- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iron Maiden Sy Ny Hira Vakodrazana Tiorka? Izany No Nanainga Ny Fanahin'ity Kretàna Mpanao Mozika Ity

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Mediam-bahoaka, Mozika
Stelios Petrakis backstage during stop in New York earlier this year Credit: Marco Werman

Ambadiky ny sehatr'i Stelios Petrakis nandritra ny fijanonany tao New york vao haingana tamin'ity taona ity. Sary: Marco Werman

Lahatsoratra nosoratan'i April Peavey [1] ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org [2] tamin'ny 6 Septambra 2016. Naverina nozaraina ho ampahany amin'ny alalan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty izany.

Krety, ilay nosy Grika eo anelanelan'i Italia sy Tiorkia, dia fihaonan-dàlan'izao zavatra rehetra izao — toerana nandalovana mpifindra monina maro teny an-dalàna ho an'ny Eoropa, ary vao haingana dia toeran'ny toby lehibe fandraisana ireo mpitsoa-ponenana.

Toa ihany koa no nahitan'ilay mpanoratra sady mpahay mozika ny aingam-panahiny.

“Lalina ny mozikako. Misy fihetsehampo. Ny tononkirako dia voalohany ho an'ny fitiavana ary ny sasany ho an'ny fanajàna ny tontolo iainana. Ho an'ny hatsaram-panahin'ny olona sy ny hatsaran'i Krety,” hoy izy.

Tsy afaky ny tsy hahatsapa ny amin'ireo mpitsoa-ponenana mijanona ao amin'ny nosy fonenany, hoy i Petrakis tao anatin'ny tafatafa tany am-piandohan'ity taona ity. ”Misy fihetsehampo daholo isika rehetra, indrindra ny artista,” hoy izy. ”Miezaka ny tsy ho voa dieny avy hatrany aho.”

Milalao ny lokanga sy valiha i Petrakis — sasany amin'ireo zavamaneno antitra indrindra mbola ampiasaina erantany. Manamboatra izy ireny ihany koa izy.

Nandeha tamin'ny fianarana lalàna i Petrakis, na dia mpanakanto matianina aza izy amin'izao.

Tamin'ny fotoan-tsarotra teo amin'ny fiainany, tsy maintsy naka fanapahan-kevitra izy: Lalàna na mozika. ”Nanana fampisehoana [tamin'ny] andro mitovy tamin'ny fanadinana sasany aho,” hoy izy. ”Naleoko nandeha nanao fampisehoana toy izay nanao fanadinana.”

Araka izany, ankehitriny dia mpiangaly mozika nentim-paharazana mandeha mitety ny tontolo maoderina i Petrakis — ary mitady aingam-panahy eny amin'ny toerana rehetra.

”Mpankafy fatratra ny tarika Britanika Iron Maiden aho,” hoy izy. ”Mihaino loatra ireo hira flamenco betsaka avy any Espana ny tenako ary mozika maro avy any Torkia, hira vakodrazana sy mozika klasika Ottoman.”

Iron Maiden? Eny, hoy izy ao ”anatin'ny hery” izany.