- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro ny Capital Finder, Fitaovana ho An'ny Mpandraharaha Any Amin'ny Firenena An-dalam-Pandrosoana

Sokajy: Hevitra, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Imagen en Flickr del usuario Moyan Brenn (CC BY 2.0).

Sarin'ny mpisera Flickr Moyan Brenn [1] (CC BY 2.0).

Vao namoaka ny Capital Finder [2] [Mpitady renivola], sehatra maimaimpoana sy azon'ny rehetra ampiasaina, toy ny mpanome, mpampiasa vola, ary mpandraharaha, hikarohana sehatra ara-bola hafa hampitomboana ny fitosahan'ny vola hanaovana ireo tetikasa misongadina ny AlliedCrowds [3], izay mpanangona sady manome ny lisitra fenon'ireo [4] mpamatsy vola fiandry any amin'ny tany andalam-pandrosoana.

The Capital Finder is an innovative tool that’s targeted specifically at entrepreneurs and MSMEs who need capital to take their businesses to the next level.

Ny Capital Finder dia  fitaovana vaovao mikendry manokana ireo mpandraharaha sy ireo  orinasa madinika sy salasalany izay mila renivola hitondra ny orinasany ho amin'ny dingana manaraka.

Araka ny fanazavana nataon'i Malcolm Kapuza, tale teknolojikan'ny AlliedCrowds tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Global Voices: “Ny Capital Finder dia manampy ny mpandraharaha any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana mba ahitany  fomba hafa hampitomboana vola hanaovana ny tetikasa iasan-dry zareo “:

By filling the information gap and removing barriers to funding, we hope to unlock capital for projects that alleviate poverty and further economic development where it is needed most.

By alternative finance providers we mean crowdfunding platforms, venture capital firms, impact investors, angel investors and public/semi-public funders, such as development finance institutions. We have curated all of the ways that entrepreneurs can source funding outside of the traditional banking system.

Mba hamenoana ny banga sy hanesorana ny sakana tsy hahazoana famatsiam-bola, dia manantena izahay ny hamaha renivola hanaovana tetikasa hanamaivanana ny fahantrana sy isian'ny fampandrosoana ara-toekarena bebe kokoa any amin'izay tena ilàna izany.

Amin'ny ilazanay ny hoe mpamatsy ara-bola fisolo, ny tianay lazaina dia ireo sehatra fanangonam-bola, orinasa mpampiasa vola sahisahy, mpampiasa vola lehibe, mpampiasa vola anjely ary ireo mpamatsy amin'ny sehatra ara-panjakana feno na misy ampaham-bola an'ny tsy miankina, toy ireo andrim-panjakana mpamatsy vola fampandrosoana. Nangoninay avokoa ny fomba rehetra izay mety ahitan'ireo mpandraharaha famatsiam-bola ivelan'ny rafitry ny banky nentim-paharazana.

Azavain'ny tranonkala wwwhat's new [5] ny fomba hahazoana torohay tsara indrindra amin'ny fampiasana ny AlliedCrowds:

Su uso es muy sencillo: solo tenéis que elegir el país en el que residís y os mostrará las principales fuentes alternativas de capital disponibles […].
Las fuentes de financiación están clasificadas por sector (agricultura, informática, sanidad, etc.) y tipo de capital (préstamos, subvenciones, donaciones, etc.), y da información adicional acerca de las empresas que ofrecen el dinero.

Tena tsotra ny  fampiasana azy: mifidy ny firenena izay misy anao fotsiny ianao dia asehony anao ireo loharanom-bola vonona […].
Voasokajy araka ny sehatrasa ny loharanom-bola famatsiana (fambolena, solosaina, fitsaboana, sns) ary voasokajy koa ireo karazana renivola (fampindramam-bola, fanampiana, fanomezana, sns), ary atolony koa ny fampahafantarana fanampiny momba ireo orinasa manolotra ny vola.

Hahitana fanazavana fanampiny momba ny tetikasa hafa sy torohevitra ho an'ny hafa ihany koa ao amin'ny Twitter  :

Jereo ny blaogy farany izay anaovanay fampidirana ny manazava ny isam-panavahana AlliedCrowds ttps://t.co/mpRloPskFK [6]

Mpandraharaha mitady ny feeling zoma ve ianao? Vakio ny lahatsoratra farany ao amin'ny bilaogy ijerena ireo toro-hevitra fanangonam-bola

Mahery noho izay heverinao ianao!

Talohan'ny faran'ny taona 2015, nanomboka voalohany ny sehatra [mg] [16]fanangonam-bola maharitra tao Ekoadaoro, niarahana niasa tamin'ny Small Grants Program [17] izay Programan'ny Firenena Mikambana Fampandrosoana ny AlliedCrowds, “izay ahafahana manome fanampiana mivantana hatramin'ny $ 50.000 ho an'ny vondrom-piarahamonina samihafa ka tafiditra amin'izany ny tompontany, sy ho an'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana izay manana tetikasa miompana amin'ny zavamananaina, fanalefahana sy fampifanarahana ny fikorontanan'ny toetrandro, ny fahasimban'ny tany, ny fitantanana maharitra ny ala, ny rano iraisampirenena ary ny akora simika. “

Raha liana ianao dia aza misalasala mifandray amin'ny AlliedCrowds amin'ny alalan'ny mailaka capital.finder@alliedcrowds.com ahazoana ny lisansa amin'ny fampiasana ny Capital Finder ao amin'ny tranonkala.

Na ny Global Voices na ny mpanoratra, Gabriela García Calderón, dia samy tsy manana fifandraisana amin'ny AlliedCrowds na ny tetikasany Capital Finder.