Tantara tamin'ny 16 Septambra 2016
Mampiharihary Ny Fankahalàna Vahiny Ananan'ireo Japoney ny Firotsahana Feno Fanantenan'ilay Japoney-Taioanezy Ho Mpitarika
Mila mandresy lahatra olona maro i Renho fa izy sy ny Antoko Demokratika vao noforonina dia 'Japoney ampy tsara' raha mandresy amin'ny fanendrena mpitarika amin'ny herinandro manaraka eo izy.
Mahery Vaika Ny Fanafihan'ny Polisy Shinoa Ireo Mpanao Hetsika Nanohitra Ny Fampidirana Am-ponja Ny Filoha Voafidin'ny Tanànakely Iray
Mino ireo mponina fa noterena hiaiky ho nandray kolikoly i Lin satria nanomana hetsi-panoherana manohitra ny fangalana tany an-keriny tsy nahazo ny fankatoavan'ny tanànakely.
Ankasitrahan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Okrainiana Noho Ny Asa Mafy Ataony Ny Bots Facebook

Mafàna ny ady bot Facebook eo amin'i Okraina sy Rosia. Hahita lalana hanasaziana ireo mpanao "spam" ve ny governemanta Rosiana?
Nahemotra Tao Anatin'ny Antso Famotsorana Azy Ny Fitsarana An'ilay Mpanao Gazety Makedoniana Ho Manao Asam-Pitsikilovana
"Hanasaziana ireo mpanao gazety tsy mankato sy handrahonana ary hamehezana ny hafa ny raharaha toy izany."
Eritreana Maro Manao Vy Very Ny Ainy Amin'ny Fanandramana Mandositra Ny Fireneny, Inona No Antony?
"Firenena iray tsy refesi-mandidy i Eritrea. Tsy misy rafi-pitsaràna mahaleotena, tsy misy antenimieram-pirenena ary tsy misy andrim-panjakana demaokratika"