- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozean'ny Dinôzôro Voalohany Ao Japana, Ao Amin'ny Prefektioran'i Fukui

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Siansa, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
fossilized horseshoe crab

Dian'ny kitron-tsoavaly natao sisa-natolo, Mozean'ny Dinôzôro ao amin'ny Prefektiora Fukui. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Fukui, prefektioran'i Japana [1] tsy fantatry ny mpizaha-tany iraisampirenena indrindra, ahitana ny iray amin'ireo mozean'ny dinôzôro mahatalanjona indrindra ao Japana, mba tsy ilazana hoe manerantany.

Amin'ireo angona karazana dinôzôro 40 [2], mampiraty ireo karazany goavana maro izay mahatonga ny tsanganana Twitter [3] sy Instagram [4] ho mahavalalanina izany.

福井県立恐竜博物館に来た。 [5]

A photo posted by Fujio Kojima (@fujiwo) on

Tonga ato amin'ny Mozean'ny dinôzôro ato amin'ny prefektioran'i Fukui izahay

Naorina teo akaikin'ny tendrombohitra ny Mozean'ny dinôzôro ao amin'ny prefektioran'i Fukui ary natao mitovy amin'ny atodin'ny dinôzôro ny endriny. Mampiseho fampiratiana dinôzôro sy hetsika nomena lohahevitra dinôzôro ny tendrombohitra manontolo.

fukui prefectural dinosaur museum

Mozean'ny dinôzôro ao amin'ny Prefektioran'i Fukui, ao Katsuyama, Fukui. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Nosokafana tao Katsuyama, tanàna ambanivohitra tokony ho 600 kilaometatra atsimo-andrefan'i Tokyo tamin'ny taona 2000 [2] ny tranombakoka. Asongadina ao amin'ny Mozea ny fampiratiana zavatra toy ny tena izy misy anjara avy amin'ny Mozea-Mpitondram-Panjaka Tyrrell [6]any Alberta, Canada.

Mitsena ireo mpitsidika ny mozea i Fukuiraptor [7], dinôzôro joko (mpihinan-kena) teratany avy ao Fukui izay nofariparitana sy nosokajian'i Alan Currie [8] ao amin'ny Mozea Tyrrell amin'ny ampahany.

A photo posted by shinichi_okuno (@oku_sin) [9] on

Hita tao anatin'ny fiforonana ara-jeolojikan'i Kitadani [10] tao avaratr'i Katsuyama ny Fukuiraptor. Iray amin'ireo toerana vitsy ahitana ireo ambina dinôzôro ao Japana ny tendrombohitry ny Prefektioran'i Fukui.

Fukuiraptor kitadaniensis #dinosaur [11]

A photo posted by Sayuri Yamamoto (@s.yamamoto1127) on

Ankoatra ireo santionany avy eo an-toerana, mampiseho fananganana dinôzôro vaovao feno isan-karazany, anisan'izany ny Tyrannosaurus rex ny Mozean'ny Dinôzôro ao amin'ny Prefektioran'i Fukui.

恐竜大好きです [12]

A photo posted by Sigeo Noda (@sakakiaoi06) on

Tiako ny dinôzôro

Old Men. Older Bones. #sonya6000 [13]

A photo posted by Shun Nakamura (@shunnak) on

Misy ihany koa ireo famoronana dinôzôro vaovao maha-ankona, tahaka ity Allosaurus ity, izay azon'ny mpitsidika jerena akaiky.

ぎゃー、がおーー #0914 #0915 #0916 #福井県立恐竜博物館 #PRONTOILBAR #4年生 #北陸 #女子旅 #卒業旅行 [14]

A photo posted by はやしさおり。 (@saoriii_a7) on

Ah! Mampatahotra

A photo posted by Sayuri Yamamoto (@s.yamamoto1127) [15] on

Noravahana fampiratiana dinôzôro mifanaraka amin'ny tena izy, tahaka ity Deinonychus [16] manafika Iguanodon ity ny ao tendrombohitra ao ivelany.

A photo posted by Tatielli Nakagawa (@tatiellinakagawa) on

Vala midadasika ahitana fampiratiana hafa tsy dia mifanaraka amin'ny tena izy loatra ny tendrombohitra eo ambonin'ny mozea ary nahatonga ireo tsanganana lehibe tao amin'ny media sosialy.

吾輩は人である?(笑) #福井県立恐竜博物館 [17]

A photo posted by 草 (@kusa93) on

Dika-Olombelona ve aho [18]?

Sarotra ho an'ny mpizahatany ny ahatongavana ao amin'ny Prefektioran'i Fukui, ary mbola miandry ho ampifandraisin'ny tolotra lalamby haingam-pandeha avy ao Tokyo [19]. Andalovan'ny mpizaha tany mankany amin'ny lapa taloha ao an-tanànan'i Kanazawa [20] ao avaratra amin'ny ankapobeny ny prefektiora ambanivohitra sy mahafinaritra. Nanandratra ny tenany ho toy ny toerana tokan'ny dinôzôro ao Japana ny prefektiora mba hisarihana mpizaha tany, ary mandresy lahatra azy ireo mba hihevitra ny hijanona ao Fukui.

Nivadika ho toeran'ny dinôzôro ny toeram-piantsonan'ny fiaran-dalamby ao Fukui:bfg

Dinosaurs at Fukui Station.

Dinôzôro ao amin'ny Toeram-piantsonana Fukui. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Raha te hijery bebe kokoa ny dinôzôro ao Fukui ianao, araho ny tenirohy #福井県立恐竜博物館 ao amin'ny Twitter [21] sy Instagram [4].