- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiasa ‘Sary Mamoafady’ Ho Porofo Ao Amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Ny Manampahefana Sodaney

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
A student protest in Sudan. PHOTO: Sudan Forum. Used with permission

Fihetsiketsehan'ny mpianatra ao Sodana. SARY: Sudan Forum. Nahazoana alalana

Notsaraina amin'ilay antsoin'ny mpitsikera hoe fitsarana “ara-pitondran-tena” ireo mpikatroka ny zon'olombelona ao Sodàna.

Mpikatroka enina, izay mpikambana ao amin'ny Foibe Khartoum ho an'ny Fampiofanana sy Fampandrosoana ny Maha-olombelona (TRACKS) avokoa no voampanga noho ny fanohintohinana ny rafi-dalàm-panorenana, fananganana ady amin'ny Fanjakana, fitsikilovana, ary fampihorohoroana. Raha voaheloka, mety ho voasazy [1]mandra-pahafaty na melohina ho faty izy ireo.

Raharaha laharana 110/2016 napetraka tamin'ny 15 Aogositra miampanga ireo mpiasa sy mpikambana ao amin'ny TRACKS, izay fitoriana ny talen'ny TRACKS Khalafalla Al Afif Mukhtar, mpampiofana Al-Hassan Kheiry, Abu Hureira Abdelrahman, ary Midhat Afif al-Deen Hamdan, mpitantana Arwa Ahmed Al-Rabie sy Kameroney mpilatsaka an-tsitrapo Imany Leyla Raye. Voampanga amin'ity raharaha ity ihany koa i Albaqir Al Afif Mukhtar, talen'ny Foiben'ny Fanehoana ny Marina sy Fampandrosoana ny Olombelona Alkhatim Adlan (KACE), ary Musatafa Adama, talen'ny Fikambanana Alzarqaa ho an'ny Fampandrosoana ny tontolo Ambanivohitra.

Tamin'ny voalohany ny raharaha laharana 56/2015 dia Fitoriana ny talen'ny TRACKS Afif Mukhtar, sy mpampiofana momba ny zon'olombelona mpampiofana Adil Bakheit ny. Na dia izany aza, rehefa avy nampanantsoina tany amin'ny fitsarana izy ireo tamin'ny 22 May 2016, dia nampahafantarina izy ireo fa voampanga ao anatin'ny raharaha ihany koa ireo mpiasa mpikambana roa hafa ao amin'ny Tracks, Al-Rabie sy ny mpikirakira vola Nudaina Kamal.

Na dia teo aza ny fahamatoran'ireo fiampangana ireo, navadiky ny fampanoavana Sodaney ho fanadihadiana ny fiainana manokan'ireo mpikatroka ny fitsarana, izay mampiseho sary sy lahatsary manokana tao anatin'ny solosaina findain'ireo voampanga nogiazana, ho porofon'ny “fitondran-tena maloto”.

Tamin'ny 22 May 2016, nosamborin'ny polisy ireo mpikatroka valo avy ao amin'ny TRACKS rehefa avy  niseho [2] teo anoloan'ny Biraon'ny Fampanoavana noho ny Hetsika Miady amin'ny Fanjakana mba atao fanadihadiana mifandraika amin'ireo fiampangana napetraky ny NISS. Raha navotsotra ny dimy tamin'izy ireo, mbola any am-ponja [3] kosa ny telo, anisan'izany ny talen'ny TRACKS Khalafalla Al Afif Mukhtar sy ny mpampiofana Midhat Afif al-Deen Hamdan, sy Mustafa Adama, talen'ny Alzarqaa, Fikambanana ho Fampandrosoana ny tontolo Ambanivohitra, izay tao amin'ny biraon'ny TRACKS tamin'ny fotoana nisamboarana azy ireo.

Tao anatin'ny roa taona, niharan'ny [4] herisetra maro nataon'ny polisy ny vondrona fiarahamonim-pirenena ao Khartoum, izay manome fiofanana momba ny zon'olombelona sy ny teknolojia vaovao. Notafihan'ny Sampam-piarovana sy Fitsikilovan'ny Firenena (NISS) indroa ny biraon'izy ireo, tamin'ny Martsa 2015 sy Febroary 2016, ary nataon'ny polisy famotorana imbetsaka ny mpiasan'ny vondrona ary nogiazana ny antontan-taratasy sy ny fitaovana elektronikan'izy ireo.

Ry vahoaka ao #Khartoum [5]: mandehana ao amin'ny fitsarana ny #TRACKS [6] amin'ny Alakamisy 22/9, ao amin'ny fitsarana Alawsat, asehoy ny firaisankina miaraka amin'ireo mpikatroka nogadraina ary mety afaka mijery sary mamoafady ianao #Sudan [7]

Voampanga ho nitarika ady amin'ny fanjakana sy fitsikilovana ny #TRACKS [6] + kanefa nandefa lahatsary mamoafady ho porofo ny #NISS [9]

Nandritra ny fotoam-pitsarana tamin'ny 4 Septambra, nandefa lahatsary vetaveta voalaza fa hita tao anatin'ny solosainan'iray tamin'ireo voampanga ny fampanoavana. Nampiseho sary hitan'izy ireo tao anatin'ny solosainan'ireo voampanga ihany koa izy ireo ho porofon'ny “fitondran-tena maloto”. Nilaza ireo voampanga fa tsy misy “fitondran-tena ratsy” na “sary vetaveta” ireo sary ireo, araka ny asehon'ny sioka eto ambany:

Sary mamoafady nampiasaina ho porofo hamelezana an'i @midhatafifi [12] tamin'ny fitsarana 4/9 ary mampiseho ahy sy ny vadiko

Nitohy tamin'ny fotoam-pitsarana tamin'ny 22 Septambra ny fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ireo voampanga, nasehoan'ireo mpanao famotorana ny momba ny fomba fiainan'ireo voampanga.

Fitsarana ara-pitondratena iray hafa…tsy afaka manangana ady amin'ny fanjakana miaraka amin'ny alikaola ianao!! Mila manatsahatra ny fidirana amin'ny fiainan'olona manokana izy ireo ary mampiseho porofo azo antoka.

Sary nalain'ny naman'ny iray tamin'ireo voampanga mamihina ramatoa iray. Naseho ny roa tamin'ireo sariny. Tsy manana fanajana ny tenany ny fitsarana

Ho azy ireo sy ny mpikambana hafa ao amin'ny fiarahamonim-pirenena Sodaney, manimba ny maha ara-dalàna ny fotoam-pitsarana sy ny rafi-pitsarana ny fampiasàna tahiry sy sary manokana ho toy ny porofo.

Tsy ilaina amin'ny fitsarana ny fampisehoana sary tahaka izany, saingy paikady efa namboarin'ny manam-pahefana Sodaney mba “hanalana baraka ny fiarahamonim-pirenena” ao amin'ny firenena izany, hoy ilay mpanao gazety Sodaney Reem Abbas nanoratra [19], ary anisan'ny nanatrika ny fotoam-pitsarana tamin'ny 4 sy 22 Septambra :

Setting the ground by damaging the defendants’s public image and presenting them as immoral as understood and seen by the conservative Sudanese society will cause confusion within the solidarity movement. This tactic is very dangerous as it will be used to instigate public opinion against the defendants and initiate a smear campaign that changes the entire discourse of the trial causing the lawyers to become distracted from the actual charges…With women who are perceived as activists or active in the civil society, this is done on another level. Our pictures were shown to reiterate their point, this is the civil society here! They watch pornography and their women are uncovered and they are even smiling in the pictures!

Ny fanomanana ny lalana amin'ny alalan'ny fanimbàna ny lazan'ny voampanga sy maneho azy ireo ho ny ratsy fitondran-tena araka ny fahatakarana sy fijerin'ny fiarahamonina Sodaney nentin-drazana dia hiteraka fikorontanana amin'ny firaisan-kinan'ny hetsika. Tena mampidi-doza ity paikady ity satria ampiasaina hitarihana ny hevi-bahoaka hamely ireo voampanga sy hanombohana fanentanana fanalam-baraka izay manova tanteraka ny fiarovantena manontolo ao amin'ny fitsarana ka mahatonga ireo mpisolovava tsy hamaly ireo tena fiampangana… Miaraka amin'ireo vehivavy izay hita fa mpikatroka na mavitrika eo amin'ny fiarahamonim-pirenena, dia miakatra dingana ambonimbony kokoa ny paikady fandotoana. Naseho ny sarinay mba hanamafisana indray ny fomba fijerin'izy ireo, izany no fiarahamonim-pirenena eto! Mijery sary vetaveta izy ireo ary hita ao ny vehivavin'izy ireo ary mitsiky mihitsy aza izy ireo ao amin'ny sary!

Hoy izy namehy:

The civil society was painted as a world of debauchery and this debauchery was documented in pictures that were shown inside the courthouse, violating the privacy of the defendants and their friends. But it was done for this exact reason, the NISS wanted to put the whole civil society on trial and in Sudan, the worst kind of trial is a moral one

Nopetahana anarana ho tontolon'ny fijanganjagana ny fiarahamonim-pirenena ary narakitra an-tsary izany fijanganjangana izany izay naseho tao anatin'ny efi-pitsarana, manitsakitsaka ny fiainana manokan'ireo voampanga sy ny naman'izy ireo. Saingy natao tamin'izany antony izany mihitsy ity, te-hitondra ny fiarahamonim-pirenena rehetra eny amin'ny fitsarana ny NISS ary ny karazana fitsarana ratsy indrindra ao Sodàna dia ny fitondran-tena.

Tsy zava-baovao ny famoretan'ny governemanta Sodaney ny vondrona fiarahamonim-pirenena sy ny mpiaro ny zon'olombelona. Tamin'ny 2012, nanakatona vondrona fiarahamonim-pirenena efatra tao an-drenivohitra Khartoum ny manampahefana, ary tamin'ny fiandohan'ity taona ity, noraràn'ny governemanta tsy hankany Zeneva mba handray anjara tamin'ny hetsika zon'olombelona tarihin'ny Firenena Mikambana ireo solontenan'ny fiarahamonim-pirenena efatra. Iray amin'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena vitsivitsy mahaleotena mbola miasa ao amin'ny firenena ny TRACKS, ary hita ho fitsarana mamely ny fiarahamonina sivily Sodaney manontolo ity fitsarana ity, araka ny siokan'ilay mpikatroka Dalia Haj-Omar:

Ny Fiarahamonim-pirenena Sodana rehetra no tsaraina eny amin'ny Fitsarana androany, fa tsy ny #TRACKS [6] ihany