- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tandremo Ry Mpanaratsy Bikan'olona: Tsy Hiraharaha Izany Intsony Ireto Vehivavy Pakistaney Ireto

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta
Battling Body-Shaming at Books n' Beans in Lahore. Photo Courtesy: Bully Poof Facebook Page [1]

Miady amin'ny Fampahamenarana Bika ao amin'ny Books n’ Beans ao Lahore. Sary nindramina tao amin'ny pejy Facebook Bully Proof (Porofom-panindriana)

Miady amin'ireo mampahamenatra ny vatana amin'ny alalan'ny fikarakarana fivoriana miaraka amin'ny mpianatra sy mizara ny tantaran'ireo tovovavy miaro tena amin'ny herisetram-panindriana, indray ankehitriny, ilay mpisolovava sady mpikatroka Zainab Chughtai, mpanorina ny BullyProof [2]- fanentanana ara-tsosialy hoentina hisorohana ny fampijaliana eny amin'ny sekoly Pakistaney,  .

Niparitaka be ny lahatsary iray tamin'ny Facebook mampiseho tovovavy mizara ny tantara andavanandro momba ny fampahamenaram-batana. “Efa nijery ny fomba fatorinao ve ianao? Tena ratsy be ianao,” hoy ny vehivavy iray nitatitra fa izany no nambara taminy. “[Amin'ny] maha 14 taona, tsy maintsy mandre fanehoan-kevitra [aho] fa tsy hisy hangata-bady,” hoy ny hafa manampy.

Nisy fotoana tao amin'ny lahatsary, nizara tantara mahavaky fo i Chugtai tenany: “Nolazaina tamiko fa tokony atao lalina kokoa ny fasana hohadiako ho ahy,” hoy izy, mihazona ny ranomasony. Niaiky ny vehivavy iray hafa fa niharan'ny teny mahatonga tebiteby teo amin'ny taona mamparefo azy fony 15 taona noho ny fampahamenaram-batana nahazo azy: “Nentina tany amin'ny hopitaly aho, ka nahita izy ireo fa tratran'ny hyperthyroïdie (fahabetsahan'ny hormona) aho, aretin'ny fiovam-batana (metabolisma) noho ny fahazoako lanja tafahoatra. “

Niteraka valinteny avy amin'ireo tovovavy miatrika zavatra tahaka izany ihany koa ny fijoroana vavolombelona manokana nataon'ireo vehivavy miseho ao amin'ny lahatsary. Syeda ShahBano Ijaz nizara [3] ny fomba nanampiany ny zanany vavy mba handresy ny olan'ny bikan'ny vatana.

Zainab Chughtai [4]: you have no idea how wonderful this is. I wish I could have been a part of it – because this body shaming was so bad for me as a kid. I try my best to make sure my daughter doesn't care about how she looks […] that she should respect her body as it is. I see her chubby thighs and know she will always have trouble buying pants but I want her to NOT care. What a long fight we have.

Zainab Chughtai [4]: tsy tsapanao fa tena mahafinaritra izao. Maniry aho mba manana anjara amin'izany – satria tena ratsy ho ahy amin'ny maha ankizy ity fampahamenarana ny vatana ity. Miezaka araka izay azoko atao aho mba hiantohana fa tsy miraharaha momba endriky ny vatany ny zanako vavy […] fa tokony hanaja ny vatany izy. Hitako fa ngezabe ny feny ary fantatro fa hanana olana foana izy rehefa mividy pataloha saingy tiako izy mba TSY hiraharaha izany. Tena tolona lavitr'ezaka ny anay.

Tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity, notsikerain'ireo olom-pirenena sy mpisolovava mpanohitra ny Minisitry ny Fiarovana Pakistaney, Khawaja Asif [5] raha nanao fanamarihana manambaty vehivavy [6] tamin'ny solombavambahoaka namany Shireen Mazari [7]. Nikasa hanampim-bava an'i Mazari nandritra ny adihevitra tao amin'ny parlemantera tao anatin'ny fahatapahan-jiro i Asiv, hoy izy tao anatin'ny fikasana hampahamenatra ny vatany: “Misy olona afaka mampangina ity sarety traktera ity ve.” Nampiany hoe, “Ataovy ho an'ny vehivavy kokoa ny feony.” Niteraka fahatezerana ny fanambaran'i Asif ary avy eo voatery niala tsiny izy, nampiseho ny toe-tsainy fa matetika ampiasaina hanampenam-bava ny vehivavy ny fampahamenaram-batana.

Mpiantsehatra mijoro i Faiza Saleem nizara [8] ny zavatra niainany amin'ny fiadiana ny fampahamenarana ny vatana tamin'ny alalan'ny hatsikana:

Never in my life have I had a more fulfilling experience. Body-shaming is an issue so close to my heart yet such a sensitive subject to talk about that I was afraid it would make audiences uncomfortable(unlike actual fat-shaming-everyone's cool with that). Yet, as I stood there with the support of nine amazing women, I could not have felt happier as the crowd laughed and hooted at every line I said. And when they stood up from their seats to tell me that they understood, I found it difficult to hold back my tears. United, we stand UP! This one's for all my fatties, with love.

Tsy mbola nanana traikefa tsara kokoa noho izany aho teo amin'ny fiainako. Mbola olana akaikin'ny foko ny fampahamenaram-batana, raha resahana ny lohahevitra saro-pady tahaka izany fa natahotra aho fa mety hahatonga ny mpihaino tsy hahazo aina (tsy tahaka ny fampahamenaran'ny rehetra ny matavy) izany. Na izany aza, nijoro teto aho miaraka amin'ny fanohanan'ireo vehivavy sivy mahafinaritra, tsy mba nahatsiaro faly toy izany aho na dia nihomehy sy nihoraka isaky ny andalana lazaiko aza ny vahoaka. Ary raha nitsangana teo amin'ny sezany izy ireo mba hilaza amiko fa azon'izy ireo ny tiana ambara, dia hitako fa sarotra ny nihazona indray ny ranomasoko. Tafatambatra, MITSANGANA izahay! Ho amin'ny hatavezako, amim-pitiavana, tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny fanentanana ataon'i Chughtai dia manohitra ny fanalàna baraka mahazo ny vehivavy momba ny bikan'izy ireo amin'ny alalan'ny fanabeazana ny tanora vehivavy sy ny lehilahy momba ny herisetram-pampijaliana, miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'ny fampahamenarana ny vatana. Hoy izy nanazava [9]:

This is us taking back our own bodies, and owning our own skins. We are enough. I am enough. This is the beginning of something beautiful, and the first of many more such confessionals to come.

Manaiky ny vatantsika manokana indray isika, ary manana ny volon-koditra antsika manokana. Ampy antsika izay, ampy ahy izay. Fanombohan-javatra tsara ity, ary voalohany amin'ireo fiaikena maro mbola hoavy tahaka izany.