
Ankizy eny an-dalambe milalao ao Ahmedabad. Sary avy amin'i Sandeep Chetan tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-ND 2.0
Ny gazety iray ao Delhi izay soratana sy avoakan'ny ankizy eny an-dalambe dia milaza ny tantara amin'ny feon'izy ireo ary mitolona ho amin'ny zon'izy ireo nandritra ny folo taona mahery hatramin'izao.
Nahazo laza lehibe nandritra ny taona maro ilay gazety antsoina hoe Balaknama, midika hoe ‘Feon'ny Ankizy’ amin'ny teny Hindi noho izy milaza zavatra marina amin'ny feo henjana.
Niparitaka nanomboka tamin'ny 2003, maharakotra tanàna fito ary lasa anisan'ny fiainan'ireo ankizy an'aliny eny an-dalambe ity gazety mpanandram-peo ahitana pejy valo ity.
#Balaknama: an 8 page quarterly newspaper BY children, FOR children living and working on the streets @k_satyarthi https://t.co/TRQBGp5NSN
— Meena (@mgrg7) December 29, 2015
#Balaknama: gazety mpivoaka isaky ny telo volana ahitana pejy 8 AVY amin'ny ankizy, HO AN'NY ankizy monina sy miasa eny an-dalambe
Balaknama has not only made the street children independent & aware of their rights. its a tabloid run by street children. @MadisonMondell
— subhi madan (@subhi_madan) July 25, 2016
Tsy vitan'ny hoe nahatonga ny ankizy eny an-dalambe ho mahaleotena & mahafantatra ny zon'izy ireo ny Balaknama, fa gazety malaza tantanin'ny ankizy eny an-dalambe ihany koa.
Renao Eny An-dalana izany
Tsy zava-baovao ny lohahevitra raketin'ny Balaknama, saingy resahana amin'ny zoro hafa. Tantaraina amin'ny fomba fijerin'ireo niharam-boina teo amin'ny fiainana ny olana tahaka ny fanararaotana ara-nofo, ny fampiasana ankizy sy ny herisetran'ny polisy.
Milaza tantara momba ny fanantenana amin'ireo zavatra tsara mitranga eny an-dalana ihany koa ireo tanora tsy manan-kialofana.
Avy amin'ny sehatra samihafa ireo ankizy miasa ho an'ity gazety malaza ity. Manasa fiara mandritra ny tontolo andro mba hivelomana ohatra ny tonian-dahatsoratra, Shambhu, 17 taona.
Ho an'ny ankizy tahaka azy, fomba iray hilazana amin'ny olona momba ny olana atrehin'izy ireo eo amin'ny fiainana andavanandro ny Balaknama.
Hatramin'ny nitsanganany, natontan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin'ny Fampandrosoana ny Ankizy Amin'ny Alalan'ny Fampiofanana sy ny Asa (CHETNA) sy ny Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Fanjakana miara-miasa amin'ny ankizy sy ny ankizy terena hiasa noho ny toe-javatra ianan'izy ireo ny Balaknama.
Fikambanana mpanao asa soa ho an'ny vahoaka ny Chetna izay naorina tamin'ny 2002, raha nanampy namorona ny federasionan'ny ankizy eny an-dalambe antsoina hoe Badhte Kadam (Mandroso ny Dia) izy.
Nikarakara atrikasa ho an'ny ankizy eny an-dalambe sy ny ankizy miasa ny CHETNA ny taona manaraka ka nahita ireo mpandray anjara [ankizy] tamin'izany fa samy niaritra fanararaotana sy tsy firaharahiana izy ireo, saingy tsy mba afaka naneho hevitra mba hanamafisam-peo ny olan'izy ireo.
Noho izany, naroso ny fanontaniana: “Afaka manana ny gazetintsika manokana ve isika?”.
Nanoratra ny fomba niarahan'ny gazety tamin'ny ankizy eny an-dalambe miasa eo amin'ny famoahana tantara ilay mpanao gazety Bipasha Mukherjea:
Together they work on stories that only a child living on street can find and report. The newspaper binds them and supports them.
Nearly all children involved in Balaknama are students of National open school centres run by Chetna.
Miara-miasa amin'ny famoahana tantara izy ireo ka ny ankizy monina eny an-dalambe ihany no afaka mahita sy mitatitra. Miaraka amin'izy ireo sy manohana azy ireo ny gazety.
Mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena misokatra [ho an'ny rehetra] tantanin'ny Chetna ny ankamaroan'ireo ankizy mandray anjara amin'ny Balaknama.
#balaknana team in action. New issue of Balaknama news paper in making. RT@chetnango pic.twitter.com/0KHXZyoLps
— CHETNA NGO (@chetnango) July 24, 2016
Ekipan'ny #balaknana am-perinasa. Eo am-panatontosàna ny lohahevitra vaovao ny gazety Balaknama.
Mitady Feo Avoaka
Araka ny tombatomban'ny governemanta Indiana, 400.000 no isan'ireo ankizin'ny lalambe ao India, ary ankizy eny an-dalambe 314.700 no miparitaka manerana ny tanàna tahaka an'i Bombay, Calcutta, Madras, Kanpur, Bangalore sy Hyderabad, ary ,ankizy eny an-dalambe manodidina ny 100.000 no ao Delhi fotsiny.
Na izany aza, mahita ireo tarehimarika ireo ho tena nentin-drazana loatra ny ankamaroan'ny manam-pahaizana.
Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny ankamaroan'ireo ankizy izay lazaina ao amin'ny Balaknama ny tantarany. Ny namana sy ny mpiara-miasa amin'izy ireo no manoratra ny tantaran'izy ireo amin'ny anaran'izy ireo ho an'ny gazety.
Noho ny tsy fahafahan'izy ireo miditra amin'ny aterineto na ny fax, mampita ny tantaran'izy ireo amin'ny mpiara-miasa ao amin'ny birao ao Delhi amin'ny alalan'ny telefaonina ny ankamaroan'ireo mpanangom-baovao.
Misy ny fivoriana momba ny famoaham-baovao fanao indroa isam-bolana mba hiresahana izay tantara havoaka.
Manome fanampim-baovao bebe kokoa momba ny Balaknama ao amin'ny bilaoginy i Arijit Bose:
Each paper is priced at a token 2 rupees and over 8,000 copies, most of them in Hindi, are published every month. The paper makes no profit and is entirely NGO-funded.
Amidy amin'ny vidiny 2 ropia ny gazety ary 8000 mahery no atonta amin'izany, amin'ny teny Hindi ny ankamaroan'izy ireo, ary avoaka isam-bolana. Tsy maka tombombarotra ny gazety ary vatsian'ny fikambanana tsy miankina feno.
Kilasy faha-10 ny tonian-dahatsoratry ny gazety teo aloha Chandni, raha nandray fitenenana tamin'ny hetsika TEDx tao Bangalore tamin'ny herintaona.
Nahazo tehaka sy fitsanganana izy taorian'ny lahateniny naharitra 18 minitra mikasika ny fomba namolavolan'ny gazety ny fiainany.

Chandni miresaka momba ny #asafanaovan-gazety tsy mahazatra. Tantara manomboka amin'ny naha-ankizy niasa hatramin'ny naha lasa mpanao gazety mahomby tao amin'ny #balaknama azy nandritra ny #tedxbangalore 2015 (tsindrio ny lahatsary raha hijery)
RegalUnlimited nandika ny ampahany sasany tamin'ny lahatenin'i Chandni:
‘Do media think what a child thinks? Do you know what children want? Do you ever consider these questions? They want our empathy, not sympathy…’
‘Mba mieritreritra izay eritreretin'ny ankizy ve ny haino aman-jery? Fantatrao ve ny fanirian'ny ankizy? Efa mba nandinika ireo fanontaniana ireo ve ianao? Ny fahatsapana ny fihetsem-pony no tadiavin'izy ireo fa tsy fankaherezana… ‘
This is our workplace @balaknama1. Our journey not that easy. It took us 13 years to establish Balaknama newspaper pic.twitter.com/mUXybmP7ts
— balaknama (@balaknama1) September 14, 2016
Ity no toeram-piasanay @balaknama1. Tsy mora ny tontolo andronay. Naharitra 13 taona no nametrahanay ny gazety Balaknama
Mpanangona fako na manao asa hafahafa eny amin'ny toerana fisotroana kafe eny amoron-dalana ny ankamaroanireo ankizy milaza ny tantarany ao amin'ny Balaknama
Nitsidika azy ireo eny amin'ny toeram-piasana ny gazety mba hihaino sy hanangona ny tantaran'izy ireo.
RT MinistryWCD: #Balaknama, set up in 2003, is a monthly newspaper run by street children.… pic.twitter.com/OrlYdVp4UX pic.twitter.com/fTbuW1LTJc
— Swapnil Pathre (@iSwapnilpathre) May 9, 2016
RT Minisiteran'ny Fampandrosoana ny vehivavy sy ny ankiey: #Balaknama, izay tafatsangana tamin'ny taona 2003, dia gazety mpivoaka isam-bolana tantanin'ny ankizy eny an-dalambe.…
Raha liana te hahafantatra bebe kokoa ianao, ao amin'ny YouTube ny tantaran'ny Balaknama, ao anaty lahatsary navoakan'i Bipasha Mukherjea: