Tantara tamin'ny 06 Oktobra 2016
Manohy Ny Fitokonana ‘Alatsinainy Mainty’ Ireo Vehivavy ao Pôlônina Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fandraràna Ny Fanalan-jaza
Manao fihetsiketsehina aho androany satria tsy afaka hanaiky ny tolo-kevitra vaovao momba ny lalànan'ny fanalan-jaza ao Polonina. Raha miroso amin'izany ry zareo dia hanimba ny vatana, ny saina ary ny fanahin'ny vehivavy.
Nandefa Hafatra Mampihorokoditra Ho An'ny Vahoaka Oromo Tamin'ny Alalan'ny Famoretana Nahafatesan'Olona Nandritra Ny Andro Fety Ny Manampahefana Ethiopiana
Izany no fanafihana voalohany nataon'ny mpitandro ny filaminana ny fomba nentim-paharazana lehibe ara-kolontsaina sy ara-pivavahana an'ny vahoaka Oromo ary indrindra anisan'ny heri-pamoretana mahery vaika indrindra tsy mbola fahita hatramin'izay natao iadiana amin'ny mari-panondroana Oromo
Niteraka Disadisa Ara-diplaomatika Amin'ny Kazakhstan Ilay Voromaherin'i Emira Qatari Maty
"Tsy nisy antony mazava nitazomana azy ireo kanefa mbola najanona tao amin'ilay toerana ihany ireo voromahery."
Nogadrain'ny Governemanta Venezoeliana Ireo Mpamokatra Lahatsary Noho Ny Fiampangana Azy Ireo Ho Mikotrika Fikomiana
Nahatonga ireo mpamokatra lahatsary any am-ponja ny lahatsary novokarin'izy ireo natao hampieritreritra ny miaramila Venezoelana mikasika ny fahefana tsy mitombo hananan'izy ireo ao Venezoela .
Vao 6 Taona Monja, Saingy Efa Manana Mpankafy Manerana Ny Tany i Sefo Kicha Avy Ao India
"Kicha, mahafatifaty ianao ao anatin'ilay fandaharana. Ho an-jaza iray enina taona, miaka-tsehatra amin'ny fandaharan'i Ellen, fatratra izany ary dia nahavitra asa goavana ise. Tena fahombiazana"
Rehefa Manomboka Miteny Ireo Vahoaka Tsy Manan-kialofana Ao Rosia
Fony i Anastasia Ryabtseva nanandrana voalohany nitafa tamin'ireo olona tsy manana fialofana ao St. Petersburg, marobe no nandà tsy nety hiresaka taminy. Amin'ny maha-mpanao gazety azy, taitra taminy ny olona, izay niahiahy tonga dia fotsiny izao.