Andao Hanampy Amin'ny Famaranana Hatreo ny Fanagadrana an'i Saeed Malekpour, Mpandrafitra Tranonkala

#FreeSaeed campaign image.

Sary fanentanana #FreeSaeed

Raha nosamborina sy nogadraina noho ny fampiasan'olon-kafa ny kaodiny open source nataony hamoahana sary vetaveta i Saeed Malekpour, dia toy ny nofiratsy amin'ny tsy rariny mitranga izany. Ankehitriny, valo taona izay no lasa ary mbola tsy takatry ny eritreritra ny nofiratsy nozakaina.

Nonina naharitra tao Canada i Saeed nialoha ny nandehanany tao amin'ny heverina ho dia maharitra fotoana fohy nandehanany tao Iran tamin'ny oktobra 2008. Raha namangy ny rainy tao Iran izy dia nanapa-kevitra ny hikendry an'i Malekpour noho ny programa rindrambaiko open source novokariny izay nampiasain'ny hafa hamoahana sary vetaveta tao amin'ny aterineto ny manampahefana.

Iray amin'ireo tantara maro maneho ny fampitahoran'ny manampahefana iraniana hifehezana ny sehatry ny aterineto ao amin'ny firenena ny tantarany. Noampangaina ho mandrahona ny idealin'ny firenena islamika sy ny fiarovam-pirenena amin'ny alalan'ny propagandy manohitra ny rafitra i Saeed, saingy kely dia kely ny porofo hamelezana azy. Natoka-monina izy ary nahazoana fiaikena an-tery — izay naderadera fatratra tao amin'ny fahitalavi-pirenena tamin'ny taona 2010 — azo tamin'ny alalan'ny fampijaliana izany ka anisany ny daroka, ny fandoroana amin'ny herinjiro ary ny fandrahonana ho aolana.

Maryam Malekpour explains her brother's innocence in the EFF 'Offline' campaign. Used under Creative Commons license.

Maryam Malekpour manazava ny maha tsy manantsiny ny anadahiny tamin'ny fanentanana ivelan'ny aterineto nataon'ny Electronic Frontier Foundation. (CC BY 2.0)

Tamin'ny voalohany izy voaheloka ho faty. Mihevitra ireo mpikatroka sasantsasany fa ny fifantohana manerantany sy ny fanerena avy ao anatin'ny no nahatonga ny fanesoran'ny Mpitarika Faratampon'i Iran, Ayatollah Khamenei, hanafoana ny famonoana azy ho faty sy hanova izany ho famonjana mandra-pahafaty.

Nifanandrify tamin'ny politika fanombohan'ny fanaraha-maso henjana ny aterineto taorian'ny fandaniana ny lalànan'ny heloka bevava an-tserasera tao Iran tamin'ny taona 2008 ny fisamborana an'i Saeed. Maro amin'ny mpokatroka an'aterineto ihany koa no nisaina fa vokatry ny tsy fahafantaran'ny manampahefana ny fomba famoronana sy fampiasana ny rindrambaiko malalaka (maimaim-poana) no mahatonga ny raharaha Saeed.

Amin'izao fahavalo taonan'ny fisamborana azy ireo dia maro ny zavatra azo atao hanerena ny governemanta iraniana, sy ireo hafa, toy ny governemanta kanadiana, hanery ho amin'ny famotsorana azy. Misy ny tadion-Twitter voalamina tarihan'i Maryam anabavin'i Saeed ary miaraka amin'ireo mpanao fanentanana nanoka-tena hanao izany.

Mendrika fanafahana madiodio avy any am-ponja tsy misy fepetra i Saeed Malekpour. Mandraisa anjara amin'ny tadion-Twitter amin'ny Talata 4 oktobra amin'ny telo ora folakandro ora EST

Miangavy mba handraisanao anjara amin'ny talata 4 oktobra 2016 amin'ny telo ora folakandro ora EST hanerena amin'ny fanafahana an'i Saeed sy hanao ity taona ity ho taona farany igadrany any am-ponja.

Misy ihany koa ireo fanentanana hafa toy ny an'ny Electronic Frontier Foundation amin'ny fandraisana an-tanana Help Saeed: Write to Justin Trudeau [Vonjeo i Saeed: Manorata amin'i Justin Trudeau] miangavy ny mpanohana handefa mailaka amin'ny governemanta Kanadiana amin'izao fotoana izao izay tarihan'i Justin Trudeau hiangavy azy ireo hanery ny governemanta iraniana amin'ny famotsorana azy.

Azonao vakiana amin'ny rohy eto ambany ny taratasy fiangavian'i Maryam Malekpour tamin'ny governemanta Kanadiana hanampy amin'ny fanerena hamotsorana ireo anadahiny:

Ny Taratasiko ho an'i Minisitry ny Raharaham-Bahinin'i Canada

 

Tatitra Global Voices hafa momba an'i Saeed Malekpour

‘Tsy Heloka Bevava Ny Fanoratana Rindrambaiko': Any Am-ponja No Mankalaza Ny Faha-40 Taonany Ilay Iraniana Mpamorona Tranonkala [mg]

#FreeSaeed: Enin-taona Tany Am-ponja Ilay Iraniana Mpikira Habaka [mg]

Iran: “Mpandrafitra Tranonkala Voaheloka ho Faty” [mg]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.