Nahazo Ny Medailiny Voalohany i Mozambika, Ary Tamin'ny Lalao Paralaimpika

Final dos 400m feminino - T12. Foto: Edmilsa Governo (usada com permissão)

Famaranana 400m vehivavy – T12. Saripika: Edmilsa Governo (nahazoana alalana)

Nahatontosa zavabita goavana i Edmilsa Governo, atleta vao 18 taona monja, raha tafakatra eo amin'ny zanatohatra fahatelon'ny lampihazon'ny fizarana lokan'ny 400m – T12 tamin'ny 17 septambra farany teo nandritra ny lalao paralaimpikan'i Rio de Janeiro 2016.

Sady tompondakan'i Afrika i Edmilsa Governo no tompondakan'ny fikambanam-pirenena mpiteny paortiogey amin'io sokajy io. Efa nahazo medaily miisa 46 ny atleta ary volamena ny 25 amin'izany.

Alimo no azon'ity atleta ity raha lasan'ilay kiobàna, izay nanamontsana zavabita vaovao, ny volamena, ary ilay Okraniana Oksana Boturchuk kosa no nandrombaka ny volafotsy.

Boturchuk, Oksana,Durand, Omara - Atletismo - Ucrânia, Cuba - 400m rasos feminino - T12 - 400m feminino - T12, final - Estádio Olímpico (Engenhão) 2016 Getty Images - Matthew Stockman

Boturchuk, Oksana (Okraina) sy Durand, Omara (Kiobà, ankavanana.) nandritra ny famaranana 400m sokajy vehivavy – T12. Kianja Olaimpika (Engenhão). Saripika: Rio2016 – Jogos Paralímpicos

Ity atleta tanora ity no Mozambikana voalohany indrindra nahazo medaily teo amin'ny tantaran'ny lalao paralaimpika, roapolo taona taorian'ny alimo (halimo) azon'i Maria de Lurdes Mutola, tamin'ny lalao olaimpikan'i Atlanta, tao Etazonia.

Efa-taona taty aoriana dia lasa tompondaka olaimpika sokajy 800 metatra tao amin'ny lalao olaimpikan'i Sydney, Aostralia i Mutola.

Nankalaza ity fotoana manan-tantara ity ny tambajotra sosialy. Nanambara toy izao i David Nhassego, mpanao gazety ara-panatanjahantena :

Edmilsa Governo é medalha de Bronze no Rio-2016

A atleta moçambicana venceu a medalha de bronze nos Jogos Paralímpicos que decorrem no Rio de Janeiro, Brasil, na corrida dos 400 metros, categoria de T-12. Fixou, ainda, um novo recorde africano nesta prova com o tempo de 53.89 segundos, superando o que ela havia fixado quando garantiu um lugar nesta final, de 54.99 segundos.

O País está de volta às medalhas nas olimpíadas e foi por via da atleta Paralímpica Edmilsa Governo. Aliás, esta é a primeira conquista de Moçambique nos Jogos Paralímpicos. Que se coloque isto nos anais da história.

Nomena ny medaily alimo tamin'ny Rio 2016 i Edmilsa Governo

Nahazo ny medaily alimo tamin'ny lalao paralaimpikan'i Rio de Janeiro, tao Brezila, tamin'ny hazakazaka 400m, sokajy T-12 ilay atleta mozambikana. Nandritra izany fotoana izany ihany koa izy no nametraka zavabitan'i Afrika tsara indrindra vaovao, tao anatin'ny fotoana 53,89 segondra, nanamontsana izay nataony manasa-dalana tamin'ny fotoana 54,99 segondra.

Niverenan'ny gazety O País ireo medaily olaimpika azon'i Edmilsa Governo, ireo voalohany azon'i Mozambika tamin'ny Lalao Paralaimpika. Izay nahafahan'ilay mpanao fanatanjahantena hiditra ao amin'ny Tantara.

Edmilsa Governo com o seu guia Filipe João Chaimite medalha de Bronze dos Jogos Paralímpicos do Rio de Janeiro 2016- Foto: Cedida por Edmilsa Governo

Edmilsa Governo miaraka amin'ny mpitari-dalana azy Filipe João Chaimite tamin'ny nahazoany ny alimo nandritra ny Lalao Paralaimpikan'i Rio de Janeiro 2016- Saripika nomen'i Edmilsa Governo

Nolazain'i Dino Foi ho tsangambaton'ny tantara ho an'ny olona manana fahasembanana, izay mahazo ny fifantohana kely indrindra, no napetrak'ilay atleta mozambikana, manana fahasembanana ara-pahitana :

Ontem uma mãe de uma graduada paraplégica conseguiu me arrancar umas lágrimas na cerimónia de graduação da filha, ao dar todo um cenário do quão foi difícil pôr a filha numa universidade, não pela incapacidade intelectual da filha mas sim por falta de condições para pessoas com deficiência física.

Num país em que quase ou nada existe em termos de condições de acesso para os deficientes, é exactamente uma deficiente que traz uma medalha do Rio 2016!
Dá que pensar!

Nahavita nampandrotsaka ny ranomasoko ny renin'ilay nahao diplaoma nefa maty ambany nandritra ny lanonana fanomezana diplaoma ny zanany vavy. Sarotra ny lalana nodiaviny tao an-tsekoly, tsy noho ny tsy fahampiam-pahaizana fa noho ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa natokana ho an'ireo manana fahasembanana ara-batana.

Ao amin'ny firenena izay tsy misy mihitsy ny fenitra ahafahan'ny olona manana fahasembanana miditra ao amin'ny toerana iray, dia noho ny fahasembanana iray indrindra no nahafahantsika nahazo medaily tao Rio 2016 ! Tena mampanontany tena mihitsy !

Zenaida Machado, mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch ao Mozambika no manoratra toy izao :

Edmilsa Governo levou bronze nos 400metros T12. Primeira medalha de Moçambique nos jogos Paraolímpicos. Well done young lady!

Nahazo ny alimo i Edmilsa Governo tamin'ny 400m T-12. Medaily azon'i Mozambika voalohany tamin'ny Lalao Paralaimpika. Bravo ry mademozely !

Nankalaza ny fandresena tao amin'ny kaontiny Twitter koa i Hernâni da Silva, iray amin'ireo rappers Mozambikana malaza indrindra :

Arahabaina i Edmilsa Governo & ny ekipany tamin'ny fahazoana medaily alimo tamin'ny Paralaimpikan'i Rio 2016.

Tsy navelan'i Basílio Muhate, mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana ao Mozambika handalondalo foana ihany koa izao fotoana izao :

Mampiasa ny anaran'ilay atleta ihany koa ireo mpananihany iresahana politika :

Tsy iza ny mpitantana mitondra ny fahasambarana ho an'ny vahoaka mozambikana fa i Edmilsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.