- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahatsiaro Ireo Sasany Amin'ny Kintan'i Afghanistan, Maty Tamin'ny Fanafihana Tao Amin'ny Anjerimanontolo Fanta-daza Ao Kaboul

Sokajy: Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
aa

“Hanjaka Ny Fanabeazana”. Nozaraina tamin'ny pejy Facebook-n'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Afghanistàna ny 29 Aogositra.

Namela maty 16, nahitàna kandidà PhD an'i Oxford, mpiangaly mozika mahay ary mpirotsaka an-tsitrapo nampianatra ireo ankizy an-dalambe, ilay fanafihana nitam-piadiana nanjo ny Anjerimanontolo Amerikana ao Afghanistan (AUAF) ny 24 Aogositra. Ampolony hafa naratra.

Taorian'ilay zava-nitranga, nizara hafatra firaisankina ho an'ireo niharan-doza tao amin'ny media sosialy ny tanora Afghana sy ireo tsy maty fo aman'aina tamin'ilay fanafihana.

Tsy nisy vondrona nilaza ho tomponandraikitra, saingy nilaza ny filoham-pirenena Afghan Ashraf Ghani [1] fa nokotrehana tany Pakistàna ilay fanafihana.

Voafandrika [2] tao anatin'ny iray amin'ireo tranobe tao amin'ny AUAF ireo mpianatra maro sy ireo mpikambana ao amin'ny toeram-pampianarana, anisan'izany ilay nahazo ny lokan'ny fakàna sary Pulitzer, Massoud Hossaini.

Voavonjin'ny polisy Afghana ihany ny sasany tamin'izy ireo, toa an'i Hossani. Taorian'ny ora sivy [3], tapitra ny fanafihana ary noesorina daholo ireo olona teny amin'ny faritry ny toeram-pianarana.

Nomelohina nanerana ny sehatra ara-politika Afghana sy ireo olo-malaza iraisam-pirenena sahala amin'ny Sekretera-panjakana Amerikàna, John Kerry, ilay fanafihana nahatsiravina.

Zara raha noraisin'ireo Afghan maro anefa ny hafatra fampiononan'i Pakistàna.

Namoaka fanambaràna ihany koa ny biraon'ny raharaha ivelany ao #Pak [4] , ary nanameloka ny #AUAFAttack [5] (Fanafihana tao amin'ny Anjerimanontolo Amerikàna). Mpanohana feno ny frampihorohoroana manameloka ny fampihorohoroana ? Tsy mandresy lahatra

Mahatsiaro ireo niharan-doza

Ao anatin'ity lahatsary atolotra ho an'ireo niharan-doza sy ireo tsy maty fo aman'aina ity, nizara hafatra ho firaisankina ary fanohanana ny AUAF ireo mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Azia Afovoany any Bishkek, Kyrgyzstan, izay maro ireo Afghan mpianatra no manana namana ao amin'io ivom-pampianarana rahavavy io.

Aostraliana mpaka sary fanao an-gazety, Andrew Quilty, niresaka tamin'ny fianakavian'ny iray amin'ireo niharan-doza, Jamshid Zafar tamin'ny nitsidihany an'i Kaboul:

Fantatra tamin'ny fahaizany mitady marimaritra iraisana, na amin'ny olona tena mafy loha tsy mety miova hevitra indrindra aza, i Zafar. Nianatra ny lalàna izy fa nirotsaka an-tsitrapo kosa hampianatra ireo ankizy eny an-dalambe amin'ny fotoanany manokana. Sahirana lava izy fa malalaka foana tahaka izany koa mba hiresahana amin'ireo namana na mpianatra hafa, izay, na eo aza ny fahakelezan'ny taonany, mahazendana ny ao an-tsainy.

Tohina tamin'ny fahalasanan'i Jamshid ireo nàmany.

Vao avy nahita aho hoe 1 tamin'ireo novonoina ny alina lasa teo tamin'ny fanafihana tao #AUAF [7] ny namako be Jamshid. Tena tohina aho.

Namana hafan'i Jamshid, nizara lahatsoratr'i Jamshid, izay mivaky hoe:

Lalam-piainana ny fahafatesana, fa tsy afaka hijanona tsy hiaina intsony isika satria hoe ho faty ihany indray andro any.

Fandevenana androany an'i Jamshid Zafari, iray tamin'ireo niharan-doza tamin'ny fanafihana tamin'ny Anjerimanontolo Amerikana. Mahatorotoro loatra #AUAF [7]

Alina, 18 taona, iray tamin'ireo niharan-doza tamin'ny fanafihana ny AUAF.

Vao nanjohy ny anjerimanontolo mihitsy izy ary andro faharoan'ny nandehanany tany amin'ny toeram-pianarana azy iny.

Tamin'ny fizaràna ilay vaovao mahatsiravina, nibitsika izao i Omaid Sharifi, rahavavin'i Alina sady anisan'ny mpanorina ny hetsika kanto an-dalambe Art Lords [12]:

Ny rahavaviko, Alina, 18 taona, vao nanjohy ny #AUAF [7] ; mbola any #Pakistan [13] ny dadany amin'izao mba hàka ireo naotiny. Novonoin'ireo  #SoldiersOfEvil [14] (Tafiky Ny Helo) izy

Naqib Ahmad Khpulwak, profesora tao amin'ny AUAF, izay nivoaka avy tamin'ny Sekolin'ny Lalànan'i Stanford ary kandidà PhD an'i Oxford PhD, no hany profesora maty tamin'ilay fanafihana.

Nankao amin'ny media sosialy ireo mpianany sy namany mba hampiseho ny firaisankinany sy ny alahelony.

Namoy ny profesoranay Naqib Ahmad Khpulwak izahay ao amin'ny toeram-pianarana #AUAF [7], mpianatra nivoaka avy tao amin'ny sekolin'ny lalànan'i @Stanford [16]. Namana izy.😢

Maneho ny fiarahamiorinay amin'ireo fianakaviana sy naman'ilay #Fulbright [19] teo aloha Naqib Khpulwak sy ireo hafa maty tamin'ny fanafihanany #AUAF [7]

Nahatsiaro azy tamin'ny alalan'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook ny 26 Aogositra ny sampana Lalàna ao Stanford, fianarana izay nianaran'i Khpulwak ny taona 2013.

Iray hafa niharan-doza novonoin'ireo mpampihorohoro tamin-kanosàna tao amin'ilay fanafihana ihany koa i Abdul Walid.

Mpianatra tao amin'ny #AUAF [7] i Walid. Handry am-piadanana anie ny fanahiny. #AUAFAttack [5]

Ho fanampin'ireo sivily, very ekipa ihany koa ny Hery Fiarovam-pirenena Afghana, tafiditra amin'izany ilay Lietnà malaza Akbar.

Ankehitriny, mitomany ny fahalasanan'i Akbar, ilay maherifonay tsy hay adinoina, izahay, izay nanao sorona ny ainy mba hamonjena ireo mpianatra tamin'ny #AUAFAttack [5]

Ny fanahin'ny fanoherana

Nampanantena ny hanarina sy hiverina hivoha ny Anjerimanontolo Amerikana ao Afghanistan, avy hatrany taorian'ilay fanafihana, mba hampisehoana fa tsy hilefitra amin'ny fampihorohoroana izy ireo. Tamin'ny famoaham-baovaony ny 26 Aogositra, nilaza ny anjerimanontolo fa “tsy mieritreritra ny handohalika amin'ny tahotra” izy.

Iray tamin'ny maro nanao bitsika sy nanoratra hafatra ho an'ny fanoherana ilay tanora mpikatroka mafana fo, Jamshid Hashimi:

“Avelako hisokatra ireo elatro, ho mafy ny mozikako; tsy olana na toy inona no hitazonanao ahy anaty haizina.
Akory! Maheno ahy ve ianareo?
Afghanistan aho.”#AUAF [7] #AFG [26]

Raha firaisankina marobe no nanohana ireo hafatra ireo, maro ireo Afghana mbola manohy miady hevitra momba ny fandosirana ny firenena satria mitombo be ireo fanafihana atao amin'ireo sivily, izay manilika ny fanantenana ho an'ny hoavy feno filaminana.

Hita ho toy ny fanafihana atao amin'i Afghanistan amin'ny hoavy ilay fanafihana vao haingana natao nanjo ny AUAF. Hatramin'ny nanorenana azy ny taona 2004, nahazo [28] vatsim-pianarana tsara ireo mpianatry AUAF teo aloha, tafiditra  amin'izany ny vatsim-pianarana Fulbright, Chevening ary DAAD, izay nanome fahafahana azy ireo hahazo fahalalana ilaina entina hanorenana sy hampandrosoana ny firenena.