- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manampy Amin'ny Fanasitranana Ny Ratra Navelan'ny Horohorontany Tao Ekoadaoro ny Teatra

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Voina, Zavakanto & Kolontsaina
La Red Cultural Loja agradeció a los asistentes por creer que el teatro es una camino de ayuda a los más afectados del terremoto del pasado 16 de abril. (Foto tomada de la página oficial de la Red Cultural Loja).

Nisaotra ireo mpijery izay mino ny teatra ho fomba iray hanampiana ireo niharam-boina tamin'ny hororontany tamin'ny 16 aprily lasa teo ny Vondrona Ara-Kolontsaina ao Loja .Sary nalaina tao amin'ny pejy facebook ny  Vondrona Ara-Kolontsaina Loja

Manamafy ny firaisankina ny fisian’ny loza indraindray. Tsy ny tany no nohozongozonin'ny horohoron-tany nanana maridrefy 7.8 degre, namely ny firenena Ekoadaoro tamin'ny 16 Aprily 2016 [1]lasa teo,  fa nanamafy ny fifanampiana teo amin'ny mpiray tanindrazana ihany koa izany. Maro no nanampy ireo niharam-boina  ary tsy nahasakana ny fahalaviran-tany.

Ny 09 sy 10 Jolay lasa teo, vondrona mpanao teatra 10 no niaraka nanao fampisehoana hatsikana mba hiverenan’ny tsiky teo amin’ny vahoaka tao amin’ny tananana kely ao Loja [2]( sisintany mifanolotra amin'i Però) . Naharitra adiny roa fara fahakeliny ny hetsika, ary izany no natao mba hanadinoana ny zava-nitranga naterak’ iny horohorontany iny.

Niresaka tamin'ny Global Voices tamin’ ny antsipiriany momba io hetsika teatra io I Erika, iray amin'ireo mpanohana ny hetsika

Aproximadamente 30 personas, entre actores y directores de diferentes colectivos, colaboraron generosamente con sus presentaciones. Tuvimos en los dos días del evento la asistencia de aproximadamente 450 personas, entre ellos niños, quienes tenían la entrada libre.

Teo amin’ny 30 teo ny olona, anisan'izany ny mpilalao sy ny mpitantana ny tropy isan-karazany no niara-nifarimbona tamin’ny fanantanterahana io hetsika nandritra ny 2 andro io, olona 450 no nanatrika, anisan'izany ny ankizy izay niditra maimaim-poana.

Nampiany :

Con mucha alegría recibimos a un gran grupo de niños de un orfanato de la ciudad, quienes por primera vez tuvieron la oportunidad de asistir al teatro. Así también pudimos contribuir a que estos niños accedan al teatro y disfruten el arte, haciéndolos parte y fin de este proyecto.

Tamin'ny fifaliana lehibe no nandraisanay ireo ankizy maro avy amin'ny akany fitaizana kamboty tao an-tanàna, izay sambany vao nijery teatra. Koa dia nataonay izay azo natao handehanan'izy ireo any amin'ny teatra sy hankafy zava-kanto, mampiditra azy ireo sy manao azy ireo ho kinendrin'ity tetikasa ity.

Algunas obras protagonizadas por niños fueron parte de "7.8 Teatro por la vida: obras cortas, grandes sensaciones". El público adulto e infantil las disfrutó. (Foto tomada de la página oficial de la Red Cultural Loja).

Asa mampiseho ireo ankizy izay nandray anjara tamin'ny teatra 7.8 mankany amin'ny fiainana : asa fohy, fihetseham-po lehibe.  Nijery finaritra ireo ankizy sy olon-dehibe.Sary nalaina tao amin'ny pejy facebook ofisialin'ny tambajotra Kolotoraly ao Loja

Ireo vola voaangona mbamin'ireo vola azo avy amin'ny hetsika ara-kolontsaina hafa nataon'ny Tambajotra Ara-Kolontsaina ao Loja [3] dia natao hikarakarana dia mankany amin'ny faritanin'i Manabí manomboka ny 8 ka hatramin'ny 12 Septambra 2016 hanaovana hetsika ara-kolontsaina hampitoniana ireo fientanam-po vokatry ny horohoron-tany. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ny mozika, sary hosodoko, teatra, marionety sy asa soratra. Nikasa ny hanao hosodoko amin’ ny rindrina ihany koa ry zareo hanasongadinana ny hery sy ny fanantenan'i Manabi:

El dinero servirá para financiar el traslado de los voluntarios y los materiales necesarios para el desarrollo de lo planeado. Adicionalmente se está realizando una colecta de libros infantiles para donar a los niños de los sitios afectados.

Natao hikarakarana ny dian'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo fitaovana hanarenanana ny voina ny vola voangaona. Misy ihany koa boky natao fanomezana ho an’ny ankizy nampiarahana tao anatin'ny fanomezana ho an'ny ankizy any amin’ny faritra tratran'ny horohorontany.

Niaiky i Erika fa tia teatra ary nanambara ihany koa izy sy ireo mpikarakara fa traikefa manandanja ho azy ireo ny nanaovana iny hetsika iny nahitana ny zava-mahagaga vitany tamin'ny fampiraisan-kina ny olona:

Todos los que asistieron a “7.8 Teatro por la vida: obras cortas, grandes sensaciones”, sintieron entre risas un momento agradable, y también entendieron la reflexión y compasión. Las personas se conmovieron y compartieron con nosotros los deseos de ayudar a quienes aún necesitan apoyo para empezar una vida luego del terremoto que les arrebató tanto.

Nisitraka sy nihomehy nandritra io fotoana mamy io avokoa ireo rehetra nanatrika ny “Teatra 7.8 mankany amin'ny fiainana : asa fohy , fihetseham-po lehibe”, Saingy takatr'izy ireo ihany koa ny fieritreretana sy ny fiaraha-miory. Tohina ny olona ka nizara taminay ny fanirian’ izy ireo hanome tanana ireo izay mbola mila fanampiana, hanombohana fiainam-baovao indray taorian'ny horohorontany izay namoizan'izy ireo zavatra be dia be.

Nahita vahaolana manoloana ny ratra navelan'ny horohorontany mafy indrindra niseho teo amin'ny tantaran'ny fireneny ny Ekoadaoriana : kanto sy hehy ary firaisan-kina.