- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices Podcast: Izahay, Vahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Latina, Azia Atsimo, Etazonia, India, Kolombia, Meksika, Syria, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Manopy maso ny sasany amin'ireo tantara nivoaka tsy ela avy ato amin'ny famoaham-baovaon'ny Global Voices ny Herinandro Teto amin'ny Global Voices Podcast. Amin'ity herinandro ity, mitafa amin'ireo mpiaramiasa aminay izahay: Elizabeth Rivera [1], Giovanna Salazar [2]sy Juan Tadeo [3] momba ny fahasorenan'ny vahoaka amin'ny politika ao Meksika

Hoantinay koa ianareo ho any Kôlômbia, India, Siria ary Etazonia, toerana ihaontsika amin'ireo olondehibe hatramin'ny ankizy izay natao hisian'ny fahasamihafàna.

Fisaorana mitafotafo ho an'i Joey Ayoub [4]Gabriela García Calderón [5], Tori Egherman [6]Palash Ranjin Sanyal [7], ary ireo mpanoratra, mpandika sy mpamoaka lahatsoaratra ato aminay, nanampy mba hahatontosa ity andiany ity.

Anatin'ity andiany ity, nasongadinay ireo hira nampiasàna ny lisansa Creative Commons  nalaina tao amin'ny Rakitra Malalaky ny Mozika, isan'ireny ny  Please Listen Carefully an'i Jahzzar [8]First steps on earth an'i David Skeztay [9]; Backward an'i David Szesztay [10]; Making A Change an'i Lee Rosevere [11]; Breezin an'i Podington Bear; [12] Indian Summer an'i Zero V [13]; ary ny Cree an'i Satellite Ensemble [14].

Ny sary nasongadina ato anatin'ity tantara ity dia avy amin'ny pejy Facebook-n'i Pedro Kumamoto [15] ary milaza ny hoe “No nos soltemos, los muros sí caen” (Aza avela handeha, hirodana ny rindrina).