Tantara tamin'ny 10 Septambra 2016
Miteraka Ahiahy Momba Ny Fahalalahana Miteny Ao Venezoela Ny Fitazonana Am-ponja ilay Talen'ny Tranonkalam-Baovao

Nosamborina sy nampangaina ho manao fanadiovana vola maloto ilay mpisolovava sady mpanao gazety, Braulio Jatar, saingy mino ireo mampiasa tambajotra an-tserasera sy mpanao gazety fa ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana manohitra ny filoha Nicolas Maduro no tena antony.
Manararaotra Ny Tsy Fahatomombanan'ny Android Ireo Mpijirika Hikendrena Ireo Mpikatroka Iraniana

Nahafantatra ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran fa nanamafy ny ezaka hidirana an-tserasera ao amin'ny kaontin'ny mpikatroka ny zon'olombelona iraniana ireo mpijirika ahiahiana ho tohanan'ny fanjakana tao anatin'ny herinandro maromaro izay tamin'ny alàlan'ny fanararaotana ny tsy fahatomombanan'ny Android amin'ny smartfinday.


