Araraotin'ny Mpisoloky sy ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Tahotra Horohorontany Tao Skopje

Skopje residents in front of their homes after the afternoon earthquake. Photo by F. Stojanovski, CC-BY.

Mponin'i Skopje manoloana ny tranon'izy ireo taorian'ny horohorontany tamin'ny Alahady atoandro. Sary avy amin'i F. Stojanovski, CC-BY.

Nihozongozonina ara-bakiteny sy an'ohatra ny olom-pirenena Makedoniana tao an-drenivohitra Skopje tamin'ny Alahady sy Alatsinainy, 11,12 Septambra noho ny andiana fihovitrovitry ny tany izay tsy niteraka fahavoazana be loatra ara-batana.

Niteraka fanehoan-kevitra raiki-tahotra ny hovitrovitra roa lehibe, ny voalohany tamin'ny 7 ora maraina teo ho eo tamin'ny 11 Septambra, ary ny faharoa indrindra tamin'ny 3 ora tolakandro teo ho eo, olona teo amin'ny 100 no naratra tamin'izany satria niezaka nandositra niala ny tranony izy ireo. Maro ireo mponina nijanona tany ivelan'ny trano nandritra ny tolakandro sy ny takariva, matahotra sao fambara dona goavana iray mbola ho avy ilay horohorontany.

Tsy mbola nisy ny horohorontany goavana, saingy nahatonga ny media sosialy hanely tsaho ny tsy fisian'ny vaovao mazava avy amin'ny manampahefana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra hatramin'ny harivan'ny andro Alahady izay nanamafy ny fandisoambaovao ka nampitombo ny tahotra

Taorian'ny horohorontany manana ny maridrefy 5.1 tao  #Skopje #Macedonia androany:
-nianjera ny talantalan'ny fivarotana lehibe
-sy ny toerana fivoahan-tsetroka, simba ny fiara pic.twitter.com/R9BrDY4nbX

Ny fikasana miharihary hanararaotra ny tahotra dia nilatsaka avy amin'ny endrika lahatsoratra Facebook an'i “Ivan ilay Mpanasitrana”, izay maneho ny tenany fa lehilahy Kristianina Ortodoksa mpivavaka akaiky an'Andriamanitra ary mpitsabo amin'ny fomba hafa miaraka amin'ny fandaharany an-telefaonina manokana ao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana. Fotoana taorian'ny misasakalina tamin'ny 12 Septambra, rehefa lasa ny hovitrovitra ary nitoetra ny fikoropahana, nandefa lahatsoratra tao amin'ny Facebook izy izay nilaza fa efa nahafantatra mialoha ny fisian'ny horohorontany talohan'ny nitrangany. Novaina ho 10 Septambra ny daty nanaovana ny lahatsoratra miaraka amin'ny teny “Hisy horohorontany in-15 rahampitso ao Skopje”.

Nilaza fisiana fisolokiana avy hatrany ireo mpiserasera media sosialy, fa raha mahomby ny fisolokiana, dia mety hanamafy ny marik'i Ivan ho toy ny mpaminany izany :

Sary: Hisy horohorontany in-15 ao Skopje rahampitso
Sioka: Ivan, mpanambaka ianao!

Noesorin'i Ivan ny lahatsoratra diso tamin'ny Alatsinainy mitataovovonana.

Notabatabain’ ireo olom-pirenena hafa ireo fampahalalam-baovao izay nanamafy ny tahotra hahazoana mpamaky bebe kokoa. Ohatra, namoaka lahatsoratra momba ny fahafatesana nateraky ny horohorontany tamin'ny 11 Septambra, adiny roa taorian'ny hovitrovitra goavana voalohany, mitondra ny lohanteny hoe “horohorontany maridrefy 5.7: 13 maty ary 203 naratra” ny Sitel, fahitalavitra malaza indrindra manana fahazoan-dàlana handefa fandaharana manerana ny firenena (sy nahazo euro an-tapitrisany tamin'ny volan'ny mpandoa hetra noho ny dokambarotra sy ny fanampiana hafa avy amin'ny governemanta).

Marina ny vaovao, saingy ny lohateny – ny ampahany mivandravandra tao amin'ny media sosialy sy ny fanangonam-baovao dia nanadino ny tena zava-dehibe fa ny horohorontany voalaza eto dia nitranga tao Bukoba, Tanzania, fa tsy tao Skopje, Makedonia. Rehefa avy manindry ny rohy sy mamaky ny lahatsoratra ireo mpamaky efa sorisorena sy tezitra vao nahita izany.

Mikasika ny fampielezana tahotra, tompony tsy iadin-kevitra i Shit-el ! Mihinana ny A*** ny rà maloton'izy ireo!

Natahotra ny horohorontany ny olom-pirenena Skopje indrindra noho ny horohoron-tany goavana tamin'ny 1963 izay nandrava tanteraka ny tanàna, ary namono olona 1.070.

Tamin'izy mbola tao anatin'i Yogoslavia efa maty ankehitriny, nanana rafitra mampianatra ny olom-pirenena hiatrika ny loza tampoka i Makedonia, ary nahitana fampidirana sy fanamafisana ny fenitra ambony indrindra amin'ny fanorenana ny ezaka firaisankina iraisampirenena [mg] ho fanorenana indray ny tanàna taorian'ny horohorontany tamin'ny taona 1963. Saingy maro tamin'izany rafitra izany ho toy ny karazana sisa tavela tamin'ny Komonisma no efa rava nandritra ny 25 taonan'ny fahaleovantenan'i Makedonia, ary nahafahan'ny “mafia ao an-drenivohitra” (firaisana tsikombakomba tsy ara-dalàna eo amin'ny governemanta sy ny mpandraharaha) nanorina trano tao amin'ny faritra heverin'ny manam-pahaizana momba ny horohorontany fa mampidi-doza na tsy manaraka ny fenitra fiarovana.

Nahatonga ireo mponina maro tsy dia nanan-kevitra mikasika izay tokony atao raha sendra vonjy taitra izany toe-javatra izany.

Talohan'ny hovitrovitra vao haingana, efa niahiahy ihany koa ny olom-pirenena ao Skopje noho ny tsy fahampian'ny valinteny avy amin'ny manampahefana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra mikasika ny tondra-drano vao haingana namely ireo tanàna maro manodidina tamin'ny volana Aogositra, izay fantatra fa nahafatesana olona maherin'ny 22. Naharitra efa ho tapak'andro ireo fahitalavitra sasany, anisan'izany ny haino aman-jerim-panjakana vao nitatitra momba ny tondra-drano nitranga tao amin'ny kilaometatra vitsivitsy miala ny biraon'izy ireo.

Horohorontany faharoa. Matahotra saingy tsy nisy fahasimbana tamin'ireo trano manodidina anay tao Skopje

Nandritra ny Alahady hariva, tamin'ny ezaka hampitony ny olona mbola matahotra ny loza, nisy vondrona mpikatroka nikarakara sinema an-kalamanjana tampoka tao amin'ny zaridainan'ny tanàna.

Taorian'ny andiana horohorontany androany, tsy nahatsiaro ho voaaro an-trano ny tao #Skopje

Maro ihany koa ny horohorontany tahaka izany niseho tamin'ny Alatsinainy, ary nahitana fiantraikany mitovy amin'izany koa. Nisy ny hovitrovitra lehibe kokoa tamin'ny maridrefy 4.0 talohan'ny tamin'ny 8 ora alina, nanampy ny fahasorenana ara-psykôlôjika  vokatry ny fisalasalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.