Fampirantiana Sary ‘Tsy Mahalala Menatra’  Ao Moskoa Nifarana Nialoha Ny Fotoana Noho Ny Fanerena Avy Amin'ny Mpikatroka Mpandala Ny Mahazatra

Source: Wikimedia Commons

Avy amin'ny Wikimedia Commons

Tamin'ny 8 Septambra, nisy fampirantiana ny asan'ny mpaka sary Amerikana  Jock Sturges  mirakitra ny fiainan'ireo zanatany mitanjaka nisokatra tao amin'ny Foiben'ny Fakantsarin'ny Mpirahalahy Lumiere tao Moskoa. Tsy ampy tapa-bolana taty aoriana, namarana ny fampirantiana ny Mozea satria niatrika fanerena avy amin'ny mpikatroka mpandala ny mahazatra izay nilaza fa mandika ny lalàna mifehy ny sary mamoafadin'ny ankizy ao Rosia ireo sary nalain'i Sturges .

Bilaogeran'ny fitaizam-batana izay malaza mametraka ireo mpamakiny ho “kisoa matavy” i Lena Myro izay voalohany nanohitra ny fampirantian'i Sturges. Niparitaka be tamin'ny Sabotsy maraina ny lahatsorany izay niampanga an'i Sturges amin'ny fanaovana “sary mamoafadin'ny ankizy ” sy ny “mpanao vetaveta amin'ankizy”. Tamin'io andro io ihany nony avy eo, i Yelena Mizulina,  depiotem-panjakana ao amin'ny Duma Rosia,  mpitarika  hetsika tsy tia LGBT ao amin'ny firenena, sady mpiaro ny “soatoavina nentin-drazana ,” nangataka ny hanakatonana avy hatrany ny Tsy Mahalala Menatra ary nanambara izy fa feno sary mamoafadin'ny ankizy sy ” fanentanana hanao vetaveta amin'ankizy ” ny asan'i Sturges.

Azo antoka fa niteraka adihevitra ny asan'i Jock Sturges, ary maro tamin'ireo maodely miboridana tokoa no zaza tsy ampy taona. Na izany aza,  tsy mamaritra ny sary mamoafadin'ny ankizy ireo sary nalainy araka izay voalahatra ao amin'ny lalàna Rosiana .

УК РФ Статья 242.1. Примечание 2. Не являются материалами и предметами с порнографическими изображениями несовершеннолетних материалы и предметы, содержащие изображение или описание половых органов несовершеннолетнего, если такие материалы и предметы имеют историческую, художественную или культурную ценность либо предназначены для использования в научных или медицинских целях либо в образовательной деятельности в установленном федеральным законом порядке.

Fehezan-dalànan'ny Heloka Bevava Rosiana. Andininy faha-242,1. Fanamarihana 2. Tsy heverina ho sary mamoafadin'ny ankizy ny fitaovana na zavatra mampiseho sary na mamaritra ny taovam-pananahan'ny zaza tsy ampy taona, raha toa ka manan-tantara na artistika na sarobidy  ara-kolontsaina na natao ho ampiasaina  ara-tsiansa na manana tanjona ara-pitsaboana, na fanabeazana mifanaraka amin'ny lalàna federaly ilay fitaovana na zavatra .

Raha tsy mijery ilay fehezan-dalàna, nanamafy ny famaritan'i Mizulina ny asakanton'i Sturges ho “sary mamoafadin'ny ankizy ” ny Mpiadidy vaovao ny zon'ny ankizy Anna Kuznetsova ka nampanantena ny hihetsika avy hatrany . Nanavao ny famaritana ofisialin'ny fampirantiana tao amin'ny tranonkalany ireo Solontena avy amin'ny Foiben'i Lumiere Mirahalahy : “Vehivavy lehibe ampy taona ara-dalàna ireo maodely mitanjaka ao amin'ny fampisehoana ” hoy ny tranonkala.

Saingy tara loatra izany. Ny andro manaraka, nanakana ny fidirana ho any amin'ny fampirantiana ny vondrona mpikatroka manonona ny tenany ho “Manampahefanan'i Rosia” . Tonga nizaha ny sary i Anton Tsvetkov,  mpitarika ny “Manampahefana” sady mpikambana ao amin'ny Lapa Ambonin'ny Fanabeazana Sivika. Niaraka tamin'ny manam-pahefana mitovy hevitra aminy tao an-toerana  izy sy olona tsy fantatra iray izay nandraraka amany tamin'ny sary iray manafintohina. (Na izany aza niditra an-tsehatra ireo mpikatroka hafa ary voampanga tamin'ny fitondran-tena tsy voafehy ilay lehilahy, araka ny tranonkalam-baovao Meduza .)

Tatỳ aoriana, ny Alahady, nanapa-kevitra ny hisoroka adihevitra vaovao sy hamarana ny fampirantiana mialoha ny fotoana ireo mpitarika ny Foiben'i Lumiere Mirahalahy avy. Nilaza tamin'ny mpanao gazety Rosiana i Jock Sturges fa gaga sy tohina izy tamin'ny fanapahan-kevitra .

Tsy nijanona tamin'ny fahanginana ny RuNet.  Nilaza ny mpanao gazety Yekaterina Gordeeva fa tohina izy noho ny zava-niseho tamin'ny fampirantiana: “Ireo tery saina tsy mahalala ! Lasa vaomieran'ny asakanto, feon'ny fieritreretantsika, fitsapandelantsika ankehitriny ireo Manampahefanan'i Rosia “, hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook.

Nandresy lahatra ihany koa tao amin'ny Facebook i Dmitry Gudkov, depioten'ny Duma teo aloha fa tsy misy olona tokony ho gaga raha tsy miala amin'ny ampihimamban'ny herisetra fanaony ny governemanta.

Вот эти казаки и фекальные активисты – они и есть расширенное государство…Просто в России выстроена вертикаль власти – и никто не обещал, что она будет легальной. Кто подставляет плечо этой власти – тот и в вертикали. И живут, кстати, все “Офицеры”, казаки и цапки на наши деньги: получают их через гранты, преференции или ненаказуемый разбой и пригосударственный бизнес.

Fanitaram-pahefanan'ny governemanta ireo mpikatroka adalan-diky rehetra ireo … Nampijoro fahefana fotsiny i Rosia – tsy misy olona manantena fa ho ara-dalàna izany. Ireo rehetra izay manolo-tanana dia anisan'ny nampijoro. Ary milaza izany ihany fa mandray ny volantsika amin'ny alalan'ny tetikasa fanampiana, tombontsoa, halatra tsimatimanota, na raharaham-barotra tohanan'ny fanjakana ireo manampahefana, ireo mpitaingi-tsoavaly, ary ireo Tsapki ireo.

Mandritra izany i Ivan Davydov, mpanao dokambarotra, nanoratra fa te-hiteny amin'ny olona izy hoe: “Maninona ianareo raha miezaka tsy handeha any amin'ny fampirantiana fotsiny?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.