Naato Ny Fampielezan-Kevitra Fifidianana Filoham-Pirenena Tao Cap Vert Ho Fanajana Ilay Filoham-Panjakana Taloha

Palácio Presidencial de Cabo Verde, cidade da Praia. Foto: Wikimedia CC BY-SA 3.0

Lapam-panjakana ao Cap Vert, tanànan'i Praia. Saripika: WikimediaCC BY-SA 3.0

Nametraka didy ny manampahefana ao Cap-Vert amin'ny hanaovana ho androm-pisaonana mandritra ny roa andro ho fanomezam-boninahitra ny filoha Kapoverdiana teo aloha lany tamin'ny fomba demaokratika voalohany António Mascarenhas Monteiro maty teo amin'ny faha-72 taonany, tamin'ny zoma 16 septambra, rehefa nolazoin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra.

Roa andro fisaonam-pirenena noho ny fahafatesan'ny filoha António Mascarenhas Monteiro

Ao anatin'ny fotoana fanantanterahana ny fanentanana ifidianana ho filoham-pirenena, dia nanapa-kevitra ny hampiato ny hetsika nataon'ny ny kandidà telo  ho fanomezam-boninahitra ity filoham-panjakana teo aloha ity. Nanomboka tamin'ny alakamisy 15 septambra moa ny fanentanam-pifidianana ho filoham-pirenena izay hotanterahina amin'ny 02 oktobra ho avy izao.

Nanoratra toy izao tao amin'ny pejiny Facebook ny filoham-pirenena ankehitriny sady kandidà handimby ny toerany indray, Jorge Carlos Fonseca:

- Regressei mais cedo de Mindelo, pois mandei cancelar todas as acções de campanha eleitoral previstas (nomeadamente um comício hoje à noite em Monte Sossego), incluindo a edição de tempos de antena, por respeito à memória do Homem, do Democrata, do Estadista e do Amigo, António Mascarenhas Monteiro. – Regresso triste, consternado, verdadeiramente destroçado. Reitero as minhas mais sentidas condolências aos familiares.

Vao niverina avy any Mindelo aho ary nanafoana ny hetsika fanentanana rehetra efa niomanana, ary tafiditra amin'izany ny famoriam-bahoaka takariva tao Monte Sossego), ary tafiditra amin'izany fanafoanana izany ihany koa ny fotoana tao amin'ny fahitalavitra, ho fanajana ny fahatsiaovana ilay Olona, ny demaokrasia, ilay olom-panjakana ary ilay namana antsoina hoe António Mascarenhas Monteiro. – Niverina tamin'alahelo, ankona, vaky fo tanteraka. Manantitra ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviana.

Namoaka lahatsary ho fahatsiarovana ity filoha teo aloha ity ny talen'ny fanentanana Albertino Grace, Filohan'ny Oniversiten'i Mindelo sady kandidà ho filoham-pirennea:

Por motivos de força maior relacionados com o falecimento do presidente António Mascarenhas Monteiro, enquanto director nacional da candidatura de Albertino Graça, declaro que decidimos suspender todas as actividades de campanha durante dois dias. É uma homenagem devida pelo legado do Presidente Mascarenhas Monteiro enquanto um referencial de estabilidade e de sentido de estado, que ficará na memória da democracia de Cabo Verde. Associamo-nos de forma solidária aos familiares e amigos do Presidente Mascarenhas Monteiro neste momento de profundo pesar e comoção nacional.

Noho ny antony lehibe mifandraika amin'ny fahafatesan'ny Filoha António Mascarenhas Monteiro, amin'ny maha-tale nasionalin'ny maha-kandidà an'i Albertino Grace, dia ambarako fa notapahina ny hampiatoana ny fanentanana rehetra ao anatin'ny roa andro. Ho fanomezam-boninahitra ny lova navelan'ny Filoha Mascarenhas Monteiro ho fitaratry ny fitondrana nilamina tsara sy ho fanajana ny demaokrasia eto Cap-Vert. Dia maneho ny firaisankina amin'ny fianakaviana sy ny naman'ny filoha Mascarenhas Monteiro ao anatin'izao fotoana mangidy manerana ny firenena izao izahay.

Namaly toy izao ny kandidà Joaquim Monteiro, mpitolona menavazana ho amin'ny fanafahana an'i Cap-Vert:

Joaquim Monteiro, que soube da notícia através da Rádio de Cabo Verde, disse que “Tony” Mascarenhas foi para ele um grande companheiro de luta e amigo e um grande Presidente para todos os cabo-verdianos.

Nanambara toy izao i Joaquim Monteiro, raha nandre ny vaovao tamin'ny alalan'ny Radion'i du Cap-Vert: Sakaiza tany am-piadiana i “Tony” Mascarenhas ho azy ary filoha lehibe ho an'ny Kapoverdiana rehetra.

Tsapa hatrany amin'ny Twitter ny fahafatesan'i Mascarenhas Monteiro. Nanambara toy izao ny Filohan'i Brezila amin'izao fotoana izao, Michel Temer:

Henoko tamin'alahelo ny fahafatesan'i Antonio Mascarenhas Monteiro, Filohan'i Cap-Vert tanelanelan'ny taona 1991 ka hatramin'ny taona 2001.

Temer irery no filohan'ny firenena ao amin'ny Fikambanan'ny mpiteny paortiogey naneho hevitra tamin'ny alalan'ny media sosialy tamin'ny fahafatesan'i Mascarenhas Monteiro tamin'ny fotoana nanoratatana ny lahatsoratra (teny paortiogey).

Ny anjara toeran'i António Mascarenhas Monteiro teo amin'ny demaokrasia kapoverdiana

Mascarenhas Monteiro no Filoha voafidim-bahoaka voalohany, tamin'ny feboary 1991, tamin'ny safidy mivantana, miafina ary nataon'ny ampy taona rehetra tao Cap-Vert Mahaleotena sy efa lasa maro antoko politika. Talohan'io fotoana io ary hatramin'ny fahaleovantena azo tamin'i Paortigaly tamin'ny taona 1975, dia rafitra antoko tokana notantanin'ny Antoko Afrikana ho amin'ny Fahaleovantenan'i Ginea sy Cap-Vert (PAIGCV) – PAICV amin'izao fotoana izao – naorin'i Amílcar Cabral, Aristides Pereira ary Luís Cabral tamin'ny taona 1956 no nitondra ny firenena.

Tamin'ny taompolon'ny 1990 no nampidirina tao Cap-Vert ny Rafitra Antoko Maro. Tamin'ny febroary 1991, azon'i Mascarenhas Monteiro ny fandresena tamin'ny fifidianana ary lasa filoha izy noho ny fanohanan'ny Hetsika ho amin'ny Demaokrasia (MpD). Mascarenhas no filohan'ny Repoblikan'i Cap-Vert hatramin'ny taona 2001:

Cinco anos depois, [em 1996], foi reeleito sem qualquer adversário, de novo com o apoio do MpD.

Dimy taona taty aoriana [tamin'ny taona 1996], dia mbola voafidy indray tsy nisy mpifanandrina aminy izy, ary noho ny fanohanan'ny MpD ihany.

Efa Sekretera Jeneralin'ny Antenimieram-Pirenena Entim-Bahoaka i António Mascarenhas Monteiro nandritra ireo taona voalohany nahazoan'i Cap-Vert ny fahaleovantena. Nahazo Diplaoman'ny Fianarana Lalàna tao amin'ny Oniversite Katolikan'i Belzika, efa Filohan'ny Fitsarana Tampony ihany koa nandritra ny taompolo 1980. Tamin'ny taona 2006, raha sekretera-jeneralin'ny Firenena Mikambana i Kofi Annan, dia nanendry azy ho Iraka Manokana nankany Timor-Leste. Efa anisan'ny “impulsionador” [mpanentana] tamin'ny fananganana ny Fikambanan'ny Firenena Miteny Paortiogey ihany koa i Monteiro, hoy ny fampahatsiahivan'ny praiminisitra angoley teo aloha Marcolino Moco.

Hiverina eny an-dalambe indray ny fanentanana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena nanomboka ny alatsinainy hiatrika ny fihodinana faharoa. Ity Firenena-Nosy ity, izay miorina 570 km miala ny kaontinanta afrikana, dia heverina ho anisan'ny firenena anjakan'ny demaokrasia indrindra eto ambonin'ny tany, araka ny fampilaharana ny demaokrasia isam-pirenena novolavolain'ny gazety The Economist. tamin'ny taona 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.