Ny Taratasy Farany Ho An'izao Tontolo Izao Nosoratan'ny Siriana Iray Mpakasary

Sarin'i Shamel Al-Ahmed nozaraina be tamin'ny media sosialy taorian'ny nahafatesany. Loharano: Pejy Facebook ‘Humans of Aleppo’.
“Tsy ho vita ny hilalao ny fiainan'ireo zanako roa amin'ity zava-mahafaty ity, izy ireo no hany fananako eto an-tany,” hoy i Shamel Al Ahmad, notanisain'ny pejy ‘Humans of Aleppo‘.
Siriana mpakasary fantadaza i Shamel, mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo izay nanapaka hevitra hijanona tao Aleppo sy hampiasa ny talentany amin'ny tolona iatrehana ny fitondràn'i Assad sy ny ISIS.
Itsy manaraka itsy ny taratasy farany nosoratan'i Shamel ho an'izao tontolo izao. Nozaraina tao amin'ny pejin'ny “Humans of Aleppo” sy hatrany anaty media sosialy marobe izy io.Maty niaraka tamin'ny vadiny ny 2 Septambra 2016 teo i Shamel. Fanafihana an'habakabaka no nahafaty azy, iray tamin'ireo fanafihana marobe nataon'ny fitondràn'i Assad sy ny governemanta Rosiana tao Aleppo.
Namela an'i Tala, zazavavy kely roa herinandro, ho kamboty izy mivady, ary ireo roa mpiray tampo aminy, roa sy dimy taona. Tsy mazava raha toa i Shamel ka efa nahafantatra ny nahaterahan'i Tala talohan'ny nahafatesany.
Shamel Al-Ahmad no anarako. 35 taona, manambady ary niteraka roa.
Niova ny fiainako teo am-pahitàna lahatsary iray ahitàna ny tafi-panjakana Siriana eo ampanaovana tsinontsinona ny vahoakako ary manitsaka an-tampon-doha azy ireo ao Bayda, Banias.
Ny Jolay 2012, niditra an'i Aleppo tanànako ireo mpiady malalaka. Lasa tsy afaka an-dohako ny hevitra hoe mety ho voasambotra na hofonjain'ny tafi-panjakàna. Tsy teo ambany fifehezan'ny fitondràna izahay, ary tsy nila intsony nanafina ny momba ahy aho.
Tapitra teo ny ahiahy sao mety hovoafonja, saingy lasa kianja malalaka ho an'ny fitondràna ilay tanànako mba hanaovany lasibatra ireo mpifanandrina aminy. Fitaovampiadiana mavesatra, fiaramanidina mpiady, baomban-tsolika ary hatramin'ny bala afomanga scud. Niainanay ireo karazana fitaovampiadiana mahafaty rehetra izay noraketiko tamin'ny fakantsariko. Noheveriko hilaza ny tantara sy hanosika ny fianakaviambe iraisampirenena mba hihetsika ireny sary ireny, na farafahakeliny hanampy ny olontsotra, saingy taoriana kely dia tsapako fa tsy misy azo antenaina izany.

Iray amin'ireo sary farany nakarin'i Shamel tao amin'ny pejiny Facebook. Nitondra ny daty 6 Aogositra 2016. Loharano. Facebook.
Naka ny ampahany maro tamin'ny fireneko ny ISIS. Avy hatrany dia fantatro fa tsy hisy farany ny adinay hisian'ny fahalalahana, ary tsy i Assad irery no olanay.
Nanjohy ny tarika “mpanome aina” aho, miasa amin'ny fampivoarana sosialy sy fampilonana azy ireo amin'ny zavamisy vaovao iainany, dia ny ady izany.
Indraindray aho no kivy sy diso fanantenana, ary indraindray very fanantenana. Nandany fotoana niaraka tamin'ny namako sy ireo rahalahiko amin'ny revolisiona aho, izay fanantenako sy loharanon'ny tanjako, handreseko ny hakiviako.
Volana maro tany aloha, nisy olona niteny tamiko mba hiondrana an-tsambo iray ho any Eoropa. Niresaka momba azy io aho, imbetsaka, ary efa saiky nanaiky mihitsy, saingy nandà nony farany…
I Siria no fireneko sy adiko. Kanefa, tsy ho vita ny hilalao ny fiainan'ireo zanako roa amin'ity zava-mahafaty ity, izy ireo no hany fananako eto an-tany.
Lasa nankany Alemaina ilay namako tamin'ny faramparan'ny 2015. Toa faly izy. Isankerinandro dia miresaka amin'ny Skype izahay ary tsy mitsahatra ny mankahery ahy izy hanaraka ny diany. Fa nitohy nandà hatrany aho.

Iray amin'ireo sary farany nakarin'i Shamel ahitàna azy sy ireo namany nankalaza ny famakiana ny fahirano nanjo an'i Aleppo. Nitondra ny daty 6 Aogositra 2016. Loharano: Facebook.
Na eo aza ny antony rehetra, izay mitombo isanandro isanandro ary manosika ahy handositra, izaho dia karazan'irony olona tsy afaka miaina lavitry ny arabeny irony. Ampahany amin'ny fiainako i Aleppo, tsy vitako ny hamela azy ho irery. Nahatsiaro nalahelo aho hoe miatrika izao zavadoza izao i Aleppo, saingy mbola afaka mifoka ny fahalalahany kosa aho.
Nalahelo ireo namana nafoiko sy mbola hafoiko aho, indrindra fa ireo izay akaiky sy rahalahy amin'ny revolisiona. Maro amin'izy ireo no very fanantenana ary tsy afaka ny hanohy. Tsy omeko tsiny ry zareo, saingy mahatsiaro malahelo aho tsy mahita azy ireny manodidina ahy.
Tsy manohitra ireo izay nanapaka hevitra ny handositra aho, na nangataka fialokalofana, satria maro tamin'izy ireny no voatery nanao izany. Fa toheriko fotsiny ny fiheverana hoe mankany mba ho afaka miaina tsara tsy miasa na manana tanjona, tsy mikatsaka ny hanompo ny tanindrazana. Tsy tiako ry zareo ho lasa vesatra ho an'ireo vondrom-piarahamonina mandray azy.
Farany, tsy mora intsony ny mijanona eto Siria, satria tsy misy intsony, na iza na iza, mahafantatra izay hiafaràn'ny tantara sarotra iainan'izy ireo, saingy mbola misy ny fanantenana hanohizana ny tolona.

Fandevenana an'i Shamel, 3 Septambra 2016. Nozarain'i Mousa Al Omar tao amin'ny Twitter.
An-jatony maro ireo olona nanatrika ny diabe ho fahatsiarovana ny fiainan'i Shamel tao Aleppo tamin'izay andro izay.
Ito i Tala, zanaka vavikelin'i Shamel.

Tala Al-Ahmad. Loharano: pejy Facebook ‘Humans of Aleppo’
Mousa Al Omar, Siriana mpanao gazety ihany koa dia nizara ho an'ireo 350.000 mahery mpanaraka azy ny saripika iray ahitàna ireo zaza roa hafa zanak'i Shamel.
الشهيد الإعلامي البطل شامل الأحمد والذي سبقته زوجته قبل ٤ أيام للشهادة وكلاهما بقصف إرهاب الروسي الذي يتّم أطفالهم.. pic.twitter.com/NUfHAdDpsC
— موسى العمر (@MousaAlomar) 3 September 2016
Ilay maritiora mpanao gazety sady maherifo, Shamel Al Ahmad, izay vao avy namoy ny vadiny efatra andro talohan'ny nahafatesany niaraka tamin'ireo maritiora noho ny asa fampihorohoroan'ny Rosiana, namela ireo zanany ho kamboty.
Marobe ireo nahatsiaro tamin'ny fombany manokana an'i Shamel tao amin'ny aterineto. Ny sary manaraka dia nozaraina be sy mampiseho an'i Shamel teo anoloan'ny sainan'ny revolisiona.

Fanomezam-boninahitra an'i Shamel Al-Ahmad, nozaraina betsaka. Ato ny loharano. Mivaky toy izao ireo soratra
شامل الأحمد: باسم الثغر والمحيا وحكاية ثورة بحالها
Shamel Al-Ahmad: Ny tantaran'ilay fo nofo, olom-baventy…ary revolisiona iray manontolo.
Ny Fantsona faha- 4 Britanika dia nametraka ny taratasy farany nosoratan'i Shamel ho anaty lahatsary amin'ity fanomezam-boninahitra ity:
Ny 4 Septambra 2016, nanoratra fanomezam-boninahitra iray nahavaky fo ho an'i Shamel ilay Italiana bilaogera, ‘NewsBandite’ , lahatsoratra iray nomeny lohateny hoe ‘Shamel Al-Ahmed, maherifo iray tao Aleppo‘.
Izao no fanombohany:
È successo poco più di due settimane fa. Siamo in una delle zone di Aleppo martoriate dall'alleanza terroristica Assad-Putin. Shamel è in casa con la moglie. Una bomba, una delle solite e tante sganciate senza badare a spese, e l’abitazione prende fuoco. Feriti, i due vengono accompagnati in uno degli ospedali che il regime non ha ancora distrutto. Lei entra in coma. Pochi giorni dopo dà alla luce il bambino che portava in grembo e muore. Stremato e ignaro della morte dell'amata, Shamel ci abbandona venerdì scorso. La coppia lascia tre figli orfani in un mondo in rovina, sotto le rovine. Il ricordo del sorriso di quel ragazzo alto e robusto che tante volte aveva dato speranza e fiducia agli amici e alla gente del posto gli sopravvive…
Vao roa herinandro mahery kely monja izay no nitrangan'ity. Aty amin'ny faritra iray isan'ireo tena sahirana amin'ny ataon'ireo mpampihorohoro mpiaradia amin'i Assad sy Poutine izahay. Ao an-trano miaraka amin'ny vadiny i Shamel. Baomba iray, iray amin'ireo marobe nalatsaka tsy nisy firaharahiana, no nandrehitra ny trano. Naratra, nentina tany amin'ireo toeram-pitsaboana tsy mbola ravan'ny fitondràna izy mivady. Tsy mahatsiaro tena Ramatoa. Andro vitsy taorian'izay, niteraka ny zanany izy ary avy eo namoy ny ainy. Reraka be, ary tsy nahalàla ny fahafatesan'ilay tsy foiny, nodimandry ny Zoma 9 Septambra i Shamel. Namela ankizy telo ho kamboty izy mivady, kamboty anaty tontolom-paharavàna, ambany fatin-korontana. Tsaroana etoana ilay lehilahy ranjanana sy ny tsikin'ilay tanora matanjaka, izay im-.betsaka nanome fanantenana sy finoana ho an'ireo namany ary ny vahoaka izay mitolona ho velona ao…
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...