
Yane Marques, atleta petathlon maoderina, no nitarika ny delegasiona Breziliana, iray mpandray anjara farany amin'ny matso. Sarin’ i Cameron Spencer (nahazoana alalana Rio2016.Com)
Tamin'ny andro fahatelo ny Lalao Olaimpika natao tao amin'ny kianjan'i Maracana tamin'ny famoahana ny lahatsoratra [teny portiogey], raha mbola tsy misy ny holazaina amin'ny medaily azon'ny firenena mpiteny portiogey, dia nahazo dera tamin'ireo nanaraka ny lanonana tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ny akanjon'ireo mpanao fanatanjahan-tena Mozambikana sy ny Angoley izay nisongadina mitaha amin'ireo firenen-kafa.
They should have a link to buy the Mozambique outfits. #OpeningCeremony pic.twitter.com/iQ1OjyVb6i
— Ben Greenman (@bengreenman) 6 de agosto de 2016
Tokony manana rohy ahafahana mividy ireo akanjo nanaovan'i Mozambika ry zareo
Narafitry ny tranonkalan-tserasera Someecards filaharan'ny delegasionina tsara fitafiana indrindra. Tamin'ireo 20 voafantina, nitana ny laharana fahadimy i Angola , laharana faha-15 kosa i Mozambika.
Ho an'i Boa Monjane, mpikaroka Mozambikana ao amin'ny Foibe Fianarana Ara-tsosialy ao amin'ny Oniversiten'i Coimbra, dia ny solontenan'ny fireneny no nitafy ny akanjo tsara indrindra:
La delegación de Mozambique fue la que estuvo mejor vestida en la apertura de las Olimpíadas de Río de Janeiro 2016. ¡Ninguna piedra me afectará!
Ny delegasiona Mozambikana no anisan'ny tsara fitafiana indrindra tamin'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika 2016 tao Rio de Janeiro .
Nisongadina ihany koa ny delegasiona ny Angoley ka nahazo fiderana tamin'ny alalan'ny Twitter:
Best team outfit during the Parade of Nations so far might be Angola. #OpeningCeremony pic.twitter.com/qsv7F3LtXn
— Vulture (@vulture) August 6, 2016
Ny Ekipan’ ny Angola hatreto no mety tsara akanjo indrindra nandritra ny matso. #OpeningCeremony pic.twitter.com/qsv7F3LtXn