- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mirohondrohona Ao Amin'ny Media Sosialy Japoney Ny Bibikely: Tsara, Mahafinaritra, ary Volotsangana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Photo: Pixabay. Edited by Kevin Rothrock. [1]

Sary: Pixabay. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Mampiasa teknika nentim-paharazana amin'ny asa tanana ireo mpanakanto Japoney mba hamorona bibikely vita amin'ny bararata izay niteraka tohiny mahavariana tao amin'ny aterineto.

Mampiasa chikusei [2](asa tanana amin'ny volotsangana), mamoaka ny sary bibikeliny tao amin'ny media sosialy sy tao amin'ny tranonkalany [3] i Noriyuki Saitoh. Nisioka ny sarin'ny bibikeliny vita amin'ny volotsangana niangaliana fatratra ihany koa izy, izay matetika misy mizara sy mampita in-anjatony [4].

Amin'ny fifantenana tsara ny famoronana bibikely amin'ny volotsangana ataon'i Saitoh, jereo ny karatra firariana Taombaovao vao haingana indrindra nalefany ho an'ireo mpanjohy azy tao amin'ny Twitter, miaraka amin'ny sarina fanenitra, famakiloha, voangory, angidina ary jorery vita amin'ny taratasy volontsangana;

Misaotra anareo rehetra nanjohy, nampita (RT), sy nankafy nandritra ny taona lasa. Omenareo aingam-panahy aho hanao zavatra ho anareo.

Azo jerena ao amin'ny pejiny Facebook [7]ny sombin-tsary amin'ny antsipirihany misy ny famoronan'i Saitoh

Malina i Saitoh raha nanipika [8]fa natao ho zava-kanto, fa tsy ho maodely bibikely tena izy ny famoronany:

私が創る昆虫は決してリアルではありません。

標本、レプリカを作っているわけではないので厳密に寸法を測り、プロポーションを正確に創るよりも、見た目の印象・特徴、感覚を優先させます。

Ny bibikely noforoniko dia tsy natao ho tahaka ny tena izy. Satria tsy mampiasa santionany na fakan-tahaka aho. tsy mikendry ny tena endrika marina aho, saingy mifantoka kosa amin'ny antsipirihany, ny fihetseham-po sy ny fahatsapana ho bibikelin'ny volotsangana.

Na dia tsy tena marina tanteraka aza ny bibikely vita amin'ny bararata, manandratra ambony ny famoronan-javatra vita amin'ny bararata ny talentam-pijerena ny antsipiriany:

( ・ㅂ・)و ̑̑

Vita ny fanenitra taratasy [Polistes jokahamae]!! Navoakako tao amin'ny tranonkalako ny sarin'izany

(゜o゜)

Navoakako tao amin'ny tranonkalako ireo sarina famakilohan'orkidé [Hymenopus coronatus]

(゚⊿゚)

Sarina rambon'angidina miendrika volamena [Sinictinogomphus clavatus]:

Voangory Be [Cyclommatus elaphus]

Manazava ny dingana rehetra arahiny amin'ny fanamboarana bibikely vita amin'ny bararata ny kaontin'i Saitoh ao amin'ny Twitter sy ny tranonkalany:

(・o・)

Vita ny elatry ny angidina

Nizara lahatsary mampiseho ny fomba nanamboarany ny elatry ny angidina tao amin'ny Youtube ihany koa i Saitoh: