- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook

Sokajy: Okraina, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Source: Sarah Marshall, Flickr, CC 2.0

Sary: Sarah Marshall, Flickr. CC 2.0

Nandefa taratasy tany amin'ny minisitry ny Fifandraisandavitra sy ny Fifandraisana Amin'ny Vahoaka, Nikolai Nikiforov, ny solombavambahoaka iray, Mikhail Degtyarev, avy amin'ny Antoko Demaokratika Liberaly farany ankavanana ao Rosia tamin'ny Talata izay nilazany fa tokony hisy hetsika iadiana amin'ny bots Okrainiana mikendry ireo mpiserasera Facebook amin'ny teny Rosiana tsy ara-drariny. Tamin'ny sioka mamaly izany vaovao izany, toa misaotra ireo izay tompon'andraikitra tamin'ny famoronana ny bots ny sampan'ny Minisiteran'ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao ao amin'ny governemanta Okrainiana.

Nitaraina i Degtyarev, izay nandefa ny taratasiny ho an'i Nikiforov tao amin'ny Live Journal [1]fa ny bots – kaonty hosoka noforonina handotorano ny vaovao sy ny tranonkala media sosialy – dia mitory ireo olona manana mombamomba amin'ny teny Rosiana any amin'ny “ekipa misahana ny fihoara-pefy” ao amin'ny Facebook noho ny fanehoan-kevitr'izy ireo amin'ny fivoaran-draharaha ara-politika ao Okraina.

…многие пользователи из нашей страны все чаще подвергаются “бану” – временной или полной блокировке аккаунта. Блокировка формально осуществляется за нарушение “правил Фэйсбука”, но в большинстве случаев либо правила реально не нарушены, либо нарушены – но в записях годичной (и более) давности.
Несмотря на то, что руководство Фэйсбука уверяет, что каждый случай рассматривается персонально экспертами по конфликтам из “Abuse Team”, в реальности блокировка осуществляется по совокупности жалоб на аккаунт. Причем блокируются именно аккаунты тех людей, которые негативно отзываются о событиях на Украине и об украинской “власти”. На эти аккаунты в “Abuse Team” Фэйсбука поступают массовые жалобы от украинских “ботов”…Есть подозрение, что в этой комиссии русскоязычным сектором занимаются украинцы либо русские эмигранты, политически ангажированные определенным образом.

…… Mihamaro ny mpiserasera avy amin'ny firenentsika no tsy mitsahatra iharan'ny fandraràna – notapahana vetivety na notapahana tanteraka ny kaontin'izy ireo. Notapahana tamin'ny fomba ofisialy ny kaonty noho ny fanitsakitsahana ny “fitsipiky ny Facebook,” saingy amin'ny ankamaroan'ny raharaha, na tsy tena hoe tsy nohajaina ny lalàna na tsy nohajaina tamin'ny taona lasa (na mihoatra). Na dia manome toky antsika aza ny mpitantana ny Facebook fa sahanin'ny manam-pahaizana manokana momba ny fifandirana avy ao amin'ny “Ekipa misahana ny fihoaram-pefy” ny tranga tsirairay, ny zavamisy dia milatsaka aorian'ny fitarainana napetraka amin'ny kaonty ny fanapahana. Fanampin'izany, ny olona izay milaza zavatra ratsy momba ny zavatra mitranga ao Okraina sy ny “zava-mitranga” Okrainiana no tena iharan'ny fahatapahana. Mandray fitarainana marobe momba ireo kaonty avy amin'ny “bots” Okrainiana ireo ny “Ekipa misahana ny fihoaram-pefy” … Misy ny ahiahy fa ireo miteny Rosiana amin'ity vondrona ity dia Okrainiana, na Rosiana nifindra-monina mafana fo amin'ny raharaha politika.

Tamin'ny antsony ho an'i Nikiforov, nanome tsiny ny governemanta Okrainiana i Degtyarev, nilaza izy fa zavatra noforonin'ny sampam-piarovana ao amin'ny firenena ny “Ukrbots” izay natao hanakanana ireo adihevitra momba an'i Okraina amin'ny teny Rosiana. “Vokatr'izany,” nitaraina i Degtyarev fa “sarotra ny hisian'ny adihevitra ara-politika lehibe momba an'i Okraina ao amin'ny Facebook.”

Namaly ny antson'i Degtyarev tamin'ny sioka misaotra ireo izay nitatitra ny fihoaram-pefy voalaza tao amin'ny Facebook ny “Tafika Ara-Baovao Okrainiana,” vondrona natsangan'ny Minisiteran'ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana voatsikera hatrany. Na dia tsy mazava aza ny halalin'ny fifandraisana eo amin'ny minisitera sy ny bots Facebook, toa milaza fankatoavana ankolaka an'ireo namorona ny bots farafaharatsiny ny siokan'ny Tafika Ara-Baovao.

Misaotra betsaka ny tsirairay nandray anjara tamin'ity raharaha ity

Ny fitarainan'i Degtyarev no fifandirana farany nisy teo amin'ny governemanta Okrainiana sy Rosiana mikasika ny fitsabahan'ny bot ao amin'ny media sosialy. Ireo mpikatroka Okraniana sy Rosiana dia samy nisarika ny saina manoloana ny “troll farms” (famokarana mpandoto resaka) nolazain'izy ireo fa nokarakarain'i Kiev sy Moskoa ary natao hanosehana ny  fampielezan-kevi-panjakana na hanafoanana ireo hevitra manohitra. Tamin'ny Aogositra 2014, nisy vondrona mpikatroka Okrainiana nanoratra [5]tany amin'ny Tale Jeneralin'ny Facebook Mark Zuckerberg, nitaraina momba ny tafika bot-n'i Kremlin. Tsy nandray fepetra mivantana ho setrin'izany ny Facebook. Tamin'ny May 2015,  nangataka tamin'i Zuckerberg ny Filoha Petro Poroshenko mba hanokatra birao ao Okraina ho famahana tsara kokoa ny olana. Nilaza [6] i Zuckerberg fa mety hanao izany izy amin'ny hoavy, saingy tsy nolazainy hoe rahoviana.

Nitaraina momba ny politikan'ny fihoaram-pefy ao amin'ny Facebook ihany koa ireo mpikatroka Rosiana: tamin'ny fotoam-pahavaratra lasa teo, nilaza [7]ireo bilaogera Rosiana fa naaton'ny Facebook ireo kaontin'ny olona mampiasa ny teny “Khokhol” -teny manambany ho an'ny Okrainiana – ao amin'ny rindrin'izy ireo. Nilaza izy ireo, tahaka an'i Degtyarev, fa ny fanapahan-kevitry ny Facebook hanakatona kaonty dia tsy mifototra amin'ny “fenitra ara-piarahamonina” araka ny nolazain'ny orinasa, fa mifototra amin'ny habetsahan'ny fitarainana.

Saingy tsy ny bots ihany no fitaovana ao anatin'ny adim-baovao eo amin'i Rosia sy Okraina; efa zatra manafika tsy tapaka ireo fahavalo ao an-toerana izy ireo: vao tamin'ny herinandro lasa [8]ohatra, notafihan'ny bots ny kaonty Facebook-n'i Kholodnitsky Nazar, mpampanoa lalàna misahana ny ady amin'ny kolikoly ao Okraina ary nosakanana. Araka ny nosoratan'ilay mpanao gazety, Ayder Muzhdabayev tao amin'ny Facebook, [9] toa notohanan'ireo mpanohitra an'i Kholodnitsky ao Okraina ara-bola ny fanafihana.

Manoloana ny fisalasalan'ny Facebook handray fepetra iadiana amin'ny bots, izao sisa no fanontaniana: handray fepetra mba hamahana ny olana ve i Kiev na i Moskoa?