- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Ataon'ny Zimbaboeana Fihomehezana Hatrany Ilay Sarivongan'ny Filoha Mugabe ‘Ratsy Tarehy’

Sokajy: Afrika Mainty, Zimbaboe, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina
Zimbabwean President Robert Mugabe, First Lady Grace Mugabe and sculptor Dominic standing next to the statue. The image has been shared widely on Twitter. This one was shared by ‏@Quables. [1]

Ny Filoha Zimbaboeana Robert Mugabe, ny vadin'ny filoha Grace Mugabe sy ny mpanao sary sokitra Dominic Benhura mijoro eo akaikin'ny sary vongana. Maro no nizara ny sary tao amin'ny Twitter. Nozarain'i ‏@Quables ity iray ity.

Maneso an-tserasera [2] ny sarivongana vaovaon'ny Filoha Robert Mugabe ao Zimbaboe izay nataon'ny mpanao sary sokitra malaza Zimbaboeana Dominic Benhura [3] ireo Zimbaboeana .

Niatrika fihetsiketsehana an-dalambe [4] sy fanentanana manohitra ny governemanta maharitra tao amin'ny media sosialy [5] izay nataon'ireo olom-pirenena kivy noho ny kolikoly, ny tsy fisian'ny asa sy ny krizin'ny [tsy fisian'ny] ravimbola ilay filoha 92 taona.  Hita ho fihitaran'ny fanoherana tao amin'ny aterineto noho ny mbola fijanonany eo amin'ny fitondrana ny fanesoesoana ny sarivongana- efa 30 taona izao no naha-filoha azy .

Namisavisa ny hoavin'ny sarivongana i Lance Guma rehefa mianjera eo amin'ny fitondrana i Mugabe:

Tsara ny nanaovan'i Dominic #Benhura [6] ny sarivongana an'i #Mugabe [7] ho ratsy tarehy. Ho faly amin'ny famotehana izany ireo olom-pirenena rehefa mianjera eo amin'ny fitondrana izy. pic.twitter.com/vQswJS5cH8 [8]

Nanolo-kevitra ilay mpisera Twitter Asura fa mila sarivongana tsara kokoa ilay mpanao didy jadona :

Tena marina moa ry Mugabe, raha ho mpanao didy jadona ianao dia takio fotsiny ny sarivongana tsara indrindra mba hisehosehoanao amin'ny fananana voninahitra lehibe #MugabeStatue [10] pic.twitter.com/g4giqhakh3 [11]

Mety ho ataon'ny olom-pirenena tsy Zimbaboeana ny sarivongana manaraka, hoy i @ali_naka :

Tsy matoky an'ny dokotera ZIM i Mugabe , tsy hatoky intsony ireo ZIM mpanao sary sokitra izy rehefa avy noesoesoina toy izao #MugabeStatue [10]

Fantatra amin'ny fandehanana any amin'ny firenena Aziatika hitsabo tena i Mugabe.

Nampitaha ny sarivongana tamin'ny iray amin'ireo mpandray anjara mampihomehy avy amin'ny sarimiaina Amerikana The Simpsons [14] ny mpisera iray hafa:

Nataon'ny olona mitovy amin'ny mpilalao ao amin'ny  Simpsons i Mugabe 😂😂😂😂#mugabestatue [15] pic.twitter.com/oMEIhnq6OS [16]

Nivazivazy ny sarivongana ho “sokitra fampihorohoroana” i African :

Tsy-Afrikana io sarivongana io – Tratran'ny Mpanao sary sokitra Mpampihorohoro i Mugabe
pic.twitter.com/OEbEkiUr9y [18]

Namazivazy i @chimurengamusic:

Milaza amintsika ny tantaran'ny sarivongan'i Mugabe fa nandamòka ny faniriany mafy ho tonga olo-mahery fo hiankohofana. Faly izy isaky ny misy marika fiderana azy. Jereo ankehitriny

Nahagaga hoy i Mduduzio ny nanekena ny sarivongana :

Omentsika ‘ezaka’ ny ezaka rehetra, kanefa ny sarivongan'ny Filoha Mugabe nataon'i Benhura tena
ratsy tarehy ary fahagagana ny nanekena azy

Matin'ny fanesoana ilay mpanao sary sokitra, Dominic;

Alefa sesitany tsy ho ela ny olona izay nanao ny #Sarivongan'iMugabe

Angamba any amin'ny fonjan'ny Chikurubi ilay bandy mahantra amin'izao fotoana izao #MugabeStatue [10] pic.twitter.com/UPk8BgUlDH [23]

Chikurubi no fonja tsara fiarovana indrindra ao Harare.

Tsy afa-bela ihany koa ny vadin'ny filoha Grace Mugabe:

Tsy manan-kevitra aho. Angamba mety nanao ny famoronana izany i Grace . Nampitovy izany tamin'ny fomba fiakanjony 😂😂

Toa natoro ivoho tamin'ny fiakanjo ny vadin'ny filoha:

Rehefa hitanao ratsy tarehy ny sary sokitra  dia ataonao miakanjo ratsy kokoa ny vadinao mba
hanakorontanana ny mpankahala😎 yolo

Ary ahoana ny momba ireo peratra isaky ny rantsan-tànany?

Nasehoko ny anabaviko ny sarivongan'i Mugabe ary ny zavatra tsikaritr'ireo voalohany dia nitondra peratra 10 ilay ramatoa.

Eto amin'ity sary ity [31],  toa manao peratra amin'ny rantsan-tanany 10 ny vadin'ny filoha.

Niaro ny mpanao sary sokitra Dominic Benhura, na izany aza, i  Kgopolo Phil Mphela :