Tian'ny Parlemantan'ny Tanora Ovaina ny Anaran'ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenena ao Maputo

Aeroporto Internacional de Maputo. Foto: Celso Alfredo Costa

Seranam-piaramanidina Iraisampirenena ao Maputo. Saripika: Celso Alfredo Costa

Misy hetsiky ny tanora olom-pirenen'i Mozambika iray nanangana fanangona-tsonia mangataka ny hanomezana anarana ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Maputo ho “Seranam-Piaramanidina Iraisampirenena Samora Machel”. Ny fanangona-tsonia dia fandraisana an-tanana nataon'ny Parlemantan'ny Tanora, fikambanana iray mitolona ho amin'ny fanajana sy ny fametrahana ny tanoran'i Mozambika ho vaindohan-draharaha, mitondra ny anarana hoe “Aeroporto Internacional de Maputo” (anarana ofisialin'ny seranam-piaramanidina) ary manomboka amin'ny soramirindran'ny maherifon'ny firenena teo aloha, fantatra ihany koa ho “Rain'ny Firenena” antsoina hoe Samora Machel manao hoe:

A maior glória é servir ao Povo,
A maior recompensa ter servido ao Povo,
A maior honra morrer pelo Povo.

Voninahitra lehibe indrindra ny manompo ny Vahoaka,
Valisoa lehibe indrindra ny nanompo ny Vahoaka,
Haja lehibe indrindra ny maty ho an'ny Vahoaka.

Tokony hitondra ny anaran'ny mpanorina ny Repoblika ny seranam-piaramanidina lehibe indrindra ao Mozambika, araka ny hevitr'ireto ao amin'ny Parlemantan'ny Tanora ireto, mba hanomezana anarana ny vavahady fidirana ao amin'ny firenena. Ho fanohanany ny heviny, nanambara toy izao ny Parlemantan'ny Tanora :

Foi por este Aeroporto que Samora entrou para proclamar a independência Nacional e a entrada à capital, nacionais e estrangeiros, têm de ter contacto com Samora, o fundador da República. Samora Machel, estadista de estatura universal, de imensurável dimensão revolucionária, sem paralelo na época contemporânea, combatente da liberdade e homem de justiça social.

Teo amin'io seranam-piaramanidina io i Samora no niditra hanambara ny fahaleovantenam-pirenena. Tsy maintsy mifandray amin'i Samora, mpanangana ny Repoblika, na tompontany na vahiny mialoha ny idirana ny renivohitra. Olom-panjakana manana fijoroana manerantany sy habe revolisionera tsy voarefy i Samora Machel, tsy misy azo ampitahaina aminy amin'izao vanim-potoanantsika izao, mpiady ho amin'ny fahafahana sy olon'ny rariny ara-tsosialy izy.

Lasa lavitra kokoa aza ny hetsiky ny tanora ary nampahatsiahy fa tsy mbola misy ny voka-panadihadiana tamin'ny fahafatesan'ny Filohan'i Mozambika Voalohany mandraka androany fa izao fandraisana an-tanana izao no fomba tsara indrindra hanomezam-boninahitra azy :

Fazem 30 anos do seu assassinato e ninguém nos diz: quem matou Samora. Os seus ideais estão a ser mortalizados e o legado desprezado. É assim que a nossa geração decide homenageá-lo, colocando-lhe a entrada da capital, o nome do Aeroporto Internacional Samora Machel para que nos lembremos sempre de exigir justiça pela sua morte.

30 taona izao izy no nisy namono ary tsy mbola nisy niteny taminay hoe iza no namono an'i Samora. Maty ny heviny ary tsinontsonoavina ny lova navelany. Izany no mahatonga ny taranaka ankehitriny nanapa-kevitra ny hanome voninahitra azy, amin'ny fametrahana azy eo amin'ny vavahadin'ny renivohitra amin'ny alalan'ny anarana Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Samora Machel mba hahatsiarovantsika hatrany ny hitaky ny rariny tamin'ny fahafatesany.

Raha mbola velona i Samora Machel, dia ho feno 83 taona tamin'ny 29 septambra lasa teo:

Rahampitso isika hankalaza ny tsingerintaonan'ny iray amin'ny revolisioneran'i Afrika lehibe indrindra, Samora Machel. Ho ela velona ny fotokeviny!

Indro ny fanangonan-tsonia izay tsy maintsy mahafeno sonia 2000 mandra-pahatonga ny 18 oktobra, ahafahana manolotra azy ho eo ampelatanan'ny governemantan'ny Mozambika hodinihany.

[29/09/2016] Naotin'ny mpanitsy: Mba ahafahan'ny mpamaky mahazo ny vaovao farany indrindra araka izay azo atao. Dia nanapa-kevitr any Global Voices ny hanova ny sarin'ny Seranama-piaramanidina ao Maputo. Ny sary azo ao amin'ny arisivan'ny Wikimedia, dia mampiseho ny sarin'ny seranam-piaramanidina talohan'ny asa tamin'ny taona 2011, ka mitondra ny mpamaky ho any amin'ny fahadisoana. Noho izay antony izay dia nosoloinay tamin'ny sary hitanareo ankehitriny izany, izay natolotr'i Celso Alfredo Costa tamim-pirahalahiana ka ahitana ny gara vaovaon'ny voromby.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.