- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantaran'i Fidencio Sanchez Manasongadina Ny Aingam-Panahy Tsara Indrindra Ao Amin'ny Media Sosialy —Sy Ny Manjò Ireo Latinô Mpifindra-monina

Sokajy: Etazonia, Meksika, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Zon'olombelona
Fidencio Sanchez, 89, pushes his popsicle pushcart through Chicago's Little Village neighborhood. He recently attempted to retire but had to return to work to make ends meet after the death of his daughter. (Photo: Joel Cervantes Macias / GoFundMe)

Fidencio Sanchez, 89 taona, manosika ny sarety fivarotana ‘glace’ manodidina ny fari-tanànakely iray ao Chicago. Vao haingana izy no saika hisotro ronono saingy tsy maintsy niverina niasa mba hivelomana rehefa maty ny zanany vavy. (Sary :Joel Cervantes Macias / GoFundMe)

Nahita lehilahy paletero Meksikana iray 89 taona antsoina hoe Fidencio Sanchez i Joel Cervantes Macias teraka tao Chicago raha nandeha fiara ho any amin'ny tanàna be rivotra (anarana nomena ny  tanàna Amerikana Chicago). Ao Meksika, ny paletero dia lehilahy mpivarotra irony glace sy esquimaux amin'ny saretikely atosi-tanana antsoina hoe paletería eny an-dalambe irony. Nifindra monina ho any Etazonia avy any Meksika i Fidencio ampolony taona vitsivitsy lasa izay. Tena variana tamin'ny fiezahan'ilay lehilahy manosika ilay saretikely mavesatra manerana ny tanàna i Cervantes ka nalainy sary ilay mpivarotra [1]. Nalefany tao  tamin'ny Facebook izany ary nasiany fanehoan-kevitra hoe: “Manaja ity lehilahy ity tanteraka aho.”

Niresaka naharitra tamin'i Fidencio i Cervantes rehefa avy naka ny sary sy nividy glace. Nilaza taminy ilay paletero fa nodimandry vao haingana ny zanany vavy ka namela azy hiandraikitra ny zanany roa. Tsy maintsy miasa isan'andro i Fidencio raha tsy izany tsy ampy ny vola mba hamelomany ny zafikeliny sy ny vadiny. Tohina i Cervantes . Fantany fa mila manao zavatra izy amin'izany. Ny namany iray, antsoina hoe Joe Loera, no nanan-kevitra ny hanomboka fanentanana an-tserasera [2] mba hanangonana vola ho amin'ny “fisotroan-drononon'ny mpiara-monina iray” ho an'ity lehilahy miasa mafy ity.

Mr. Fedencio Sanchez and his wife recently lost their only daughter and are still heartbroken about the situation. His elderly wife was selling paletas also to help pay bills, but she fell ill and can't work anymore. We're trying to raise money to help him with whatever we can. Anything helps. Let's all pitch in and help make life a little easier and brighten both of their day.

Namoy ny zanany vavy tokana vao haingana Atoa Fedencio Sanchez sy ny vadiny ary mbola vaky fo momba ny zava-nitranga. Nivarotra paletas ny vadiny vaviantitra  mba hanampiana ihany koa amin'ny fandoavana faktiora kanefa narary izy ka tsy afaka miasa intsony. Hanao ezaka isika  mba hanangonana vola hanampiana azy ireo araka izay azontsika atao. Afaka manampy ny zava-drehetra. Andao isika hanao tolo-tanàna sy hanampy hahatonga ny fiainany ho mora kokoa ka hampihiratra ny andron'izy ireo.

Noeritreretina ho 3.000 $ Amerikana teo tany am-boalohany ny tanjon'ny fanentanana GoFundMe [2]. Nahagaga anefa fa tonga 13.000 $ Amerikana izany tao anatin'ny efatra ora voalohany. Olona 17.000 no nandray anjara nandritra ny fanentanana ary nahazo mihoatra ny 380.000 $ Amerikana ny fanentanana.

Nanao fanehoan-kevitra mankahery sy tsara maro momba ny fanampiana azon'ilay paletero ireo mpisera Twitter any Etazonia sy any Meksika sady nampiasa tenirohy isan-karazany toy ny #FidencioSanchez sy ny #JoelCervantesMacias:

Tara-masoandro tao anatin'ny herinandro mafy. Misaotra an'i #JoelCervantesMacias [3] noho ny fampahatsiahivany ny vahoaka ny maha-olombelona azy ireo. fitiavana avy amin'i #FidencioSanchez [4]- mendrika izany ianao https: [5]//t.co/FZUb4KxCzt [5]

Reko ny momba ity tantara ity ary tsy maintsy nandray anjara aho… Andriamanitra anie hitahy io lehilahy io sy an'i Joel Cervantes Macias izay … https:/ [7]/t.co/Wrnt04dGwW [7]

Ny fotoana tsapa nahafinaritra rehetra ho an'ny #Chicago [9] #SMB [10]! Arahabaina ary ankafizo ny fisotroan-dronono amin'ny paleta Fidencio Sanchez! pic.twitter [11].com/FWk4EGyvFg [11]

Nametraka fanehoan-kevitra tsara ny ankamaroan'ireo mpisera ao amin'ny media  sosialy. Na izany aza, nandinika ny olana lalina mifandraika amin'ny Meksikana sy ny Latinô mpifindramonina hafa ao Etazonia ny bilaogera sy mpanao gazety. Ohatra, namoaka lahatsoratra iray amin'ny marina mampalahelo [13] ao ambadiky ny fahaosan'i Fidencio ny mpanangom-baovao solontenan'ny fantsona TV Fusion, Juan Rivas [14], indrindra fa ny fanavakavahana an'ireo Meksikana hita tamin'ny fifidianana tao Etazonia :

At a time when [US presidential candidate] Donald Trump is calling Mexican immigrants drug dealers and rapists [15], the image of this hard-working Mexican immigrant has become a defiant symbol that challenges hateful stereotypes.

Ao anatin'ny fotoana niantsoan'i [kandidà ho filoham-pirenen'i Etazonia] Donald Trump ireo  mpifindra monina Meksikana ho mpivarotra zava-mahadomelina sy mpanolana [15] , lasa marika mihaika ilay fiheveran-diso feno fankahalana ny sarin'ity mpifindramonina Meksikana miasa mafy ity.

Nanamarika ny zavatra maro atrehan'ireo beantitra Latinos ihany koa i Rivas: tsy ampy ny vola voaangona hanaovana fisotroan-dronono. Mampalahelo, mbola ratsy kokoa ny zava-isy raha olona mipetraka any Etazonia tsy manana antonta-taratasy io olona io:

One-fifth of adult undocumented immigrants lives in poverty, according to the Pew Research Center. And folks who are struggling to put food on the table every night are not usually saving for retirement.

‘Street vendors are living day to day,’ said Martin Unzueta, executive director of Chicago Community and Workers’ Rights [16], a group that works with street vendors. ‘There are some street vendors who have social security cards, but that doesn’t mean they can send money [for retirement] to the Social Security Administration.’

Miaina anaty fahantrana ny iray ampaha-dimin'ny olondehibe mpifindra monina tsy misy taratasy, araka ny hitan'ny Foibem-Pikarohana Pew. Ary matetika tsy mahatahiry fisotroan-dronono ireo olona miady mafy isian'ny sakafo hohaniny isaky ny alina.

‘Mitady izay hohaniny isan'andro ireo ‘mpivarotra eny an-dalambe,’ hoy i Martin Unzueta, tale mpanatanteraky ny Chicago Community and Workers’ Rights [16] (Zon'ny Fiarahamonina sy ny Mpiasa ao Chicago), vondrona iray miara-miasa amin'ireo mpivarotra an-dalambe. Misy ireo mpivarotra an-dalambe no manana karatra fiarovana ara-tsosialy  kanefa izany tsy midika fa afaka mandefa vola [ fisotroan-dronono] any amin'ny Fitantanan-draharahan'ny Fiahiana Ara-tsosialy izy ireo.’

Michele Chen [17], avy amin'ny fikambanam-baovao prôgresista TruthOut, nandinika ny fitantaran'i Fidencio [18], ary nanasa ny mpamaky ny lahatsorany mba hieritreritra momba ny tsy fitoviana atrehan’ ireo mpifindramonina tsy fotsy hoditra maro ao Etazonia. Namolavola vahaolana maharitra ihany koa izy izay mety hanampy ny olona toa an'i Fidencio “mba hiaina amim-pahamendrehana” rehefa tena mila izany izy ireo:

Beyond GoFundMe, immigrant seniors need an infrastructure that allows them to live with dignity. The real solutions come through strengthening public services for the aging community — and rebuilding social welfare to be cognizant of structural racism and historical inequities. Seeing an elderly man like Sanchez pushing his cart should evoke sympathy, yet it's not just misfortune, but enforced inequality, that weighs upon the weary bodies of migrant elders.

Meaningful financial safeguards would be a basic step toward equity, with measures for debt relief and legal assistance to fight housing distress and eviction in communities of color. The foreclosure epidemic, the recession's fallout, compounds decades of systematic predation, payday lenders and other exploitative credit systems that feed on poor communities and has hit older Latinos at twice the rate of their white peers [19].

Mihoatra ny GoFundMe, mila fotodrafitrasa mamela azy ireo hiaina am-pahamendrehana ireo zokiolona mpifindramonina.  Amin'ny alalan'ny fanamafisana ny fikarakaran'ny fanjakana ireo vondrom-piarahamonina beantitra no hiavian'ny tena vahaolana — ary fanorenana indray ny fiahiana ara-tsosialy mahatsapa ny drafitra fanavakavahana sy ny tsy rariny ara-tantara. Tokony hampisy fangorahana ny mahita zokiolona iray tahaka an'i Sanchez manosika ny saretiny , kanefa tsy vintan-dratsy fotsiny izany, fa fanamafisana ny tsy fitoviana, izay zakain'ny vatan'ireo zokiolona mpifindramonina reraka.

Ny fiahiana ara-bola manan-danja no dingana fototra mankany amin'ny rariny, miaraka amin'ny fepetra fanalefahana trosa sy ny fanampiana ara-pitsarana hiadiana amin'ny fahoriana noho tsy fananam-pialofana sy ny fandroahana ireo fiarahamonina tsy fotsy hoditra. Ny fihanaky ny fanilikilihana, ny fitotongan'ny toekarena, ny firangorangoana naharitra ampolotaonany, ny fakana karama mialoha sy ny rafitra fanjanaham-bola atao amin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra ary mihatra amin'ireo Latinos zokiolona avo roa heny mihoatra noho ny mihatra amin'ireo beantitra fotsy mitovy taona aminy [19] .