Manavao indray ny fitondrana an'i Cap Vert mandritra ny dimy taona i Jorge Carlos Fonseca rehefa nahazo vato 74% tamin'ny fifidianana tamin'ny Alahady lasa teo (02:10).
O POVO DIZ SIM CABO VERDE E ELEGE JORGE CARLOS FONSECA PARA O SEGUNDO MANDATO https://t.co/cVhSTMsRRo pic.twitter.com/2Xkh5XPIOa
— Luis Carlos Silva (@luiscarlossilva) October 3, 2016
NITENY NY VAHOAKA ARY NIFIDY AN'I JORGE CARLOS FONSECA AMIN'NY FE-POTOANA ITONDRANY AN'I CAP VERT FANINDROANY https://t.co/cVhSTMsRRo pic.twitter.com/2Xkh5XPIOa
Nilaza ny tatitra avy ao Cap Vert fa ny tsy fandraisana anjara amin'ny fifidianana no fahavalo lehibe indrindra ho an'ny kandidà rehetra mifaninana, izay nihoatra ny 63%. Nihevitra i Jorge Fonseca fa, na dia betsaka aza ny mpifidy, “tsy manala ny fahapirapiratan'ny fandreseny” ny tahan'ny tsy fandraisana anjara. Raha niresaka tamin'ny DW-Afrika ny filoha voafidy indray dia nilaza izy fa:
Nas democracias amadurecidas, altas taxas de participação normalmente só acontecem em períodos de ruptura política. Veja, por exemplo, o que se passa em Portugal e nos Estado Unidos, qual é a percentagem dos americanos que participam na eleição do Presidente. O Presidente americano terá menos legitimidade por causa disso?
Ao amin'ny demokrasia matotra, tsy mpitranga ny tahan'ny fandraisana anjara avo raha tsy amin'ny fotoana isian'ny fisarahana ara-politika. Ohatra, ny zava-mitranga any Portiogaly sy any Etazonia, jereo ny isanjaton'ny Amerikana mandray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Moa ve mihena ny maha-ara-drariny ny fitondran'ny filoha Amerikana noho izany?
Ny sojaben'ny Oniversiten'i Mindelo, Albertino Grace, no kandidà faharoa be mpifidy indrindra tamin'ny isam-bato 22,5% , raha tsy nahazo vato afa-tsy 3, 4% tamin'ny mpifidy ao cap Vert i Joaquim Monteiro .