- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fandrahonana Ho Faty Ilay Mpanao Lalàna Ao Hong Kong Efatra Andro Monja Taorian'ny Nahavoafidy Azy

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Eddie Chu talked to the press before he reported the death threat to the police. Photo from inmediahk.net. [1]

Eddie Chu miresaka amin'ny mpanao gazety talohan'ny nilazany ny fandrahonana azy ho faty tany amin'ny polisy. Sary: inmediahk.net.

Fanambaran'ny mpamoaka lahatsoratra: naman'i Eddie Chu Hoi Dick akaiky ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Nirongatra haingana dia haingana ny herisetran'ny fandrahonana ara-politika  ao Hong Kong taorian'ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 4 Septambra. Nitatitra tany amin'ny polisy tamin'ny 8 Septambra ilay mpanao lalàna Eddie Chu Hoi Dick vao voafidy vao haingana fa nahazo ” fandrahonana ho faty ” izy sy ny fianakaviany taorian'ny fifidianana.

Tsy niaro azy tamin'ny fandrahonana ara-politika ny fanohanan'ny vahoaka na dia nahazo vato mihoatra ny kandidà hafa aza i Chu tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ny 4 Septambra teo  .

Tato anatin'ny taona maromaro, nampiseho ny tsikombakomba misy eo amin'ny governemantan'i Hong Kong, ireo mpandraharaha, ireo vondron'olona mahitahita any ambanivohitra ary vondron'olona miafina (fikambanan-jiolahy Shinoa) tamin'ny alàlan'ny asany maha-mpikatroka sy mpanao gazety fanadihadiana azy momba ny fanajariana ny tany ao New Territories [2], faritra iray any Hong Kong, i Chu. Nampitandrina an'i Chu ny oloben'ny tanàna iray ao Yuen Long tamin'ny volana May tamin'ity taona ity fa raha mbola miaro ny tokony hanorena-trano ho an'ny vahoaka miisa 17.000 ao amin'ny distrikan'i Chau Wang izy dia hisy olona hamono azy aorian'ny andro fifidianana amin'ny 4 Septambra .

Kanefa nanontany ireo solontenan'ny mpitarika any ambanivohitra ihany i Chu nandritra ny adihevitra fifidianana. Nisy fiara roa nanaraka an'i Chu tamin'ny 4 Septambra, ary nahita lehilahy naka sary azy sy ny ekipany tamin'ny fifidianana izy. Nampiseho [3] ny fampitam-baovao tao an-toerana taty aoriana fa an'ny lehilahy iray nahavita heloka bevava maro ny iray tamin'ireo fiara [3].

Ankoatra an'i Chu, nahazo fandrahonana herisetra [4] ihany koa i Andrew Wan Siu-kin, mpanao làlana vao voafidy iray hafa avy ao New Territories Andrefana. Nahita ny mpikambana ao amin'ny Antoko Demokraty fa nisy olona nanondraka solika ny fiara nampiasainy tamin'ny fifidianana tamin'ny 2 Septambra. Naharay taratasy miaty fitaovana fandrehetana afo izy ny ampitson'iny.

Hatramin'ny 4 Septambra,  tsy mbola niverina tany an-tranony i Chu sy ny fianakaviany noho ny fiarovana ny ain'izy ireo. Nanambara ny loharanom-baovao azo antoka fa efa nanome vola hamonoana an'i Chu ny fikambanan'ny vondron'olona miafina  .

Talohan'ny namenoany taratasy fitoriana tany amin'ny polisy, nanazava ny toe-java-misy i Chu tao amin'ny valan-dresaka nataony tamin'ny gazety (fanambarana tamin'ny alalan'ny Facebook Eddie Chu [5]):

From 4th September, I have always realised these threats. My family and I stopped sleeping at home. We could not even returned to our home. We still believe that Hong Kong is a place with freedom of speech, where we can express ourselves freely. But at this moment, a LegCo member-to-be of the NTW with 84,121 votes is unable to return to his home due to death threats brought by his political views. We can say that there is no more rule of law. […]

Today we hope that police could investigate the series of happenings seriously and meticulously. Thus, I am unable to expose names and times to you all. But what I can say is that these threats are proximal and nearby, and the time is drawing near too.

Hatramin'ny 4 Septambra, no efa fantatro ireo fandrahonana ireo. Tsy natory tany an-trano intsony aho sy ny fianakaviako. Tsy afaka niverina tany an-tranonay mihitsy aza izahay. Mbola mino hatrany izahay fa i Hong Kong no toerana manana fahalalahana miteny, izay afahantsika maneho hevitra malalaka. Kanefa amin'izao fotoana izao, tsy afaka ny hiverina any an-trano noho ny fandrahonana ho faty vokatry ny fomba fijery ara-politikan'ny olona lasa mpikambana ao amin'ny LegCo ao amin'ny NTW nahazo vato 84.121. Afaka milaza isika fa tsy misy intsony ny fanjakana tan- dalàna. […]

Ankehitriny manantena izahay fa afaka hanadihady am-pahamatorana ary antsakany sy andavany ireo andian-java-mitranga  ny polisy. Noho izany, tsy afaka hanonona anarana sy fotoana aminareo rehetra aho. Fa ny azoko lazaina dia ny hoe eto akaiky eto sy manodidina eto ireo fandrahonana ireo , ary efa manakaiky ihany koa ny fotoana .

Manome fiarovana an'i Chu sy ny fianakaviany isan'ora ny polisy ao Hong Kong ankehitriny.

Mino ny depioten'ny Antoko Demokraty fa lasibatra i Chu satria nitsabaka tao amin'ny raharaham-bondron'olona manana tombontsoa amin'ny famindrana tsy ara-dalàna ny zon'ny fananganan-trano madinika.

Araka ny  ” politikan'ny fanorenana trano madinika [6] ” ao an-toerana dia manan-jò hanangana ny tranony manokana ireo mponina tompontany ao amin'ny tanànakely ao New Territories. Tsy azo afindra io zo io. Na izany aza, matetika manao fifanarahana miafina ireo antokon'olona mahitahita any ambanivohitra sy ny mpandraharaha, ary ny mpitarikan'ny vondron'olona miafina ary mirotsaka an-tsehatra izy ireo hanery ireo mponina tompontany mba hamindra ny zony ara-tany.

Mody fanina amin'ny famindrana tsy ara-dalàna ireo zo ireo ny governemantan'i Hong Kong, satria na ireo vondron'olona miafina na ireo vondron'olona mahitahita any ambanivohitra ao New Territories amin'ny ankapobeny dia samy tsy mahatoky an'i Beijing.

Tsy vaovao izany ady izany. Tamin'ny 2013, nanao hetsika mba hanehoana ny fanohanana sy fiarovana ny tompom-pahefana ambony indrindra ao Hong Kong antsoina hoe Leung Chun Ying tao amin'ny lapan'ny tanàna manoloana ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba ny demokrasia ireo mpikambana ao amin'ny vondron'olona miafina [7].

Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 4 Septambra, nahazo tso-drano avy amin'ny Biraom-pifandraisan'ny Governemanta Foibe ao Hong Kong ny mpanao lalàna roa vao avy nofidiana, Leung Che-Cheung sy Junius Ho Kwan yiu izay misolo tena ny vondrona mahitahita avy any ambanivohitra sy ny ireo mpananga-trano eo ambany fifehezan'ny vondron'olona miafina.   .

Maro ny fikambanan'ny olom-pirenena no namoaka fanambarana [8] manameloka ny fanenjehana an'i Chu sy ny hafa toa azy, ary nandrisika ny polisy mba hampitsahatra ny herisetra ara-politika izay mandrahona ny fanjakana
tan-dalàna sy ny fahalalahana miteny.

Nivoady [9] i Chu fa tsy hanaiky ny herisetra ara-politika taorian'ny nitoriany tamin'ny polisy ny raharaha :

I will not submit to this kind of political violence – I will continue to fulfill my election promises, to monitor the government and make Hong Kong better.

I should be an example in protecting Hong Kong people’s freedom of speech, our freedom to express political views. We should not back down in the face of any violent threats – this is my promise to Hong Kong people.

Tsy manaiky hitolo-batana amin'io karazana herisetra ara-politika io aho – tsy maintsy hanatanteraka ny fampanantenana nataoko tamin'ny fifidianana aho, amin'ny fanaraha-maso ny governemanta ary hanao izay hahatsaratsara kokoa an'i Hong Kong .

Izaho no tokony ho ohatra amin'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ho an'ny olona eto Hong Kong, ny fahalalahantsika haneho hevitra ara-politika. Tokony tsy hihemotra isika manoloana ny herisetran'ny fandrahonana – izany no fampanantenako ho an'ny olona eto Hong Kong .