Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Inona no Azon'ireo Mpitondra Aziatika Afovoany Tsoahina Tamin'ny Kabarin'i Ban Ki-moon Farany Amin'ny Maha-Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Azy

Secretary-General Ban Ki-moon has met several times with Islam Karimov, President of the Republic of Uzbekistan. Here they are pictured in September of 2010. UN Photo/Evan Schneider

Efa nihaona imbetsaka tamin'i Islam Karimov, Filohan'ny Repoblikan'i Ozbekistan ny sekretera jeneraly Ban Ki-moon. Sarin'izy ireo tamin'ny Septambra 2010 ity. Sarin'ny Firenena Mikambana/Evan Schneider

Tamin'ny kabariny farany amin'ny maha Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana azy tamin'ny fanokafana ny fivoriambe faha-71-n'ny Firenena Mikambana tao New York tamin'ny 20 Septambra 2016, nanambara ny zavatra rehetra nianarany nandritra ny folo taona nitantanana fikambanana manerantany matanjaka indrindra, kanefa koa ratsy fiasa indrindra i Ban Ki-moon.

Mikasika ny fiarovana ny ampahorina sy fanomezan-tsiny ny mpampahory ny kabariny. Nanamory  fiara mifono vy ara-panoharana izy nandritra ny fitondrana elan'ny mpanao didy jadona manerantany izy, milaza an'i Bashar Assad ho ratsy indrindra noho ny ISIS, raha niaro ny Miozolomana.

Toa tahaka ny namely ireo mpitondra tsy refesimandidy matevin-koditra ao Azia Afovoany ihany koa ireo fehezanteny sasany tamin'ny kabariny, tahaka ity iray ity:

Ban: amin'ny toerana maro loatra ihany koa, hitantsika ny mpitarika manova lalàmpanorenana, manodinkodina voka-pifidianana sy mamikitra eo amin'ny fahefana. 1/2

Vao tamin'ny herinandro lasa, nampiditra fanovana tao amin'ny lalàmpanorenana i Turkmenistan mba hahafahan'ny filoha Gurbanguly Berdymukhamedov hitondra mandra-pahafaty. Tsy nisy ny fakàna ny hevitry ny vahoaka.

Narahana fitsapan-kevibahoaka momba ny lalàmpanorenana tao Tajikistan izany tamin'ny Mey 2016 izay toa mametraka ny fitondra-taranak'i Rakhmon efa ela nitondrana ny firenena nanomboka tamin'ny 1992.

Tao amin'ny fanjakanai Kaokazia ao Azerbaijan sy ny Repoblika Azia Afovoany ao Kyrgyzstan, mbola miandry ihany koa ny Lalàmpanorenana.

Nandritra ny 25 taonan'ny fahaleovantena, nanova ny lalàmpanorenana natao tsirambina avokoa ny firenena rehetra ao Azia Afovoany, indrindra indrindra mba hanomezana tombondahiny ireo mpitarika am-perinasa, raha i Kyrgyzstan irery no mbola tsy nanatontosa fifidianana sokajian'ny mpanaramaso iraisampirenena momba ny fifidianana fa malalaka sy marina.

Nilaza tamin'ireo “rain'ny firenena” manerantany i Ban Ki-moon hoe:

Leaders must understand that holding office is a trust, granted by the people, not personal property.

Tokony mahatakatra ny mpitondra fa fitokisana nomen'ny vahoaka fa tsy fananan'olon-tokana ny fihazonana andraikitra

Sitora Shodavlat, mpisera media sosialy Tajik namazivazy hoe:

Интересно , кого же он имел ввиду?!)))

Manontany aho, iza no resahiny?

Nisintona lakolosy i Said Safarov hoe:

ой, да кого угодно, только не Таджикистан ))))

Ny rehetra angamba izany fa tsy i Tajikstan))))

Novalian'i Shodavlat hoe:

Ну что ты, что ты))))))). Только не Таджикистан!! Может Канаду, Швейцарию, и тд и тп((((((

Inona no lazainao? Eny indrindra fa tsy Tajikistan! Angamba ny tiany ambara dia hoe Canada, Soisa sy ny sisa (((

Herinandro maromaro taorian'ny fahafatesan'ny filoha Ozbek naharitra ela teo amin'ny fitondrana, Islam Karimov — izay nomeny voninahitra tamin'ny 16 Septambra — hoy i Ban Ki-Moon:

Mazava ny hafatro: Tompoy ny vahoaka. Aza ahodikodina ny demaokrasia; aza angalarina ny loharanonkarenan'ny firenena; aza gadraina sy ampijaliana ny mpitsikera anao. 2/2

Misy dikany lehibe indrindra ao Azia Afovoany ny hafany mikasika ny fampijaliana, izay manana hevitra maro dia maro ny mpitandro ny filaminana raha resaka fikarakarana ireo ny mpikatroka, mpanohitra ara-politika sy ny Miozolomana mpino tsy mety mivavaka any amin'ny moskea misy ireo mpitondra fivavahana mitory teny mandoka ireo mpitondra am-perinasa no resahana.

Mamorona fiampangana isan-karazany manomboka amin'ny herisetra ara-nofo, fihazonana zava-mahadomelina (nambolena), sy hosoka ara-bola (noforonina) sy ny “maha-mpikambana amin'ny fikambanana mpampihorohoro”.

Maro isan-karazany ny fomba fampiaikena heloka ireo ahiahiana ka anisan'izany ny fanjaitra ambany hoho sy fidarohana amin'ny alalan'ny herinaratra ary raha mikasika an'i Ozbekistan kosa, rano mangotraka tsindraindray rano mangatsiaka dia mangatsiaka rehefa aorian'ny tsikera iraisampirenena marobe.

Ity ny filazalazana fanampiny momba an'i Kazakhstan, Kyrgyzstan, Tajikistan, Turkmenistan, sy Uzbekistan avy amin'ny Amnesty International.

Ao amin'ireo firenena lahika ireo, izay manaraka ny finoana silamo ny maherin'ny 90% , dia mety mahazo sazy na ratsy kokoa noho izany avy amin'ny fanjakana ny manalava volombava na mitafy hijab .

Tsy isalasalana fa niresaka manoloana ity karazana fanenjehana ity ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, sy manoloana ny fitomboan'ny tsy fahazakana fisian'ny Miozolomana ao Eoropa sy Etazonia, raha nilaza izy hoe:

Muslims in particular are being targeted by stereotyping and suspicions that have haunting echoes of the dark past.

Lasibatry ny fitsarana an-tendrony sy ny ahiahy izay nanana ny akony avy amin'ny aizin'ny lasa ny Miozolomana.

Nahitana tenim-panantenana ihany koa ny lahatenin'i Ban Ki-moon farany amin'ny maha Sekretera Jeneraly azy. Fanantenana fa homena ny vahoaka manerantany ny fahefana.

Nitanisa ohatra momba ireo olona manome aingam-panahy izy, tahaka ilay mpanampy mpitsabo ao Sierra Leone, ilay Syriana mpitsoa-ponenana mpilomano, ary ilay bilaogera Pakistaney.

Indrisy fa tsy mba nisy anarana avy ao Azia Afovoany tao amin'ny lisitra, saingy mbola misy ny fanantenana ho an'ny olona ao amin'ireo firenena Sovietika taloha ireo fa afaka haneho hevitra hampiroborobo ny fanovana sy hametraka ny faritra ao anatin'ny saritany amin'ny antony tsara ny taranaka hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.