Nandefa Fanangonan-tsonia An-tserasera Manohitra Ny Lalànam-panjakana Ao Malacca Mandràra Ny Alika Eny An-davarangana Ireo Maleziana Mpitia Biby

The Malacca Society for the Prevention of Cruelty to Animals (SPCA) said the law is forcing many owners to give up their dogs. Photo from the Facebook page of SPCA

Nilaza ny Fiarahamonina Malacca Misoroka Ny Fampijaliana Ny Biby (SPCA) fa manery olona maro hanary ny alikany ny lalàna. Sary avy amin'ny pejy Facebook SPCA

Nangataka ny governemantan'i Malacca ny fanangonan-tsonia an-tserasera mba hanaisotra ny lalàna izay mandrara ireo alika tsy ho eny amin'ny lavarangana  .

Efa nahaangona sonia mihoatra ny 27.000 ny fanangonan-tsonia  izay nanomboka tamin'ny 14 Septambra.

Fanjakana any amin'ny faritra atsimon'i Malayzia i Malacca .

Nanambara ny lehiben'ny minisitra Malacca raha namaly ny antson'ny tompon'alika fa afaka mitana
ny alika ny tompony raha mbola eo am-pandrafetana fepetra vaovao ny governemanta ao an-toerana  zay ho eken'ny olona rehetra voakasik'izany .

Nanomboka ny fanangonan-tsonia i Carol N  tao amin'ny Change.org . Notsikerainy ny fanapahan-kevitry ny
Komitin'ny Tontolo Iainana, ny Fampialofam-Panjakana ary ny Governemanta ao an-toerana tamin'ny fandràrana ny alika tsy ho eny an-davarangana, raha tsy hoe angaha amin'ny zorontrano, taorian'ny fitarainan'ny mponina sasany noho ny alika mitabataba sy ny alika mirenireny ao amin'ny fiarahamonina .

This blanket ruling will result in most dog owners being forced to give up their dogs, most of which will end up in overcrowded shelters, abandoned to become strays, or at the local council dog pounds where they will be put to sleep or die slowly of diseases due to the pathetically unclean state of Malaysian local council dog pounds.

Hahatonga ny ankamaroan'ny olona voatery hanary ny alikany ny fanapahan-kevitra, ary hiafara any amin'ny toeram-pialofana efa feno hipoka, ho very sy hirenireny ny ankamaroan'ireo alika, na ho alain'ny mpitsimpona alika ao an-toerana ary hampatoriana ao amin'ny tobin'alika Maleziana ho faty tsikelikely noho ny aretina vokatry ny loto mampahonena ao amin'ilay toerana   .

Nandrisika ny manampahefana i Carol N hifantoka amin'ireo tompon'alika vitsivitsy tsy mandray andraikitra fa tsy hoe hosaziana avokoa ireo maro an'isa:

Take action only [against] dog owners who do not comply through fines or means other than forcing them to give up the dogs, which should be the last resort unless the dog owner is found to be abusing the dog.

Raiso ny fanapaha-kevitra [manoloana] ireo tompon'alika izay tsy manaiky handoa ny lamandy, na fomba hafa manery azy ireo handefa ny alikany, izay mety ho ala nenina farany raha tsy hoe mampijaly ireo alika ny tompony .

Naneho ny ahiahiny ihany koa i Carol N raha toa ka afaka mampihatra ny lalàna mandràra ny alika tsy ho eny an-davarangana [= maritampona solon-tafo ambonin'ny trano] ny governemanta ao an-toerana:

If your local councils lack the resources to take action only [against] the few errant dog owners that allow their dogs to create disturbances, then how will they enforce this ruling on an entire state of dog owners, most of whom do not wish to comply with your cruel demands to give up their furry family members?

Raha tsy manana ny fanapaha-kevitra handray fepetra [ho an'ireo] tompon'alika vitsy izay mamela ny alikany hirenireny ny vaomiera ao an-toerana ka mahatonga ireo alika hanakorontana, dia ahoana ary ny fomba hampiharany ny lalàna amin'ny tompon'alika rehetra, izay tsy maniry ny hanaraka ny fangatahana mampalahelo ataonareo amin'ny tsy maintsy hanariana ny biby zary toy ny anisan'ny fianakaviana ?

Tohanan'ny vondrona mpiaro ny zon'ny biby maro ny hafatry ny fanangonan-tsonia toy Ny Fiarahamonina Malacca Misoroka Ny Fampijaliana Ny Biby, ny Fikambanana Penang Mpiaro Biby, ny (Fikambanana) Mendrika ny Tsaratsara kokoa ny Alika Malayziana, ary ny Furry Friends Farm.

Araka ny lazain'ireo ireo nanao sonia, efa manana ny politika hentitra indrindra amin'ny fiompina alika i Malayzia satria tsy mahazo miditra any amin'ny trano fonenana [avo tsanganana] mihaja ny alika.

Nanazava ny fanjakana Malacca, etsy andaniny, fa  efa nanankery nanomboka tamin'ny 2013 ny lalàna mandràra ny alika. Ary nampanantena izy ireo ny hijery ny fitarainan'ireo mponina sasany sy ny antson'ny tompon'alika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.