- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manontany Ny Indiana: Tena Heloka Tokoa Ve Ny Fitsidihana Ny Habaka Torrent?

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava
Screenshot of a Bittorent client. Image by Carl Sagan via Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0 [1]

Pikantsarin'ny mpanjifan'ny Bittorent. Sary avy amin'i Carl Sagan tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0

Nandràra ireo habaka torrent mielipatrana isan-karazany nandritra ny fotoana maharitra i India – vaovao taloha izany. Saingy eo ambanin'ny politika federaly vaovao ao India, azo gadraina mandritra ny telo taona [2]sy mandoa onitra 300.000 Ropia indiana (~ 4464 dolara Amerikana) ny olona izay tratra mitroka votoaty ao amin'ireo tranonkala nakatona [3].

Nanjary miahiahy mikasika ny mety ho dikan'ny fitsipika ho azy ireo ny mpiserasera izay mampiasa matetika izany sy ny tolotra mitovy amin'izany. Tamin'ny herinandro lasa, niteraka tsaho hatraiza hatraiza ny filazana lalàna vaovao momba ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona fa mety ho voasazy noho ny fijerena fotsiny ny habaka torrent ny mpiserasera.

Miseho ankehitriny ny filazana rehefa misy olona mitsidika ny iray amin'ireo tranonkala voaràra. Hoy ny vakiny:

This URL has been blocked under the instructions of the Competent Government Authority or in compliance with the orders of a Court of competent jurisdiction. Viewing, downloading, exhibiting or duplicating an illicit copy of the contents under this URL is punishable as an offence under the laws of India, including but not limited to under Sections 63, 63-A, 65 and 65-A of the Copyright Act, 1957 which prescribe imprisonment for 3 years and also fine of upto Rs. 3,00,000/-. Any person aggrieved by any such blocking of this URL may contact at urlblock@tatacommunications.com who will, within 48 hours, provide you the details of relevant proceedings under which you can approach the relevant High Court or Authority for redressal of your grievance.

Nakatona teo ambanin'ny toromariky ny Manampahefam-panjakana Mahefa na koa ho fanajana ny baikon'ny Fitsarana Mahefa ny rohy. Ny fijerena, fitrohana, fanehoana na fandikàna kopia tsy ara-dalàna amin'ireo votoaty ireo dia azo saziana avokoa toy ny fandikan-dalàna eo ambanin'ny lalànan'i India, tafiditra fa tsy voafetra amin'ny Fizarana faha 63, 63-A, 65 sy 65-A momba ny Lalànan'ny zon'ny mpamorona, tamin'ny taona 1957 izay milaza fampidirana am-ponja mandritra ny 3 taona sy fandoavana onitra hatramin'ny Rs. 300.000 / -. Izay olona voatohintohina noho ny fanakatonana izany rohy izany dia afaka mifandray amin'ny urlblock@tatacommunications.com izay hanome anao, ao anatin'ny 48 ora, ny antsipirian'ny zavatra tokony atao ahafahanao manatona ny Fitsarana Ambony na ny Manampahefana mahefa ho fanonerana ny fahavoazanao.

Tsy ela taorian'ny niparitahan'ny vaovao momba ny filazana, namoaka didy [4] John Doe ny Fitsarana Avo ao Chennai  [5] – iray amin'ireo fitsarana tranainy indrindra ao India mba hanakatona tranonkala marobe hatramin'ny 830, anisan'izany ireo tranonkala torrent [6] marobe tahaka ny thepiratebay.se, torrenthound.com, sy ny kickasstorrents.come.in.

Inona izany hoe torrent?

Ny torrent [7] dia anisan'ny rafitra ahafahana mifanolotra tahiry eo amin'ny tsirairay [8] (“P2P”) izay ampiasaina hizarana tahiry sy angona elektronika manerana ny aterineto [9].
Fantatra amin'ny hoe BitTorrent [10], ity rafitra fizarana tahiry ity dia iray amin'ireo fenitra ara-teknika mahazatra indrindra amin'ny famindrana tahiry lehibe, tahaka ny tahirim-peo nomerika [11] ahitana fandaharana amin'ny Fahitalavitra [12]na raki-tsary [13] na tahirim-peo nomerika [11] ahitana hira [14].

Ao anatin'ity rafitra ity, ny tahiry misy soratra fanitarana.torrent dia ahitana metadata (tahiry mpandrakitra tahiry) momba ny rakitra – ohatra anaran-drakitra, ny haben'izy ireo, ny firafitry ny fampirimana ary ny lanja kryptografika ilaina amin'ny fanamarinana azo antoka. Tsy ahitana ny votoaty ho zaraina izy ireo, saingy raha tsy misy azy ireo, dia tsy mandeha ny rafitra. (tao amin'ny Wikipedia [7])

Namoaka lahatsoratra bilaogy [15] ny  vavahadim-baovao teknolojia Indiana Medianama izay miady hevitra fa resaka fitrohana votoaty voajirika avy amin'ireo tranonkala sasany voaràra izany fa tsy fidirana amin'ireo tranonkala ireo izay tokony hitarika any amin'ny olana ara-pitsarana. Toa noho ny haratsin'ny fandrafetan-teny ao amin'ny filazana no miteraka olana. Nosokajian'ny Medianama ho “hafahafa amin'ny fomba fisainana rehetra” izany, ary nanamarika koa izy fa, raha raisina ara-bakiteny, dia tsy mifanaraka amin'ny lalànan'ny Zon'mpamorona Indiana.

Nahitana fiovana maro tao ho ao ny Lalànan'ny Fijirihana Nomerika [16] amin'ny ankapobeny ary ny (fizarana faha-63, 63A sy 65 amin'ny Lalànan ‘ny Zon'ny Mpamorona Indiana tamin'ny taona 1957 [16]) tao anatin'ny dimy taona farany [17] nefa dia tsy mbola nampiharina natao hanankery toy izao taloha.

Tsy vao voalohany i India no nametraka fandraràna amin'ny habaka tahaka izany. Tamin'ny Desambra 2014, tranonkala 32 – anisan'izany ny habaka mpampiantrano kaody Github [18], ny habaka fandefasana lahatsary mivantana Vimeo [19] sy Dailymotion, [20]ny fitehirizana antserasera Internet Archive [21], ny habaka mpampiantrano rindrambaiko malalaka Sourceforge [22] — no voaràra [23]tao India. Avy eo nosokafana izy ireo tatỳ aoriana rehefa nanaiky hanaisotra ireo votoaty sasany mifandraika amin'ny ISIS.

Tahaka ny tamin'ny lasa, nanomboka nanome sosokevitra fipiratena [24] hanafenana na hanaovana adiresy IP sandoka an'olona iray ny mpiserasera mpahay teknolojia. Sumiteshwar Choudhary, mpisolovava momba ny heloka bevava sy ny fanambadiana namariparitra tao amin'ny Quora mikasika ny nisian'ny lalàna nandritra ny fotoana elaela saingy tsy mba nampihatra izany tanteraka ny governemanta:

[..] The only reason that India has not been able to successfully ban these services is because the servers rest outside India and we don’t have any law to extend our jurisdiction to that extent today. As an end user if you download a pirated version of things you are not entitled to, you can be booked criminally under this Act and can face prison for up to 2 years…

    [..] Ny hany antony mahatonga an'i India tsy mahomby amin'ny fandraràna ireo tolotra ireo dia satria any ivelan'i India ny lohamilina ary tsy manana lalàna mba hanitarana ny fari-pitsarantsika amin'izany isika amin'izao fotoana izao. Amin'ny maha mpiserasera farany, raha mitroka dikan-javatra nopiratena ianao kanefa tsy manan-jo hanao izany, dia azo toriana amin'ny heloka bevava eo ambanin'ity lalàna ity ary mety hiatrika fanagadrana mandritra ny 2 taona na mahery …

Mpisera Twitter Prisma Mama Thakur nitsikera ny fandraràna, niady hevitra fa tsy tokony ho laharam-pahamehana izany amin'ny fotoana hisian'ny olana goavana marobe hafa hovahana ao India:

 An'arivony ireo tranga mbola miandry, mbola miriaria ireo jiolahy. Tsara izany. Andeha hosamborina ny olona izay mitroka votoaty