Vladimir Putin sy ny Vehivavy Sandoka Hanambady Tao Amin'ny Kianja Mena

Image: Pixabay. Edited by Kevin Rothrock.

Sary: Pixabay. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Tamin'ny faran'ny herinandro teo, nandany vola antsasaky ny tapitrisa robla mahery (efa ho 9 tapitrisa dolara) tamin'ny fety tsingerintaona faha-869-n'ny tanàna i Moskoa. Nisy ny afomanga goavana, sy fampiratiana ny fitaovana goavan'ny monisipaly (mampiseho fiara mpanadio arabe mihoatra noho izay tena tianao jerena hatramin'izay), ary sombina vatomamy an'arivony nalahatry ny  manam-pahefana. Sady mpanara-maso no mpandray anjara amin'ny fampisehoana ny Filoha Vladimir Putin, izay nanatrika ny lanonana lehibe tao amin'ny Kianja Mena tamin'ny Asabotsy 10 Septambra.

Tsy ny faha-ela velon'i Moskoa ihany, na izany aza, no nankalazaina: fara fahakeliny toa natao hampahatsiahy ny Rosiana ny ampahany tamin'ny fampisehoana fa tena lehilahy ny filohan'izy ireo, lehilahy matanjaka.

Tamin'ny Asabotsy, nisioka lahatsary fohy ny mpanao gazetin'i Kremlin gazety, Dmitry Smirnov, izay mampiseho an'i Putin mandehandeha manerana ny Kianja Mena, ary mandalo eo akaikin'ny vondrom-behivavy miakanjo fotsy toy ny vehivavy hivoaka hanambady. Hoy i Putin tamin'ireo vondrom-behivavy: “Arahabaina!”, ary avy eo nijanona nanao selfie niaraka tamin'izy ireo. “Tsara tarehy daholo ianareo!” Hoy izy. “Raha mandalo i Putin, adinoy ireo lehilahy hanambady,” hoy i Smirnov nanoratra teo ambonin'ny lahatsary.

Saingy tsy nisy ny lehilahy hanambady, raha ny fandehany. Nahafantatra ny iray tamin'ireo vehivavy tao amin'ny Instagram avy eo ireo mpiserasera aterineto ary nahita fa ireo “vehivavy nivoaka hanambady” nanodidina ny filoha dia nanao akanjo fianjaika.

Namoaka sary maromaro avy amin'ny Kianja Mena tamin'ny faran'ny herinandro i Evgeniya Konovalova, vehivavy tao amin'ny vondrona izay hita teo anilan'i Putin: ary nitafy akanjo fotsy rebareban'ny hanambady. Namoaka ny iray tamin'ny selfie-any miaraka amin'ny filoha ihany koa izy. “Ny mariaziko miaraka amin'i Vladimir Vladimirovich,” hoy izy namazivazy tamin'ny fanehoan-kevitra teo ambanin'ny sary. Teo ambanin'ny sary iray hafa, nanambara i Konovalova fa niasa tao amin'ny Kianja Mena miaraka amin'ny akanjo fianjaika izy nandritra ny fetin'ny fialan-tsasatra.

No comments #Putin#Путин#president#presidentPutin#деньгорода#москва#москва869

A photo posted by ЕвгенияКоновалова (@evgenia_alex) on

Tao anatin'ny “vondrona mpanotrona ny mpanambady” ihany koa i Lyudmila Vasilyanskaya. Milaza ny lahatsary ao amin'ny Instagram fa anisan'ny nandihy be tamin'ny fety izy sy i Konovalova.

Taorian'ny fankalazana tao Moskoa, nankany Novgorod i Putin sy ny Praiminisitra Dmitry Medvedev ary nihaona tamin'ny mpanjono eo an-toerana, izay nampanantenain'izy ireo fanampiana federaly vaovao. Ity fihaonana ity ihany koa no niteraka sahoan-dresaka antserasera fa nihaona tamin'ireo mpiantsehatra ny filoha, rehefa nampiseho ny sary fa nanao haba-tanana lafo vidy loatra [raha ho an'ny mpanjono] ny iray amin'ireo lazaina fa mpanjono.

Mazava ho azy fa niteraka vazivazy antserasera ireo fifandraisana amin'ny vahoaka, ahitana ireo mpitsikera an'i Putin manontany raha tena izy marina ny filoha tenany:

Firenena sandoka: nisy vehivavy sandoka hanambady tao Moskoa, ary nisy mpanjono sandoka tao [Novgorod]. Ka tena izy ve ny sarin'i Putin tenany?

Tsy dia nahasarika, nitarika ny olona sasany hanatsoaka hevitra ny sary tapaka lehibe an'i Konovalova fa tsy mpilatro izy, fa mpivaro-tena. Iray amin'ireo olona ireo i Leonid Volkov, olo-malaza mpitarika ao amin'ny mpanohitra demokratika notapenam-bava, sy mpitsikera ampahibemaso an'i Vladimir Putin :

Gaga amin'ny sarin'i Putin miaraka amin'ny mpivaro-tena ny rehetra, toa tsy mampiseho zavatra mitovy ny 99 isan-jaton'ny sary misy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.