- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Antony Tsara Ho An'ireo Japoney Mba Hanoratra Amin'ny Media Sosialy Ny Fiandohan'ny Fararano

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Higanbana (Red spider lily, Lycoris radiata)

Higanbana (karazana voninkazo lilia hàla, Lycoris radiata). Sary avy amin'ny “resonanced sky” mpampiasa Flickr. (CC BY-NC 2.0)

Nanamarika ny ekinôksa [1] fitovian'ny alina sy ny andro rehefa fararano, ary ny andro voalohany amin'ny fararano tao amin'ny Ilabolantany Avaratra ny 22 Septambra lasa teo. Fantatra amin'ny anarana Shubun (秋分) io andro io ary manana ny fiaviany ao amin'ireo teboka 24 hita ao anatin'ny tetiandro nentim-paharazana mampiasa ny volana sy ny masoandro ao Azia Atsinanana. [2]

Mihazona dikany tsara ao amin'ny kolontsaina Japoney io andro io, ary—ao anatin'ny fanampiny maoderina amin'ny fomba amam-panao hatramin'ny fahagola—mampakatra sarinà voninkazo, sakafo, ary sarinà lemaka maitso firaofana ahitra ho ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny olona.

Fantatra toy ny Qiufen na ny ekinôksan'ny fararano ao amin'ny tetiandro nentim-paharazana mampiasa ny volana sy ny masoandro ao Azia Atsinanana (二十四節季) ny Higan. Toy ny ekinôksan'ny Lohataona izay manamarika ny fiandohan'ny lohataona, miposaka eo afovoan'ny faravodilanitra atsinanana ny masoandro ary mipetraka eo afovoan'ny faravodilanitra andrefana. Lasa nambara tamin'ny fomba ofisialy ho andro ”hanajana ny razambe sy hisaonana ny lasa” ny Shubun (秋分,ekinôksan'ny fararano) tamin'ny 1948.

Mitranga eo afovoan'ny Higan ihany koa ny ekinôksan'ny fararano.

Ao Japana, milatsaka eo afovoan'ny faran'ny herinandro lavabe ny ekinôksa, fotoana antsoina hoe Higan [5] (お彼岸), izay atao toy ny fialantsasatra, ka miverina mody any an-tanindrazany ny fianakaviana mba hitsidika sy hanadio fasana.

22 Septambra (Alakamisy) ny Ekinôksan'ny Fararano.

Rehefa mivavaka amin'ny mody masoandro izahay, dia manomboka ny Higan, fotoana ivavahantsika ho an'ny fahaterahana indray ho an'ireo lasa any an-danitra(極楽浄土, Sukhavati, Tany Madion'ny Amitabha). Fantatra toy ny O-Higan ny fotoan'ny fito andro manodidina ny Ekinôksan'ny Fararano, rehefa ”manolotra ny fanajanay ho an'ireo razambe sy mahatsiaro ny lasa izahay.”

Manome fanatitra ohagi izahay (mofo vita amin'ny vary) ho an'ireo razambenay […] miaraka amin'ny voninkazo hagi (kidiadiamborona Japoney).

Ny Higanbana mamony (Lilia hàla Mena, Lycoris radiata) no manambara isantaona ny fahatongavan'ny Higan, izay mamelana mandritra ny herinandro na manodidina ny Ekinôksan'ny Fararano.

Ary, isaky ny fararano, ironana ao amin'ny Twitter ny tenifototra #higan (#彼岸 [8])—manome fahafahana tsara ho an'ireo mpankafy mba haka sary ny voninkazo mena.

Rehefa misarika ny hàla mena ny Higan, mamelana ny voninkazo lilia

21 Septambra izao (21 Aogositra ao amin'ny tetiandro Japoney taloha mampiasa ny volana sy ny masoandro [14]). Manodidina ny fotoanan'ny Higan no mamelana ny Higanbana (Lilia hàla mena). Antsoina hoe ”manjushage” (曼珠沙華), lazaina ho ” fivelaran'ny voninkazo mena avy amin'ny lanitra” izany.

Arahabaina daholo, efa mamelana ny Hinganbana aty. Tsapako ho lasa aloha ry zareo tamin'ity taona ity, ary tsy ho ela dia ho Higan. Enga anie izany no hamarana ny vanintaona mahamay.

Mifanojo amin'ny fotoam-pijinjana ny Higan, araka izany dia ny sakafo vao avy latsaka, indrindra fa ireo manasongadina ny vary vao avy nojinjaina, no hanina.

Ao amin'ny lisitry ny sakafo ho amin'ny Higan ny Ohagi… Malefaka izy io noho izany najanoko hatao tsindrin-tsakafo, fa rehefa laniko daholo ny zavatra hafa rehetra voky loatra aho ka tsy afaka nihinana azy intsony!

Raha mbola hitohy, farafahakeliny volana iray fanampiny, ny toetrandro mafàna ao Japana, mampanantena ny Higan fa efa tsy lavitra intsony ny andro mangatsiaky ny fararano. Ary angamba ho an'ny sasany, ny toetrandro mangatsiaka dia midika saka tonga avy any amin'ny mangatsiaka mba hofihinina sy hotazonina hafana:

Higan izao, noho izany fotoanan'ny saka ihany koa ve?