- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Hatezerana Mitombina’ Noho Ny Fandravàna Ny Tranon'i Beryl McBurnie, Ilay Mpisava Làlana Ny Dihy Any Trinite sy Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
The remains of the residence of Beryl McBurnie, the "mother of Caribbean dance", St. James, Trinidad. Photo by Rubadiri Victor, used with permission.

Ny sisan'ny tranon'i Beryl McBurnie, ilay “renin'ny dihy Karaibiana”, St.James,Trinite. Sary avy amin'i  Rubadiri Victor, nahazoana alàlana.

Tezitra mafy tamin'ny fandrodanana ny tranon'i Beryl McBurnie [1] ny ampahany amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao zavakanto any Trinite sy Tobago, fanànana izay voafantin'ny National Trust [2] — Fikambanana misahana ny fiarovana ireo toerana misy lovam-pirenena —  heverina homena ny satan'ny toerana voaaro. Notrongisina  hatramin'ny fotony ilay trano tamin'ny 16 Septambra.

McBurnie, antsoina amim-pitiavana amin'ny anarany an-tsehatra hoe “La Belle Rosette” [3] izay maty tamin'ny 2000 dia iray amin'ireo mpisava làlana ny dihy Karaibiana sady mpamorona ny The Little Carib Theatre (Teatra kelin'i Karaiba) [4], [4]tamin'ny alàlan'izany no nampiroboroboany niaraka ny kanto sy ny kolontsain'i Trinite sy Tobago ary ny faritr'i Karaiba.

Koa satria efa nankatoavina amin'ny faritra maro ho lova avy amin'i McBurnie ny ‘The Little Carib Theatre’, dia namela ngidy tao am-bavan'ireo maro mpisera amin'ny aterineto efa zatra mahita tsangambato manan-danja ara-tantara potehina eo amin'ny firenena ny fandravana ny tranony.

Vao roa taona lasa izay, dia noravan'ny tompon-toerana vaovao ny Fiangonana Presbyteriana Greyfiar [5] tao amin'ny Seranan'i Espaina (Port of Sapin)

Rubadiri Victor, mpikatroka mafana fo ara-kolotsaina, no nilaza voalohany ilay vaovao tao amin'ny Facebook [6]:

Notrongisin-dry zareo hatramin'ny fotony ny tranon'i Beryl McBurnie[…] ilay Renin'ny Dihy Karaibiana, ilay mpiara-namorona ny Vohitra Tsara, ilay mpitahiry ny fomban-drazana Folk, ilay voalohany nanao dihy mirindra tamin'ny fetin'ny fahaleovantenantsika, ilay mpamorona ny ‘The Little Carib Theatre’, ilay reny ara-bakitenin'ireo mpihira an'arivony, ireo tropy, sy ireo fampisehoana eto an-toerana ary any am-pielezana. Ny Tranony. Notrongisin-dry zareo. Miaraka amin'ny zavatra tao anatiny.

Tsy mety ho olona matotra isika. Tsy mety. Tsy maintsy miaiky isika ankehitriny fa ny zavatra rehetra momba ny fahaleovantena, ny saina, ny hiram-pirenena, ny rehetra dia vazivazy be fotsiny ihany. Flam ting iray [ teny ao an-toerana entina milaza ny ‘mampiseho’ ] ary ankehitriny isika vonona hikisaka any amin'ny Mc Donald, Union Jack, Trump, ny Star Spangled, na inona na inona ‘Reality Show’ mandeha sambo tonga avy any. Tsy misy dikany ! Saingy izany ve no atao hoe fandrosoan'i Trinite sy Tobago [sic] ? Nahemotsika ny datin'ny fanadinana. Satria tsy matotra toy izay vahoaka lehibe isika, toy izay vahoaka mahaleo tena, tsy tahaka ny iray amin'ireo mpandova ny haremben'ny kolontsaina nentim-paharazana eto amin'ny planeta Tany. TSY METY MATOTRA ISIKA !!!

Hoy izy nanazava [6] :

Ity no zavadoza amin'ny Tranon'i Beryl. Trano mety ahazoana dolara an-tapitrisany izy io. […] Nisy soso-kevitra narafitry ny Fivondronan'ny Mpanakanto any T&T (ACTT) [ izay tarihin'i Victor izy tenany ] mba hamadihana ilay trano haolo ho trano lova fampiasa matetika izay ahitàna : ho tranombakoka ampiasàna ny teknolojia multimedia itambaran'i Beryl McBernie sy ny Dihy Karaibiana;  biraon'ny  Beryl McBernie Trust ; efitra fiasan'ny mpanakanto sy efitra kely ho an'ny dihy ; ary faritra fonenana sy toerana fiasàn'ireo andrarezin'ny mpandihy iraisam-pirenena monina ao an-toerana.  Saika atao toerana fitsidika ho an'ny mpianatra sy ireo mponina ao an-toerana ary ireo mpizahatany iraisam-pirenena te-hahalala zavatra ilay Toerana. Tsy misy intsony izany nofinonfy izany ankehitriny […]

Marina fa tsy androany no nanomboka ny tsy fanajàna. Tsy nampiasaina sy navela hanirian'ny ahidratsy an-taonany maro ilay trano na dia nandaniana lavitrisa dolara aza ny afomanga, ‘champagne’, sy ireo tavy fanarian-drano…[…] Momba ny fahafatesany, ny tsy fisian'ny lalàna velona momba ny fandovàna sy ny tsy fanànana mihitsy politika nasionaly momba ny Kolontsaina na ny politikan'ny Maherifom-pirenena (izay tokony nisy fifanarahana tamin'ny fikarakaràna ny trano sy ny Lova navelan'ireo Maherifom-pirenena) dia nidika fa izay rehetra navelany dia natao ho amin'ny fandravàna.

Tena diso fanantenana [7] tamin'ilay fandravàna ny mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Vernon O'Reilly Ramesa, ka nanakiana mafy :

Mba fantatrareo moa ? Mendrika ny ho faty amin'ny fahafatesana mampalahelo ity toerana ity.[…] Tsy misy ve ny fanajàna ilay vehivavy izay fototra nipoiran'ny kolontsain'ny dihin'ny T&T ? Dingana iray vaovao mahatsiravina io eto amin'ny tany  izay manana ohatra maro maharikoriko loatra.

"The Foundation Stone" -- part of the debris left behind at McBurnie's demolished residence. Photo by Rubadiri Victor, used with permission.

“The Foundation Stone” — sombiny amin'ireo poti-javatra tavela tao amin'ny trano fonenan'i McBurnie rava. Sary avy amin'i Rubadiri Victor, nahazoana alàlana.

Raha ny marina, tsy misy miraharaha ireo lova navelan'i McBurnie ; ny filànkevi-pitantànan'ny The Little Carib Theatre no mandray an-tànana azy, ary efa nalàna [8] tao amin'ny tranony efa taona maro ireo fitaovana sarobidy na ireo fitaovana manan-danja ara-kolontsaina.

Mbola miasa ny toerana ho an'ny teatra sady vao navaozina vao haingana, saingy tsy miafina amin'ny rehetra fa tena mety ho ady sarotra ny fanangonam-bola ho an'ny kanto eto Trinte sy Tobago. Noho izany, nanapa-kevitra ny filànkevi-pitantànana fa hivarotra ny fonenan'i McBurnie, heverina fa hanohanana ara-bola tetikasa maika kokoa.

Araka ny voalazan'ilay tompony vaovao Dexter John, izay nandrindra ny fandrodanana, dia fotoana vitsivitsy no efa tao anatin'ny lisitry ny hamidy [9] ilay trano.

Koa satria fantany fa mety ho tezitra amin'ilay hetsika ny fivondronan'ny mpanakanto, dia niteny [10] tao amin'ny TV6 News izy fa an'ny filànkevi-pitantànan'ny The Little Caraibe ny tsiny.

Saingy nanao [11] famelabelaran-kevitra i Franka Phillip, mpanao gazety, fa raha ny marina, dia andraikitra iombonana ny fandravàna :

Betsaka ny hatezerana tamin'ny  fandravàna ny tranon'i McBurnie ao St Panka, St James. Saingy inona no maha-tezitra raha tsy nasiana fiheverana marina ny fahasimban'io trano manan-tantara io nandritra izay taona maro izay? Firy marina ny olona nihaino sy nanohana ireo izay nanentana ilay tolona ? Resahan'ny olona ny momba ny  asan'ny ‘governemanta’, ary marina ny azy ireo, saingy  izay nataontsika ho fanampiana amin'ny fitahirizana ny zava-tsarobidintsika no zava-dehibe mavesadanja indrindra ?

Nozarain'ireo mpisera amin'ny aterineto, ao amin'ny Twitter, ny hadisoam-panantenany tamin'ny fahaverezan'ilay trano.

Tadidiko ny fanadiovana ny tranon-dRamatoa Beryl McBurnie fony mbola boaikely nandeha nianatra tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra St Agnes aho. Malahelo mahita ilay trano rava.

Azoko antoka fa tena tezitra i Beryl McBurnie ao am-pasany ao mahita izao hadalàna izao.

Na izany aza, i Rudylynn Roberts, mpanao maritrano manam-pahaizana manokana amin'ny fanavaozana, dia nanamarika fa ” ny lova navelan'i Beryl McBurnie, raha ny marina, dia ny fametrahana ny The Little Carib Theatre ary velona mandrakariva ao ny fahatsiarovana azy.”

Koa satria nalahelo mafy tamin'ilay vaovaon'ny  fandravàna izy dia nanome soso-kevitra fa mbola azo ekena ho toy ny tranony ihany ilay toerana — noho ilay takelaka iray, ohatra — nomarihiny fa na dia ny fahitana tsindraindray aza dia nampiseho olana ara-drafitra goavana ary ilay trano mihitsy, na dia vita tamin'ny zavatra maro aza, dia manana fahamendrehana amin'ny resaka maritrano.

The lobby of The Little Carib Theatre, where a framed portrait of Mc Burnie hangs on the wall. Photo by the trinidad+tobago film festival, used with permission. [14]

Ny efitra malalaka fandraisana ao amin'ny The Little Carib Theatre, izay ahitàna ny sarin'i McBurnie ao anaty fitaratra mihantona amin'ny rindrina. Sary avy amin'ny fetiben'ny sarimihetsika tao Trinite+Tobago, nahazoana alàlana.

“Hatezerana mitombina” no niantsoan'ilay mpanoratra Rhoda Bharath izany tamin'ny resadresaka an-telefaona nifanaovana tamin'ny Global Voices, ary nolazainy fa ” fisehoantsika ivelany ho toy ny mahay miaina izany nefa isika tsy izany akory”.

Raha mbola mitohy ny adihevitr'ireo manam-pahaizana manokana sy ny laika (olon-tsotra) momba ny fahamendrehana ara-maritrano sy ny lova navelan'ilay tranon'i McBurnie izay rava ankehitriny, dia mety mbola hisy harena hipoitra amin'ity tantara ity.

Nampanantena [6]i Rubadiri Victor filohan'ny fivondronan'ny mpanakanaton'i Trinite sy Tobago (ACTT) ny hanomboka ” hetsika goavana ho an'ilay Lova izay antenaintsika fa hanentanana ny olona hifandrimbona amin'ilay hevitra fiarovana sy fanajàna ilay lova tsara indrindra sy tsy manam-paharoan'i T&T ary famoronana orinasa izay hampiasa olona betsaka — avy any amin'ny fotony ka hatrany amin'ny rantsany ”  .

Mbolaho hit eo raha hifanome tànana hanohana ilay hetsik'i Victor ny vahoaka.