Tantara Kelin'i Porto Riko Maty Jiro, Fa Azavain'ny Taratry ny Kintana

Foto cortesía Rneris Photography.

Sary nampindramin'i Rneris Photography.

Ny tantarako miresaka ny fahatapahan-jiro faobe teto Pôrtô Rikô tamin'ny alarobia 21 septambra, dia azo ilazana ireo alina ahitana ireo kintana analin-kisa, ny fanombohan'ny fikorontanan'ny fifamoivoizana, ireo polisy mifehy tsikelikely ny sehatra, ny fivoaran-draharaha misy itovizana be dia be amin'ny voalazan'ny tantara “La autopista del sur” [Ny lalan'ny atsimo] nosoratan'i Julio Cortázar sy ny “La noche que volvimos a ser gente” [Amin'ny alina isika vao olona] nosoratan'i José Luis González.

Fa tsotra kokoa ny tantarako, aza lazaina ny fihazakazahan'ny mpiasan'ny hopitaly mamelona haingana ny mpiteraka angovon'aratra hiantohana ny ain'ny marary, ny afo iadiana amin'ny hain-trano ao amin'ny tobin'herinaratra ao Aguirre, ireo mpiasam-panjakana ambony tsy mahavita mamantatra ny fiverenan'ny herinjiro ary ny fiaretan-torin'ireo mpiasan'ny Sendikan'ny mpiasan'ny indostiria sy ny fitarihan-drano (UTIER) sy ny Fahefana Misahana ny Herinjiro Elektirika (AEE) mba hamerenana ny jiro, mamela ireo olona an-tapitrisa ho ao anatin'ny aizina araka ny asehon'ny sary iray nandritra ny fotoana nahatapahan'ny jiro.

Ny tantarako tsy milaza ireo fikafika tsy mety lany ataon'ny Portorikana hahazoana rano na ranomandry, na voatery mandeha lalana lavitra dia lavitra rehefa nihitsoka tao anaty fiaran-dalamby an-tanandehibe tsy afa-mihetsika. Tsy misy idiran'izany resaka rehetra izany ity tantaran'ny fahasimbana mahatonga an'i Pôrtô Rikô tsy misy jiro ity ao anatin'ny fitarazohan'ny krizy ara-toekarena sy ny fandidian'i Etazonia hametraka ny Vaomieran'ny Fanaraha-maso Ny Hetra (tetibola) tamin'ny trosa malaza ratsy, vokatry ny hafetsifetsen'ny sasany sy ny kolikolin'ny hafa.

Ity tantara ity dia tsy mijanona fotsiny ihany eo amin'ireo mpianatra tsy nahazo ny “haninay isan'andro” ao an'efitra fianarana hanofinofisana firenena hafa, na ireo hafa miasa hatrany, mitady ny fomba rehetra, mifindrafindra amin'ireo toerana tsizarizary araka izay fitaovana na vola eo am-pelantanana, na ao anatin'ny hazavan'ny jiro fanao am-paosy, mihaino ny toe-piainana misy ireo mpiray tanindrazana mitantara ny manjo azy amin'ny alalan'ny fandaharana amin'ny onjam-peo. Tsy hikiribiby aho hitantara amin'ny antsipirihany ny fikatonan'ny tsenam-barotra maro nefa misy ireo toeram-pivarotana misokatra tontolo andro sy alina sy ireo toeram-pihinanan-kanina “ny an-kianja” mampitony ny hanoanana na te-hampangatsiatsiaka ny hafanan'i Karaiba amin'ny alalan'ny labiera iray.

Kely sisa ny angovo ananan'ny solosaina ka hampitsahatra ny halakin'ny fitendren'ny rantsantanako amin'ny kitendry amin'izao tsy mahita ny dokambarotry ny fahitalavitra izao aho, sy ny ampihimamban'ny smartfinday hita na aiza na aiza izay mangalatra ny fifantohana sy ny fiainan'ny olona. Ary ireo andalana farany dia miresaka izay mitranga ao an-tokantranon'ny tanàna amoron-driaka. Eo akaikin'ny ngonongonon'ny ranomasina aho, mijery ny ray aman-dreniko eo an-davarangan'ny trano mizara tantaram-pianakaviana amin'ny zanaka sy ny zafikely… ary anisan'ireo mihaino izany tantara izany aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.