mickey Mouse nataon'i Sefo Kely Chef Kicha nalain'ny Facebook, ary noresahana betsaka mihitsy:

Tamin'ny volana lasa iny, nandeha tany Etazonia mihitsy izy mba hiseho tao amin'ilay fandaharana resaka mivantana anaty fahitalavitra malaza an'i Ellen DeGeneres, mandeha amin'ny antoandro, ny Indiana zandriny indrindra nanao toy izany. Rehefa tonga tany, nahandro sakafo maraina natao tamin'ny fombandrazana Kerala izy, antsoina hoe Puttu.

Sakafo maraina Kerala eto amin'ny Ellen atao amin'ny fomba faran'izay mahafatifaty indrindra 😍😍! “Sefo Kicha, 6 taona miaraka mahandro amin'i Ellen

Sefo kely Kicha avy any kochi ao amin'ny fandaharan'i Ellen miketrika ny Puttu…Mahavariana ary dia manana fahaiza-manao maha-valalanina izy

Hatreto dia nisy mpijery efa ho 1,5 tapitrisa ny lahatsarin'ny fisehoany tany:

Mahazo fitiavana be dia be avy amin'ireo mpijery azy i Kicha. Ohatra, Rachel Verghese naneho hevitra tao amin'ny Facebook:

Kicha, mahafatifaty ianao ao anatin'ilay fandaharana. Ho an-jaza iray enina taona, miaka-tsehatra amin'ny fandaharan'i Ellen, dia fatratra izany ary dia nahavitra asa goavana ise. Tena fahombiazana. Mirehareha izahay rehetra manana anao.

Efa manana mpamandrika 12.000 ao amin'ny fantsony YouTube i Kicha. Afaka manaraka izay vaovao farany momba azy ao amin'ny Twitter ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.