Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mbola Ataon'ny Zimbaboeana Fihomehezana Hatrany Ilay Sarivongan'ny Filoha Mugabe ‘Ratsy Tarehy’

Zimbabwean President Robert Mugabe, First Lady Grace Mugabe and sculptor Dominic standing next to the statue. The image has been shared widely on Twitter. This one was shared by ‏@Quables.

Ny Filoha Zimbaboeana Robert Mugabe, ny vadin'ny filoha Grace Mugabe sy ny mpanao sary sokitra Dominic Benhura mijoro eo akaikin'ny sary vongana. Maro no nizara ny sary tao amin'ny Twitter. Nozarain'i ‏@Quables ity iray ity.

Maneso an-tserasera ny sarivongana vaovaon'ny Filoha Robert Mugabe ao Zimbaboe izay nataon'ny mpanao sary sokitra malaza Zimbaboeana Dominic Benhura ireo Zimbaboeana .

Niatrika fihetsiketsehana an-dalambe sy fanentanana manohitra ny governemanta maharitra tao amin'ny media sosialy izay nataon'ireo olom-pirenena kivy noho ny kolikoly, ny tsy fisian'ny asa sy ny krizin'ny [tsy fisian'ny] ravimbola ilay filoha 92 taona.  Hita ho fihitaran'ny fanoherana tao amin'ny aterineto noho ny mbola fijanonany eo amin'ny fitondrana ny fanesoesoana ny sarivongana- efa 30 taona izao no naha-filoha azy .

Namisavisa ny hoavin'ny sarivongana i Lance Guma rehefa mianjera eo amin'ny fitondrana i Mugabe:

Tsara ny nanaovan'i Dominic #Benhura ny sarivongana an'i #Mugabe ho ratsy tarehy. Ho faly amin'ny famotehana izany ireo olom-pirenena rehefa mianjera eo amin'ny fitondrana izy. pic.twitter.com/vQswJS5cH8

Nanolo-kevitra ilay mpisera Twitter Asura fa mila sarivongana tsara kokoa ilay mpanao didy jadona :

Tena marina moa ry Mugabe, raha ho mpanao didy jadona ianao dia takio fotsiny ny sarivongana tsara indrindra mba hisehosehoanao amin'ny fananana voninahitra lehibe #MugabeStatue pic.twitter.com/g4giqhakh3

Mety ho ataon'ny olom-pirenena tsy Zimbaboeana ny sarivongana manaraka, hoy i @ali_naka :

Tsy matoky an'ny dokotera ZIM i Mugabe , tsy hatoky intsony ireo ZIM mpanao sary sokitra izy rehefa avy noesoesoina toy izao #MugabeStatue

Fantatra amin'ny fandehanana any amin'ny firenena Aziatika hitsabo tena i Mugabe.

Nampitaha ny sarivongana tamin'ny iray amin'ireo mpandray anjara mampihomehy avy amin'ny sarimiaina Amerikana The Simpsons ny mpisera iray hafa:

Nataon'ny olona mitovy amin'ny mpilalao ao amin'ny  Simpsons i Mugabe 😂😂😂😂#mugabestatue pic.twitter.com/oMEIhnq6OS

Nivazivazy ny sarivongana ho “sokitra fampihorohoroana” i African :

Tsy-Afrikana io sarivongana io – Tratran'ny Mpanao sary sokitra Mpampihorohoro i Mugabe
pic.twitter.com/OEbEkiUr9y

Namazivazy i @chimurengamusic:

Milaza amintsika ny tantaran'ny sarivongan'i Mugabe fa nandamòka ny faniriany mafy ho tonga olo-mahery fo hiankohofana. Faly izy isaky ny misy marika fiderana azy. Jereo ankehitriny

Nahagaga hoy i Mduduzio ny nanekena ny sarivongana :

Omentsika ‘ezaka’ ny ezaka rehetra, kanefa ny sarivongan'ny Filoha Mugabe nataon'i Benhura tena
ratsy tarehy ary fahagagana ny nanekena azy

Matin'ny fanesoana ilay mpanao sary sokitra, Dominic;

Alefa sesitany tsy ho ela ny olona izay nanao ny #Sarivongan'iMugabe

Angamba any amin'ny fonjan'ny Chikurubi ilay bandy mahantra amin'izao fotoana izao #MugabeStatue pic.twitter.com/UPk8BgUlDH

Chikurubi no fonja tsara fiarovana indrindra ao Harare.

Tsy afa-bela ihany koa ny vadin'ny filoha Grace Mugabe:

Tsy manan-kevitra aho. Angamba mety nanao ny famoronana izany i Grace . Nampitovy izany tamin'ny fomba fiakanjony 😂😂

Toa natoro ivoho tamin'ny fiakanjo ny vadin'ny filoha:

Rehefa hitanao ratsy tarehy ny sary sokitra  dia ataonao miakanjo ratsy kokoa ny vadinao mba
hanakorontanana ny mpankahala😎 yolo

Ary ahoana ny momba ireo peratra isaky ny rantsan-tànany?

Nasehoko ny anabaviko ny sarivongan'i Mugabe ary ny zavatra tsikaritr'ireo voalohany dia nitondra peratra 10 ilay ramatoa.

Eto amin'ity sary ity,  toa manao peratra amin'ny rantsan-tanany 10 ny vadin'ny filoha.

Niaro ny mpanao sary sokitra Dominic Benhura, na izany aza, i  Kgopolo Phil Mphela :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.