Tamin'ity herinandro ity, voaràra ao Rosia ireto tranonkala roa goavana amin'ny resaka vetaveta ireto, ny PornHub sy ny YouPorn.
Tsy izao no voalohany nanenjehan'ny manampahefana ireo tolotra vetaveta alefa mivantana: tamin'ny taona lasa, nampidirin'ireo mpanivana ho ao anaty lisitra mainty ao Rosia, ny ru.pornhub.com, talohan'ny namerenan'ireo mpiasam-panjakana hafa azy hiverina amin'ny taloha.
Tamin'izany fotoana izany, niteraka hadrohadro manafintohina nanerana ireo media sosialy ny fanapahankevitra handràra ny iray tamin'ireo tranonkala isan'ny be mpitsidika indrindra,fa toy ny tsy nisy ireo tena ahiahy, satria tsy nanjavona tao anaty aterineto akory ny dika amin'ny teny Anglisin'ilay tranonkala tao Rosia, ary ampy ho tosika handinganana ny sakan'ny teny ny faniriana hijery ireo votoaty natao ho an'ny olondehibe.
Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, tena voasakana marina tokoa ny Pornhub. Naharay didy ireo mpanome tolotra aterineto rosiana mba hanaraka ilay lisitra mainty ofisialy, ao anatin'ny 24 ora.
Eo amin'ny lafiny lalàna, dia tany Voronej sy Vladivostok no noraisina ireo fanapankevitra handràra ny PornHub sy YouPorn. Ireo tribonaly roa ireo dia nitsara ny PornHub sy YouPorn ho “samy miaty torohay izay voaràra ny fanapariahana azy” ao Rosia.
Ny torohay resahana eto dia toa ahitàna vetaveta ampiasàna ,na izay rehetra afaka “manamarina ny fomba fitondra ratsy atao amin'ny ankizy”.
Henjana hatrany ny famaritan'ny rosiana ny vetaveta ampiasàna ankizy. Tratra tamin'io ireo lahatsary ahitàna ireo mpisehatra nampiankanjoana fanamian'ny mpianatra ary mody nitondra tena ho toy ny tsy ampy taona fotsiny, ary ireo mpitsara dia tonga hatrany amin'ny filazàna fa miendrika vetaveta ampiasàna ankizy ihany koa ireo endrika vetaveta sasany atao an-tsary sy sarimiaina, toy ny hentai.
Rehefa nikaroka ny hoe “hentai” tao amin'ny PornHub ireo manampahefana, votoaty miisa 16.000 no hitan'izy ireo ary nanamarina ny fanakànana manontolo ilay tranonkala.
Ny tranonkala Meduza dia nanontany an'i Vladimir Panassenko, ilay mpitsara ao Voronej, izay nilaza ho tsy mahatadidy ireo antsipirihan'ilay raharaha nandraràny ny PornHub. Nandritra ny tafa, milaza izy fa heveriny fa “nisy ifandraisany amin'ny vetaveta ampiasàna ankizy, angamba izany. Tsy nisy fetran-taona [tao amin'ilay tranonkala]”.
Teny anaty tambajotra sosialy, tamin-kafanampo no niresahan'ireo Rosiana ny vokatry ny fiainana tsy ahitàna ireo roa goavan'ny resaka vetaveta ao amin'ny aterineto.
Tsy nila niangaviana hilaza ny faharesen-dahatra ananany ny sasany dia niaiky hoe ny mariazy sy ny fiterahana dia azo asolo tsara ny filalaovana filahiana eo am-pijerena sarimihetsika vetaveta ao an-trano—fomba fijery iray nitondra tsikim-pahafahampo teny imolot'ireo olomalaza fanta-bahoaka mpifikitra amin'ny nentin-drazana toa an'i Elena Mizoulina, Vitali Milonov sy Anna Kouznetsova, izay saiky hatrany anatiny lalina any mihitsy ny fitiavany fatratra ireo “soatoavina nentindrazana”.
Mandrary eo ambonin'ny fotokevitry ny “fanoloana ny fanafàrana avy any ivelany” sy ny fiarovana ny an'ny tena ny endrika iray miparitaka amin'ireo vazivazy momba ilay fanapahankevitra fandraràna vao noraisina.
Дмитрий Медведев поручил создать отечественный аналог заграничному сайту Порнхаб pic.twitter.com/kglBvOSRlf
— Партия Придурков (@Pridurky) September 15, 2016
Nanome baiko i Dmitri Medvedev mba hananganana tranonkala nasionaly mitovy amin'ilay tranonkala vahiny PornHub.
блокируя порнхаб и юпорн, власти поддерживают отечественного производителя pic.twitter.com/egItkr5hpB
— Nadya Tolokonnikova (@tolokno) September 14, 2016
Amin'ny fibahanana ny PornHub sy YouPorn, manampy tosika ny famokarana anatiny ny fanjakàna.
Nozarain'i Sergueï Erjenkov, ny famelabelarana manokana avy aminy :
Notsipihan'ireo mpisera marobe fa efa ananan'i Rosia ny mpifaninana iray goavana amin'ireo tranonkalam-betaveta toy ny PornHub : dia ny tambajotra sosialy Vkontakte, ilay toy ny Facebook ho an'ny rosiana, izay mampiantrano votoaty vetaveta marobe apetraky ny olontsotra. Lazain'ny sasany fa ny zavadehibe amin'izay misy ao amin'ny PornHub sy YouPorn dia hita ihany koa ao amin'ny Vkontakte.
Ho diso fanantenana ireo fanahy mikatsaka fatratra ny “vehivavy miray amin'ny vehivavy” na “polisy maditra” ao amin'ny Vkontakte: tsy hita amin'ny alàlan'ny milina fikarohan'ilay tranonkala ireny lahatsary ireny. Natao tsara aro sy napetraka ho an'ireo vondrona mihidy ihany ny votoaty natao ho an'ny olondehibe.
Tsy ilaozan'izay tsy hisy teorian'ny tsikombakomba mahomby akory, mba hanomezana fanazavana momba ny tena antony marina niteraka ilay fandraràna ny vetaveta ao amin'ny aterineto.
На самом деле Порнхаб в России прикрыли из-за опубликованной им статистики про то, что самый популярный жанр порно в России – анал.
— Тролль-каратель (@trollgnet) September 14, 2016
Raha ny -marina, nakatona ao Rosia ny PornHub satria ireo antontanisan'ilay tranonkala dia maneho fa ny firaisana amin'ny lavabody no karazana vetaveta malaza indrindra ao Rosia.
Mampiditra vazivazy kely miresaka fifidianana ny sasany ao amin'ny Twitter, mifandray amin'ireo fifidianana parlemantera rosiana hatao ny Alahady 18 Septambra.
@vkovall @vesti_kpss Говорят, порнхаб будет ловиться только на избирательных участках
— ариана (@ariana19811) September 14, 2016
Lazaina fa any amin'ireo birao fandatsahambato ihany ny PornHub no ho azo idirana.
Теперь, когда Pornhub заблокирован, у многих появится время сходить на выборы.
— Дядюшка Шу (@Shulz) September 14, 2016
Ka satria voasakàna ny PornHub ankehitriny, betsaka no hahita fotoana handehanana hifidy.
Ireo vitsy mpitantana ny PornHub, fantatra amin'ny fahaizany mamaly ety anaty tambajotra sosialy, dia hanao izay rehetra faraheriny handaminana ny toedraharaha. Voalohany indrindra, amin'ny fanatonana ireo rosiana mpanao sivana (Izay namnaly taminà sarinteny kidaladala tsy mampihomehy hoe manohintohina ny fitomboan'ny mponina ao Rosia ny filalaovana filahiana).
@Pornhub sorry, we are not in the market and the demography is not a commodity.
— Роскомнадзор (@roscomnadzor) September 15, 2016
[@roscomnadzor raha omena kaonty Pornhub Premium ianao, ho avelanao hisokatra indray ao Rosia ve ny Pornhub?]
@Pornhub miala tsiny, tsy ao anatin'ilay tsena ny tenanay ary tsy entam-barotra akory ny fiahiana ny fitomboan'ny mponina.
Talohan'ny niantorahany mivantana, na tsy hanantena valiny mahafapo aza, tamin'i Barack Obama :
.@BarackObama s'il vous plaît grâciez @Snowden. La Russie vient de bloquer https://t.co/ukBPXIE2PX, il faut qu'il puisse sortir aussi vite que possible !
— Pornhub ARIA (@Pornhub) September 15, 2016
.@BarackObama miangavy anao hamela ny helok'i @Snowden. Vao avy nobahanan'i Rosia izao ny https://t.co/ukBPXIE2PX, tsy maintsy atao izay ahafahany mivoaka faran'izay haingana !
Tsy mbola naneho hevitra aloha ny Trano Fotsy.