Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast : Korontanina Ny Filaminana

Hanao topimaso ireo tantara vitsivitsy izay nivoaka vao haingana avy ato amin'ny famoaham-baovao Global Voices Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast . Amin'ity herinandro ity isika hiresaka amin'ny  tonian-dahatsoratra mpiara-miasa RuNet Echo teo aloha Tanya Lokot sy ny  tonian-dahatsoratra mpiara-miasa RuNet Echo amin'izao fotoana izao Isaac Webb momba ny fipoahan'ny  fihenjanana vao haingana teo amin'i Okraina sy Rosia sy ny fomba fijerin'ny Okrainiana mikasika ny toe-draharaha.

Hitantara anao tantaran'olon-tsotra miatrika ny tsy rariny any Singapaoro, India sy Brezila ihany koa izahay. Ary avy eo hiverina any Okraina handre ny tatitra fohy avy amin'ny tale mpanatanteraky ny Global Voices Ivan Sigal momba ny filaminana mampiahiahy ao an-tanànan'ireo Okrainiana izay tsy lavitra ny vava ady.

Isaorana be dia be i Raphael Tsavkko Garcia [mg], Rezwan [mg], Mong Palatino [mg] ary ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonia rehetra  izay nanampy tamin'ny fanatontosana ity fizaran-tantara ity.

Amin'ity fizaran-tantara Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices ity izahay, manasongadina ireo hira nahazo lisansa Creative Commons avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Malalaka (Maimaim-Poana), ka tafiditra amin'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i JahzzarIn The Darkness (No Voices) avy amin'i VYVCH; Your Pulse avy amin'i Little Glass Men; Long White Cloud avy amin'i krackatoaGolden avy amin'i Little Glass Men; Waking Stars avy amin'i Kai Engel; ary Lovely, Lonely (Instrumental) avy amin'i YEYEY. .

Avy amin'i Alice V/Democratize ny sary nasongadina amin'ity fizaran-tantara ity. Nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.