
Tranonkalan'ny Minisiteran'ny Atitany Ao Makedonia manolotra ny tantaram-piainan'i Oliver Andonov tamin'ny andro naha-minisitra azy iray andro tao amin'ny birao. Tsy misy soratra ny mikasika ny fianarana vitany sy ny traikefany . (Pikantsary.)
Mety iray amin'ny firenena vitsy nanana tantaranà Minisitry ny Atitany niasa iray andro monja i Makedonia. Nandany ora vitsivitsy mahafinaritra tao amin'ny biraony i Oliver Andonov tamin'ny fiandohan'ity volana ity, fotoana ampy hangalana sary sy hanaovana sonia antontan-taratasy vitsivitsy, anisan'izany ny taratasy fametraham-pialàny. (Niezaka ny nanao fanendrena olona ambony olona maromaro tao amin'ny minisitera hanamafisana orina ny antoko politikany mialoha ny fifidianana ihany koa i Andonov.)
Araka ny Fifanarahana Pržino , izay namarana ny krizy politika sy ny krizin'ny rafi-panjakana tao Makedonia, tsy maintsy manendry minisitra vonjimaika ny Fiombonana Sosialy Demokraty ao Makedonia (SDSM) mba hahazoana antoka fa tsy azo hanaovana hosoka amin'ny fifidianana intsony ny minisiteran'ny atitany araka ny fitsipika anatin'ny Fikambanana Revolisionera Makedoniana – Antoko Demokraty Fampiraisampirenena Makedoniana (VMRO-DPMNE).
Nanolotra an'i Oliver Spasovski ho minisitry ny atitany vaovao ny SDSM, ary tokony haka ny toeran'i Mitko Chavkov izy ny 2 Septambra. Talohakelin'ny fananganana ny governemantan'ny mpanohitra vaovao vonjimaika, anefa, dia nanendry an'i Oliver Andonov ny antoko izay mbola teo amin'ny fitondrana, izay fantatra ho mpikatroka mpanandrateny avy ao amin'ny vondrona akaikin'ny Hetsika Sivily ho Fiarovana an'i Makedonia (GDOM).
Nahavita nanendry sy nanala ny minisitra vaovao tao anatin'ny roa andro monja ny antokon'ny fitondràna VMRO-DPMNE, nandritra ny fotoana nivorian'ny mpitarika avy amin'ny antoko efatra lehibe indrindra sy ny fitokanana ny governemanta vonjimaika. Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia tsy ampy indray andro ny niasan'i Andonov tao amin'ny birao.
Дождов ќе трае подолго отколку што траеше мандатот на Оливер Андонов.
— Дамата од Париз (@MZdravkova1) September 5, 2016
Ny fandroana amin'ny andro mafana no mbola maharitra ela kokoa noho ny fe-potoana niasan'i Andonov Oliver.
Nametra-pialana ny Minisitry ny Atitany Chavkov iray andro alohan'ny mampanankery ny Dinan'i Pržino, ary nanolo-kevitra ny governemanta fa haka ny toerany tao amin'ny kabinetra ao anatin'ny fotoana ambiny fohy i Andonov. Nikasa ny hanao adihevitra sy fifidianana tamin'ilay tolo-kevitra ny parlemanta, ary nanaiky ny fanendrena ny Praiminisitra Emil Dimitriev, na dia tamin'ny fombafomba ihany aza izany. Nidera an'i Andonov mihitsy aza izy, sady nilaza fa hanome ny tsara indrindra amin'ny asany ilay mpikatroka .
“Mpampianatra ao amin'ny Akademia Miaramila izy, sady mpampianatra any amin'ny sampam-pianarana ambony,” hoy i Dmitriev. “Raha ny tantaram-piainany no jerena, dia hita fa matihanina amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny filaminana izy teo amin'ny asany manontolo. Miasa ao amin'ny Akademia Miaramila izy amin'izao fotoana izao. Heveriko fa hanome ny tsara indrindra amin'ny fanatanterahana ny asan'ny Minisitry ny Atitany ity lehilahy ity izay manana zotram-panabeazana tsara sy zava-bita maro teo amin'ny sehatry ny fiarovana na dia mbola tsy niasa tao amin'ny Ministeran'ny Atitany aza. “
Nivory ireo mpanao lalàna ary lanin'ny rehetra tamin'ny vato miisa 65 i Andonov. ( tsy nanatrika ny fotoam-pivoriana ireo mpikambana tao amin'ny antoko mpanohitra.)
Ny andro manaraka, nanao sonia ary nametram-pialana i Andonov , ary nisolo toerana azy ny solontenan'ny mpanohitra Oliver Spasovski, izay mijanona ho minisitra mandra-pahatongan'ny fifidianana amin'ny 11 Desambra . Nandritra ny fotoam-pitondràny naharitra ora vitsivitsy, nahavita naka sary vitsivitsy tao amin'ny efitra fiasana maha-minisitra i Andonov, ary navoaka tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny minisitera izany taty aoriana.

Ny taratasy fametraham-pialan'i Oliver Andonov, napetraka tsy nisy iray andro akory taorian'ny naha-Minisitry ny Atitany azy ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia.
Manana tanjona tokana ny tetiky ny VMRO-DPMNE: mba hahazoana antoka fa olona voaporofo ho mahatoky ny antoko no hahazo ny Minisiteran'ny Atitany mialoha ny fifidianana parlemantera. Raha vao nahazo ny toerana ho minisitra i Andonov, dia namoaka haingana soso-kevitra neken'ny governemanta avy hatrany hanendry an'i Mitko Chavkov, minisitra talohany ho talen'ny Biraon'ny Fiarovam-bahoaka (BJB), sy nanendry an'i Vladimir Atanasovski ho Talen'ny Fiarovana sy ny Sampana Miady Amin'ny Fitsikilovan'ny Hafa (UBK). Manakana ny minisitra vaovao tsy hahazo mandroaka azy ireo na hanendry olona vaovao ny fanovana lalàna vao haingana.
“Miaraka amin'ny fanovana misy androany ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany nataon'ny antoko eo amin'ny fitondrana, dia mikasa ny hametraka sy hanamafy orina ny toerany alohan'ny fifidianana ao anatin'ny minisitera izy ireo, ary mieritreritra ny hitazona izany hatrany. Ny Minisitry ny Atitany no andrim-panjakana manan-danja indrindra mandritra ny fifidianana ary maniry izany mba hijanona eo ambany fanaraha-mason'ny MVRO-VMRO ny governemanta. Fa ho an'i Oliver Spasovski, tadiavin-dry zareo hitovy amin'ny mpanjakavavin'i Angletera izy, na— ny marimarina kokoa—tsy tian'izy ireo hanana fahefana tena izy izy na dia mbola mipetraka teo amin'ny ambony indrindra aza, ” hoy ny loharanom-baovaon'ny sampam-baovao Meta.mk .
Nanome aingam-panahy betsaka tamin'ny hanihany tao amin'ny media sosialy ny fandalovan'i Andonov tao anatin'ny governemanta, izay nahitana ny fahatalanjonan'reo mpisera amin'ny aterineto an'ilay lehilahy Minisitry ny Atitany indray andro.
-јас сум оливер андонов, министер за внат…
*гледа на саат
-бивш министер за внатрешни работи— НиколаСтрез (@NikolaStrez) September 1, 2016
Izaho no Oliver Andonov, Minisitry ny Ati …
(Manamarina ny famantaranandrony)
– Ny minisitry ny atitany teo aloha.
#ОливерАндонов pic.twitter.com/B9pBkwS8M5
— Jofemk (@jofemk) September 2, 2016
Oliver Andonov: “Tena voninahitra lehibe ny lasa minisitra, tanterahiko ny adidiko …
Aaaaary votsotra ilay izy!
- Докторе, како да ги пијам апчињата?
– 3 пати на Оливер Андонов, пред јадење— Сплинтер (@sinisa_goliOtok) September 3, 2016
- Dokotera, ahoana no fomba hihinanako ireto fanafody ireto?
– In-3 isan'i Oliver Andonov, alohan'ny sakafo.
Оливер Андонов – Сакам да бидам министер па макар и еден ден.
Владата – Say no more!— Бони Топ (@bonitopp) September 2, 2016
Oliver Andonov: “Te-ho minisitry ny governemanta aho, na dia iray andro monja aza.”
Ny Governemanta: “Aza miteny intsony!”
Nampatsiahy ilay teny filamatra fanta-dazan'ny governemanta, nilaza fa miasa “24/7 ” izy ireo ny mpisera Twitter iray hafa.
Цела влада работи 24/7, а Оливер Андонов само 24.
— Калиси #Протестира (@MajkaNaZmejovi) September 1, 2016
Miasa 24 ora amin'ny 7 andro ny governemanta iray manontolo, fa 24 ora ihany ny an'i Oliver Andonov .
Niresaka ny andian-teny latinina fanta-daza “Veni, vidi, vici “ i Aleksandar Dojranliev.
Оливер по стапките на Цезар pic.twitter.com/aGrc7ubI1W
— Dojranliev (@ADojranliev) September 2, 2016
Manaraka ny dian'i Kaisara i Oliver .
“Tonga Aho; Nahita aho; Nandresy aho “—Julus Kaisara
“Tonga Aho; Naka sary aho; Lasa aho”—Oliver Andonov