Manana Fahavalo Matanjaka Ilay Tsy Mpino An'Andriamanitra Nilalao Pokemon-Go Tany Am-piangonana Ao Rosia

The Pokegarden of Earthly Delights. By Hieronymus Bosch. Edited by Kevin Rothrock.

Ny Pokézaridainam-pahamiramiranan'ny Tany. Avy amin'i Hieronymus Bosch. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Vao tsy ela akory izay i Rosia no nisambotra bilaogeran-dahatsary noho ny fangalany sary ny tenany milalao ao amin'ny katediraly ary nanampy tantara “maneso” sy “vetaveta” tamin'ny fiafaran'ny lahatsary. Ity bilaogera, lehilahy 21 taona antsoina hoe Ruslan Sokolovsky monina ao Yekaterinburg ity dia nanao ny tenany ho tsy mino an'Andriamanitra mampiadihevitra be indrindra ao amin'ny firenena raha namoaka lahatsary tamin'ny 11 Aogositra mampiseho azy mampiranty fandraràna notaterin'ny vaovao Rosiana fa voaràra ny filalaovana Pokemon Go any am-piangonana. (Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, efa nisy nijery in-1,2 tapitrisa tao amin'ny YouTube ny lahatsary eto ambany, ary mieboebo amin'ny dikantsoratra amin'ny teny Anglisy indray ankehitriny.)

Toa hafahafa fa naniry fatratra hanazava ny raharaha hanenjehan'izy ireo an'i Sokolovsky ireo mpanao fanadihadiana ao Yekaterinburg. Tany am-piandohan'ity herinandro ity, andro visivitsy taorian'ny nampidirana am-ponja an'ilay bilaogera, nizara fanambarana ofisialy an-gazety tao amin'ny Facebook ny mpitondra tenin'ny vaomieram-paritra misahana ny fanadihadiana . “Ity no fanambarana an-gazety lehibe indrindra tsy mbola fahitako tao amin'ity sampan-draharaha ity,” hoy ilay mpitondra teny nanoratra. Nilaza ny fanambarana fa tsy nomena fahafahana vonjimaika i Sokolovsky satria nahitan'ny polisy zava-mahadomelina tsy ara-dalàna tao an-tranony, rehefa voasambotra izy, ary nonina tao Yekaterinburg tsy nanao fisoratana anarana ôfisialy ihany koa izy – fanitsakitsahana ny fitsipika tsy mamela mivalo ao Rosia amin'ny fahalalahana mivezivezy izany.

Mahagaga fa nanamarina ireo tsaho efa niely tamin'ny aterineto ny fanambarana an-gazetin'ny vaomieran'ny fanadihadiana, noho ireo bilaogera mpomba ny governemanta ahitana mpikambana tahaka an'i Sergei Kolyasnikov, bilaogera iray hafa  monina ao Yekaterinburg, izay namely an'i Sokolovsky tamin'ny andian-dahatsoratra manazava amin'ny antsipirihany mikasika ny tontolom-piainany sy ny fikatrohany amin'ny fanoherana ny fivavahana. Ao amin'ny Facebook, mamaritra ny tenany ho mpanara-maso ara-politika sy mpamokatra dokambarotra i Kolyasnikov. Eo amin'ny tontolon'ny bilaogy indray, izy irery ihany no nampahafantarina ny antsipiriany maro amin'ny fanadihadiana an'i Sokolovsky, alohan'ny namoahan'ny polisy ny vaovao ho an'ny daholobe.

Ruslan Sokolovsky. Sary: Vkontakte

Nanoratra ny fihazonan'i Sokolovsky zava-mahadomelina i Kolyasnikov talohan'ny namoahan'ny polisy ny zavatra hitany. Nanoratra ihany koa izy fa i Ruslan Sokolovsky dia teraka teo ambanin'ny anaram-pianakaviana samihafa – zava-misy nohamarinin'i Dmitry Kalinin, izay manontany tena hoe ahoana no nahafantaran'ireo bilaogera an'izany. “Ahoana no nahitan'izy ireo izany?” hoy i Kalinin nanontany tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Vkontakte, milaza fa toa manana fidirana amin'ny vaovao momba ny fiainan'i Sokolovsky any an-takonana ny mpitsikera.

Namerina ny ahiahian'i Kalinin tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny 5 Septambra i Dmitry Kolezev, mpanao famakafakana ao amin'ny tranonkalam-baovao tsy miankina lehibe iray ao Yekaterinburg, Znak.com:

Чем дальше развивается ситуация с Соколовским (все эти сливы от силовиков через блогеров и СМИ: он был наркоман! растлитель! он работает на иностранные разведки!), тем понятнее, что парень обидел не каких-то там православных, а куда более серьезных людей в погонах. Или, может быть, люди в погонах увидели в его деле замечательную возможность наказать опасного экстремиста, ведь это почти то же самое, что обезвредить террориста, не правда ли. (И поэтому ходатайство от Кирилла об освобождении Соколовского, если он поступит, будет им неудобно).

Mandroso ny tohin'ny raharaha Sokolovsky (ireo vaovao tafaporitsaka avy amin'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny alalan'ny bilaogera sy ny media: mpifoka rongony izy! mpihetraketraka ankizy! Miasa ho an'ny sampam-pitsikilovana vahiny izy!), Miha-mazava kokoa fa tsy olo-malaza ao amin'ny Ortodoksa ihany no notevatevain'ity lehilahy ity, fa olona ambony sasantsasany manao fanamiana koa. Na mahita, angamba, ireo lehilahy manao fanamiana nahita ny raharahany ho fanararaotana hanasaziana olona iray mahery fihetsika mampidi-doza – helohina mitovitovy amin'ny mpampihorohoro, tsy fantatrao ve. (Ka noho izany, nisy ny fanangonan-tsonia avy amin'i Kirill [Metropolitana]  amin'ny hamotsorana an'i Sokolovsky, raha ho tonga tokoa izany, dia hitondra azy ireo ao anaty raharaha manahirana izany.)

Soa ihany ho an'ireo lehilahy manao fanamiana ao Yekaterinburg, fa tsy nanao zavatra mety hiteraka ny famotsorana vonjimaika an'i Sokolovsky amin'ny alalan'ny fandoavana onitra tany am-boalohany ny Eglizy Ortodoksa. Rehefa avy nanao fanehoan-kevitra tsara fanahy tamin'ny media ny Metropolitana (Eveka Ortodoksa?) Kirill tamin'ny 3 Septambra, dia nanazava ny Filan-kevitry ny Diôsezin'ny Eglizy Ortodoksa fa miankina amin'ilay bilaogera miaiky ny fahadisoany ny isian'ny fanavotana, izay nolazain'i Sokolovsky miharihary fa tsy ho ataony. Ho fanajana izany fanapahan-kevitra izany, dia nilaza ny fiangonana fa tsy “hanery hanao ny famelan-keloky ny Kristianina”, na ny “fitiavana kristianina,” izy, famin'ny fanazavana fa tsy nangataka ny ilay voalohany [famelan-keloky ny Kristianina] i Sokolovsky ary mitsipaka ity farany [fitiavana kristianina].

Tamin'ny 7 Septambra, nitaraina i Sokolovsky fa nandrahona ny ainy any am-ponja ny mpitsabo aretin-tsaina (psykiatra) ao amin'ny fonja, nampitandrina fa mety apetraka maharitra any amin'ny “toerana tsy azon'ny mpisolovava idirana” izy. Nanambara ihany koa ireo mpanao famotorana fa nahita penina fakantsary tao an-tranony izy ireo – teknolojia izay tsy ara-dalàna ao Rosia. Sokajian'ny haino aman-jery ho “penina fitsikilovana” ilay fitaovana, manampy ny fiampangana avy amin'ireo bilaogera mpomba ny governemanta fa ny fikatrohan'i Sokolovsky momba ny tsy finoana an'Andriamanitra ao amin'ny aterineto sy ny fampahalalam-baovao dia ampahan'ny hetsika goavana tantanin'ny hery (tafika) mampidi-doza, natao hamparefo ny soatoavina nentim-paharazana ao Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.