Manohy Ny Fitokonana ‘Alatsinainy Mainty’ Ireo Vehivavy ao Pôlônina Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fandraràna Ny Fanalan-jaza

Women and men wearing black as a sign of opposition in the #BlackProtest in Berlin

Vehivavy sy lehilahy manao akanjo mainty ho mariky ny fanoherana ao amin'ny #HetsikaMainty ao Berlin. Sary: Kasia Odrozek, CC BY.

An'aliny ireo olona nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana “Alatsinainy Mainty”  manerana an'i Eoropa , manao akanjo mainty izy ireo mba hanehoana ny firaisankinany amin'ny vehivavy mitokona ao Pôlônina manohitra ny volavolan-dalàna manameloka bevava ny fanalan-jaza saika amin'ny endriny rehetra any an-toerana.

Talohan'ny hetsika, heverina fa vehivavy an-tapitrisany no tsy nandeha tany amin'ny toeram-piasany [mg], na nanao ny raharaha tao an-tokantranony. Raha mbola tsy fantatra ny isan'ny mpitokona, nisy ny fanohanana ny hetsi-panoherana avy amin'ny  tanàna poloney am-polony. Nisy ihany koa ny fihetsiketsehana goavana ho firaisan-kina tany Berlin, Bruxelles ary Kiev, ary nisy hetsika  majinika manan-danja hita tany Zagreb sy Skopje – tokony ho eo amin'ny tanàna Eoropeana 60 eo izany ny fitambarany. Maro ny fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy sy tany amin'ny gazety iraisam-pirenena momba ny taha ambony tamin'ny fandraisana anjara.

Eo ambanin'ny tenirohy #AlatsinainyMainty, #FihetsiketsehanaMainty sy #CzarnyProtest (“czarny” izay midika hoe mainty), namoaka sary sy lahatsary ireo mpandray anjara sy ireo mpanara-maso, anisan'izany ity horonantsary misy vahoaka tombanana ho 30.000 isa ity tao an-tanànan'i Varsovia taloha izay nanao fihetsiketsehana tao anaty orana. An'arivony no nidina an-dalamben'i Gdansk, Vroklavia sy Krakovia.

Fandraisana anjara GOAVANA ao Varsovia #HetsikaMainty amin'ny alàlan'ny @PStrzalkowski  https://t.co/6clvlE88ip avy aamin'i #senzasinistra sy @c0nvey

Eto ny fahefana!

Tohin'ny “Hetsika Mainty Fanoherana” ny fitokonana, setriny hanoherana ny drafitry ny governemanta farany amin'ny fanamafisana ny lalàna mandrara ny fanalan-jaza tamin'ny alàlan'ny fehezan-dalàna famaizana hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina ny vehivavy manala zaza rehetra- anisan'izany ireo niharan'ny fanolanana, sy ny dokotera manao izany. Mitana ny maro an'isa ao amin'ny parlemanta ny PiS ( “Lalàna sy Fitsarana”), antoko elatra havanana mpandala ny mahazatra ao amin'ny firenena, ary tohanan'ny Eglizy Katolika

Natao tao amin'ny Warschauer Strasse (Lalana Varsovia) tao Berlin ny hetsi-panoherana firaisankina nokarakarain'ny fikambanana sampam-behivavy feminista Dziewuchy Dziewuchom ao an-toerana  ary nahavory olona arivo mahery. Nivory mba haneho ny fanoherany ny volavolan-dalàna sy ny firaisankina amin'ireo vehivavy ao Pôlônina ihany koa ireo vehivavy sy  lehilahy Poloney sy alemà ary mpanohana iraisam-pirenena avy amin'ny sokajin-taona isan-karazany.

“Zava-dehibe ny hetsi-panoherana ao Berlin tsy noho hamaroan’ ireo olona pôlôney ihany anefa izany fa mba hitenenana mafy momba ny zava-mitranga eto Pôlônina ihany koa,” hoy Anna Krenz, iray amin'ireo mpikarakara ny hetsi-panoherana ao Berlin.

Solidarity #BlackProtest in Berlin

Firaisankina  #HetsiPanoheranaMainty ao Berlin. Sary: Kasia Odrozek, CC BY.

Karolina, mpanao hetsi-panoherana Poloney monina ao Berlin, nilaza tamin'ny Global Voices  ny tantarany mampihetsi-po tamin'izy afa-jaza, ary ny antony ny maha zava-dehibe taminy ny hetsi-panoherana tamin'ny Alatsinainy:

A few months ago, the day I realized I was pregnant, I have also gotten the news that my grandmother had a stroke and is fighting for her life in a hospital in Poland. Some days later I packed my stuff and went to see her and (as it clear from today's perspective) say goodbye.

It was a long drive, a very emotional days and a hard time. On the way back home, to Berlin, still hundreds of kilometers away from Germany, I've started to have terrible pains and cramps in my lower abdomen. I also started bleeding. I immediately knew, what was going on, I've heard it from many friends, I was warned, that in the early stage of a pregnancy, miscarriages happen pretty often. I was crying, praying and suffering and of course the question came up, if I should just be driven to the next hospital.

But my intuition said “No! I will make it to Berlin and go to see doctors there”, which (after a call with my doctor) I did. I have sadly had a miscarriage, there was nothing to be done, but I had the best moral support from my doctors, I could have expected. They told me, it was not my fault, it couldn't have been the stress I have put myself into, there has most likely been a genetic problem and that I should be thankful to my body, because it protected me in the way it should. The doctors were warm, caring, understanding, supporting and just plain wonderful.

If I imagine what could have awaited me in a Polish hospital in the same situation, it makes me really grateful to be living abroad. If besides the trauma of losing a baby, I would have to have gone through the trauma of questions, accusations, moral instructions, shame, fear, denial of help or even the possibility of imprisonment, I would have been traumatized for life. I demonstrated today, because I just can't accept the new proposals of the abortion law in Poland. If they go through, the will destroy women's bodies, minds and souls. Even if it makes me speechless, I will raise my voice!

Volana vitsy lasa izay, nahatsapa aho fa bevohoka, naheno vaovao ihany koa aho fa tapaka lalan-dra ny renibeko, ary miady amin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray ao Polonina. Andro vitsivitsy taty aoriana namboariko ny entako ary nandeha aho hijery azy, sy (araka ny efa fantatra amin'ny fomba fijery ankehitriny) hanao veloma.

Lavitra ny làlana, andro mampihetsi-po sy manahirana. Teny an-dalana hody any Berlin, izay mbola an-jatony kilometatra miala an'i Alemaina, dia nanomboka nanaintaina mafy sy nanindrona ny teo ambany kiboko. Nanomboka nandeha rà ihany koa aho. Fantatro avy hatrany ny zava-nitranga, efa henoko tamin'ny namana maro ny tahaka izany, efa nampahafantarina ahy fa matetika mitranga ny fahafahan-jaza  amin'ny vohoka voalohany. Nitomany aho, nivavaka sy nijaly ary mazava ho azy nanontany tena aho raha tokony ho any a amin'ny hopitaly izay manaraka eo.

Kanefa tahaka ny misy milaza amiko tao anatiko hoe: “Tsia! fa aleo mandeha any Berlin ary any no mijery dokotera ianao “, izay no nataoko (rehefa avy niantso ny dokoterako aho) . Nampalahelo fa afa-jaza aho, tsy nisy azo natao intsony, kanefa nanohana ahy ara-tsaina ny dokoterako, izay efa nantenaiko. Nilaza tamiko izy ireo fa tsy misy fahadisoako izany, mety ho vokatry ny hakizitinana, ary tena azo inoana fa nisy ny olana ara-fototarazo ary tokony ho velom-pankasitrahana ny vatako aho, satria niaro ahy izy. Nisariaka, nikarakara, nanakatra, nanohana ary tena mahafinaritra tsotra izao ireo dokotera ireo.

Raha alaiko sary an-tsaina ny zavatra nety niandry ahy raha tao amin'ny hopitaly poloney tamin ‘ny toe-javatra nitranga, dia tsapako fa tena feno fankasitrahana aho monina aty ivelany. Raha ankoatra ny ratram-po noho ny zazakely very, dia tsy maintsy handalo ‘ ratram-po amin'ny fanontaniana, fiampangana, toromarika ara-pitondran-tena, henatra, tahotra, fandàvana tsy hanampy na ny mety hisian'ny fampidirana am-ponja mihitsy aza, ary mety nikorontan-tsaina mandra-maty mihitsy aza. Manao fihetsiketsehina aho androany satria tsy afaka hanaiky ny tolo-kevitra vaovao momba ny lalànan'ny fanalan-jaza ao Polonina. Raha miroso amin'izany ry zareo dia hanimba ny vatana, ny saina ary ny fanahin'ny vehivavy. Na dia tsy maha-teny aza aho eo anatrehan'izany, dia asandratro ny feoko!

Displayed for public view: a list of Polish parliamentarians who voted in favour of proceeding with the anti-abortion law (Berlin)

Natao ho jeren'ny besinimaro: ny lisitr'ireo solombavambahoaka izay nifidy ny fanohanana ny lalàna miady amin'ny fanalan-jaza .

Mandritra izany fotoana izany, tsy niraharaha ny hetsi-panoherana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Poloney Witold Waszczykowski  tao amin'ny fandaharan'ny onjam-peo maraina ary niteny hoe: “Aleo izy ireo hilalao ao. Raha misy olona mihevitra fa tsy misy olana lehibe kokoa noho izany eto Pôlônina amin'izao fotoana izao, dia ataovy izany. ” Nilaza ihany koa izy fa tsy misy atahorana ny momba ny zon'ny vehivavy ao Pôlônina .

Ho valin'ny planina nataon'ny governemanta mba hanenjanana ny lalàna miady amin'ny fanalan-jaza, dia mikasa ny hanangona sonia iray tapitrisa sy handefa fanangonan-tsonia ao amin'ny sehatra Eoropeana ireo vehivavy feminista mpikatroka ahafahana mampisy fanovana ny lalàna poloney amin'ny alalan'ny Vondrona Eoropeana, izay maha-mpikambana an'i Pôlônina .

Mety hisy ny herijika raha ny fitomboan'ny hetsika sy ny herin'ny  #HetsikaMaintyFanoherana no jerena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.