- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nilaza Izy Fa Mahatadidy Zavatra Ny Selan'ny Tranon-jaza.’ Fantaro Ny Mpiadidy Vaovao ny Zon'ny Ankizy Ao Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Source: Greg Westfall, Flickr. [1]

Sary: Greg Westfall, Flickr. CC 2.0.

Tamin'ny Zoma 9 Septambra, noroahin'ny Kremlin tamin'ny fomba ofisialy ny mpiadidy ny zon'ny ankizy Pavel Astakhov, izay efa voatsikera noho ny fametrahany fanontaniana tamin'ireo sisa velona tamin'ny loza an-tsambo nahafatesana olona [2]tamin'ny volana Jiona hoe “Nanao ahoana ny lomano?” izay tsiaro tsara indrindra (na angamba ratsy indrindra) tamin'i i Astakhov tamin'ny fampiroboroboana ny lalàna mandràra ny Amerikana tsy hanangana zaza Rosiana, nantsoina tatỳ aoriana hoe “lalàna Dima Yakovlev,” ho valin'ny sazy nataon'ny Amerikana tamin'ireo manampahefana voarohirohy tamin'ny famonoana ilay mpisolovava Rosiana, Sergei Magnitsky.

Ny solon'i Astakhov, Anna Kuznetsova, izay nanomboka niasa tamin'ny zoma dia efa nahazo ny hafanana sahady tamin'ireo fanehoan-kevitra nataony tamin'ny 2009 izay toa manohana ny “Telegonia,” petrakevitra ara-tsiantifika milaza fa afaka mandova ny toetran'ny sakaiza taloha niray ara-nofo tamin-dreniny ny ankizy

Toa matanjaka ny fahitana an'i Kuznetsova, ka tsy mahagaga ny fanendrena azy amin'ny toerana: izy no talen'ny Pokrov teo aloha, fikambanana mpanao asa soa ao Penza izay manohana [3] ny “fianakaviana, reny, sy ankizy,” ary solontenam-paritra amin'ny hetsika “Renin'i Rosia”. Tsy tahaka an'i Astakhov, izay mbola tsy niasa tamin'ny olana momba ny zon'ny ankizy hatramin'ny nanendrena azy tamin'ny toerany teo aloha tamin'ny taona 2009, manana traikefa nandritra ny taona maro i Kuznetsova tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny ankizy, ary – tsy nisehoseho intsony [4]izy nanomboka vao haingana.

Avy eo nahita momba ny Telegonia ny aterineto. Araka ny efa notaterina hatraiza hatraiza tamin'ny gazety amin'ny teny Rosiana, hoy i Kuznetsov tamin'ny antsafa [5] tamin'ny 2009:

Основываясь на сравнительно новой науке Телегонии, можно говорить о том, что клетки матки обладают информационно-волновой памятью. Поэтому эти клетки запоминают все, что в них произошло. Допустим, если у женщины было несколько партнеров, то велика вероятность рождения ослабленного ребенка из-за смешения информации. Особое влияние данный факт оказывает на нравственную основу будущего ребенка. Аборт, в свою очередь, также является серьезным потрясением для уже желанного малыша, поскольку клетки запоминают страх плода перед абортом, запоминают смерть

Raha aorina amin'ny siansa somary vaovao momba ny Telegonia, afaka milaza isika fa manana fitadidiam-baovao lehibe ny selan'ny tranon-jaza. Noho izany afaka mahatadidy zavatra ireo sela ireo. Ka raha misy vehivavy manana sakaiza maromaro, mety ho ambony dia ambony ny tahan'ny fahaosan'ny zaza noho ny fifangaroam-baovao. Ahitana fiantraikany manokana amin'ny fototra ara-moralin'ny zaza ao an-kibo izany. Dona goavana ho an'ny ankizy any aoriana ihany koa ny fanalan-jaza, satria mahatadidy ny tahotry ny zazarano talohan'ny fanalan-jaza ny selan'ny [tranon-jaza] – mahatsiaro ny fahafatesana izy ireo.

Tsy misy indrafo [6]ny mpisera Twitter tamin'ny valinteny.

Amin'ny manaraka ianao raha hihomehy sy hikakakaka amin'ny andian-teny hoe “Manahy aho, miharatsy kokoa izany,” tsarovy fa mino ny Telegonia ny olona sasany.

Ny siansa vaovaon'ny Telegonia sy ireo Teletubby mpanjohiny.

Ao Etazonia, mahazo iPhone vaovao izy ireo, ary tranon-jaza manana fitadidiana lehibe no mba azontsika.

Saingy tsy nijanona teo ny tsikera. Vadina pretra Ortodoksa Rosianina i Kusnetsova ary manan-janaka enina. Mampalahelo anefa, nitarika ny sasany hanontany ny fahafahany hanao ny asa izany: Konstantin Dolinin, filohan'ny fikambanan'ny ankizy “Fivorian'ny Ray Aman-dreny” nilaza [4]tamin'ny tranonkalam-baovao URA.ru hoe, “Tsy mazava amiko mihitsy hoe ahoana no hahafahan'ny renim-pianakaviana manan-janaka enina hanao ity karazana asa ity. Inona no hataony amin'ireo ankizy? Iza no hikarakara azy ireo? “

Ny hafa kosa mahita ny mombamomba an'i Kuznetsov ho tombony ho an'i Rosia.

Anna Kuznetsova- renim-pianakaviana manan-janaka 6, Ortodoksa, vadina pretra – nahoana no toy ny sazy mahatsiravina ho an'ny liberaly izany?

Araka ny nosoratan'i Ekaterina Vinokurova, mpanao gazety ao amin'ny tranonkalam-baovao ao Yekaterinburg Znak.ru, tao amin'ny Facebook [11] androany, “Tokony manan-jo hiasa amin'ny asa rehetra ny vadina pretra, ary ny fanaratsiana azy amin'izany … dia heveriko fa fahadisoana goavana … Amin'ny ankapobeny, manana fahafahana tsy manam-paharoa hampisehoana ny olona rehetra i Kuznetsova fa ny Ortodoksa Rosiana tsara, sy ara-dalàna dia tsy misy ifandraisany amin'ny ‘Satanisma Ortodoksa’ izay lasa lamaody eo ‘mpikatroka ara-pivavahana.’ “