- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Alatsinainy Mainty” Fitokonana Faobe Nokarakarain'i Pôlônina Manohana Ny Fahazoa-Misafidy Manoloana ny Fandraràna Tanteraka Ny Fanalan-jaza

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Irlandy, Polonina, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
A widely shared image announcing the 'Black Monday' strike, via Twitter user Anna Blus.

Sary nozaraina betsaka milaza ny fitokonana “Alatsinainy Mainty”, avy amin'ny mpisera Twitter  Anna Blus [1].

Mikarakara fitokonana goavana faobe i Polonina ny 3 Oktobra , izay tafiditra ao anatin'ny dingana manaraka amin'ny hetsi-panoherana manohitra ny lalàna manamafy ny fandraràna ny fanalan-jaza. Misy hetsika firaisankina ihany koa omanin'ireo mpikatroka ao Alemaina .

Nanambara fitokonan'ny mpiasa vehivavy faobe ao amin'ny firenena [2] ny 3 Oktobra izao ireo Poloney mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy izay kasaina atao mba hampikatsoana ny fiarahamonina sy ny toe-karena Poloney [3] .

Tohin'ny “Hetsi-panoherana Mainty”, fitokonana setriny hanoherana ny drafitry ny governemanta farany amin'ny fanamafisana ny lalàna mandrara ny fanalan-jaza tamin'ny alàlan'ny fehezan-dalàna famaizana hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina ho an'ny vehivavy manala zaza rehetra- anisan'izany ireo niharan'ny fanolanana sy ny dokotera manao izany.

Anisan'ny dingana voalohany ny hetsi-panoherana [4] [mg] ny fikatrohana nomerika, nahitana olona maneho ny tsy fitovian-kevitra amin'ny volavolan-dalàna tamin'ny alàlan'ny famoahana ny sarin'izy ireo manokana miakanjo mainty, sy nampiasa ny tenirohy #czarnyprotest ( “#HetsiPanoheranaMainty,” hita eto amin'ny Facebook [5] sy Twitter [6] ) sy ny #blackprotest ( Facebook [7], Twitter [8] ).

Taorian'ny niroson'ny Parlemanta Poloney tamin'ny fandinihana ny lalàna nampiady hevitra [9] [mg] ny 23 Septambra teo, namaly izany tamin'ny alàlan'ny fihetsiketsehana goavana ireo mpikatroka tao an-tanàna poloney am-polony sy tany amin'ny tanàna maro hafa [10] manerana izao tontolo izao ny faran'ny herinandro manaraka.

Nahazo ny maro an'isa tao amin'ny parlemanta ny PiS [11] ( “Lalàna sy Fitsarana”), antoko elatra havanana mpandala ny mahazatra ao amin'ny firenena, ary notohanan'ny Eglizy Katolika. Nifidy ny fanesorana ny lalàna iray hafa manome fahalalahana [12] ihany koa ny mpanao lalàna. Novolavolain'ny fiaraha-mitantana mpanohana ny fahafaha-misafidy “Vonjeo ny Vehivavy”, sy notohanan'ny fanangonan-tsonia miisa 150.000 izany izay tokony hamela ny fanalan-jaza  hatramin'ny herinandro faha-12 ho ara-dalàna.

Hetsi-panoherana manohitra ny governemanta ao Varsovia androany

Tamin'ny 1 Oktobra, nikarakara hetsika mpanohana ny fahafaha-misafidy iray hafa teo anoloan'ny Sejm, Parlemanta Poloney ao Varsovia, ny antoko politika RAZEM [18] (“Miaraka”), ekipa iray tena mavitrika amin'ny hetsi-panoherana, izay ahitana ihany koa ny fikambanana firaisamonim-pirenena sy ireo olona mpikatroka.

Ao Varsovia izao dia izao #CzarnyHetsipanoherana [19] pic.twitter.com/qbNE4radLf [20]

#HetsipanoheranaMainty [22] ao #Polonina [23] manohitra ny fandraràna tanteraka ny fanalan-jaza #CzarnyHetsipanoherana [19] #zartysieskonczyly [24] pic.twitter.com/7gSVsnqKFL [25]

Nahazo fanohanana avy amin'ny antoko politika elatra ankavia sy ny mpikatroka ny zon'olombelona [27] manerana an'i Eoropa ny hetsi-panoherana.

#CzarnyHetsipanoherana [19] | S&D's @KaufmannSylvia [28] @BirgitSippelMEP [29] @Weidenholzer [30] diabe firaisankina miaraka amin'ireo vehivavy Poloney ao Varsovia! #MiadynyZonyVehivavy [31] pic.twitter.com/v1mmTb33Tt [32]

Nilaza [34] ny fanadihadiana nataon'ny Ipsos fa manohana ny lalàna enjana miady amin'ny fanalàn-jaza ny 11% ny olom-pirenena, tsy mankasitraka ny fanovana ny lalàna efa misy ny 47%, ary  mitaky fanalalahana ny 37%. Nampiseho [35] fanohanana betsaka ny hetsi-panoherana ny fanadihadiana iray hafa.

Manohana ny #hetsikaczarny [6] manohitra ny fandraràna #fanalan-jaza [36] rehetra ny 55% ny vehivavy Poloney. 44% ny lehilahy manohana ny hetsi-panoherana, 15% tsy mankasitraka izany https://t.co/SwPm2AHqPR [37]

Marihina eo ambanin'ny teny faneva “Alatsinainy Mainty” ny fitokonana sy ny hetsi-panoherana [n]hatao ny 3 Oktobra. Nampiasa ny rohy mifandraika amin'ny #CzarnyPoniedziałek amin'ny teny poloney (ao amin'ny Facebook [39] sy Twitter [40]) sy #BlackMonday amin'ny teny Anglisy (ao amin'ny Facebook [41] sy Twitter [42]) ireo mpikatroka. Nanome rohy amin'ny fihetsiketsehana am-polony efa nomanina any amin'ny tanàna poloney samihafa sy  manerana an'i Eoropa ary Amerika Avaratra ihany koa ny hetsika Facebook [43].

Nokasaina hatao ao amin'ny [gara] S + U Warschauer Strasse Station (Lalana Warsaw) ao Berlin ny hetsika iray lehibe “Alatsinainy Mainty” ho amin'ny Firaisankinan'ny Fitokonan'ny Vehivavy Poloney [44]. Ny mpikarakara dia vondrona tsy miankina Dziewuchy Dziewuchom Berlin ahitana fokom-behivavy Poloney izay maniry ny hanohana ireo izay miatrika fanitsakitsahana zon'olombelona .

Black Monday is a warning strike by all women in Poland. During the daylong strike, they will take a day off at work, universities and schools, they will leave their housework at home. The strike is a collective initiative, gathering women of different ages, occupations and life experiences.

The Black Monday protest is a national-scale event, motivating thousands of women in a very short time, in response to a critical situation in Poland. Recently, famous Polish actress Krystyna Janda posted on social media the idea of organizing a national strike based on the one in Iceland, which took place in 1975 [45]. There, women fought against gender inequality and their strike paralyzed the whole country for a day.

In the current circumstances, in 2016 (in the 21st Century!), Polish women need to fight for their basic human rights of self-determination, and more specifically, for their reproductive rights.

Fitokonana fampitandremana ataon'ny vehivavy rehetra ao Polonina ny Alatsinainy Mainty. Tsy miasa izy ireo any am-piasana, any amin'ny oniversite sy any an-tsekoly mandritra ny andron'ny fitokonana ary navelany ny raharaha any an-tranony. Hetsika iombonana ny fitokonana, manangona ireo vehivavy amin'ny sokajin-taona samy hafa, manana asa sy traikefa samihafa.

Hetsika manerana ny firenena ny hetsi-panoherana Alatsinainy Mainty, izay mandrisika vehivavy an'arivony ao anatin'ny fotoana fohy ho setrin'ny toe-javatra sarotra iray ao Polonina. Vao haingana,  namoaka tao amin'ny media sosialy ny hevitra hikarakarana fitokonam-pirenena mifototra amin'ny hetsi-panoherana nitranga tany Islandy tamin'ny taona 1975 [45] ny mpilalao sarimihetsika poloney malaza Krystyna Janda. Niady tamin'ny hantsana misy eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy ireo vehivavy tamin'izay fotoana izay ary nampikatso ny firenena iray manontolo ny fitokonana nataon'izy ireo nandritra ny tontolo andro.

Amin'ny toe-javatra misy amin'izao fotoana izao, amin'ny taona 2016 (taonjato faha-21!), mila miady ho amin'ny zon'olombelona fototra hanapa-kevitra momba ny tenany,ary indrindra indrindra, ny zony amin'ny fananan'anaka ireo vehivavy Poloney.

Ity lahatsary punk noforonin'ny vondrona EL Banda ity no fitaovana nomerika iray nampiasaina mba hanetsehana ny olona [t]amin'ny ‘Hetsi-panoherana Mainty’. Tamin'ny fotoana nanoratana ity dia efa nahazo mpijery maherin'ny 6.000 tao amin'ny YouTube ilay izy hatramin'ny nivoahany tamin'ny 27 Septambra.