- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fetiben'ny Fahavaratra Mahatalanjona Indrindra Ao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
青森ねぶた祭

Pikantsary avy amin'ny Discover Nippon Fantsona YouTube ofisialy [1].

Ny Fetiben'ny Aomori Nebuta [2] no iray amin'ireo fetibe malaza sy lehibe indrindra fanao isan-taona mandritra ny telo andro ao anatin'ny volana Aogositra [3] ao Japana. Araka izany anarany izany dia atao ao Aomori, renivohitry ny prefektioran'i Aomori any amin'ny farany avaratr'i Honshu izy ity – na koa atao ao amin'ny lapamandan'i Hirosaki taloha ary antsoina hoe Fetiben'ny [4] Nebuta [4] izy amin'izany .Tsikaritra amin'izany ny sary mitsingevana am-polony manana halavana telo-polo hakiho mirehitra jiro mampiseho endrik'olona japoney malaza ara-tantara sy amin'ny angano. Tena fampisehoana mahatalanjona , ary mazava ho azy fa noho ireo lahatsoratra mahavariana ihany koa tao amin'ny media sosialy.

 . . #三井寺合戦 新田四天王大暴れ 作: 北村 蓮明 #Nbuta #青森ねぶた #festival #ねぶた祭 #KSUKETRIP [5]

Lahatsary nalefan'i KSUKE (@ksuke_jpn) tamin'ny

Iray amin'ireo fetibe 3 lehibe indrindra ny Nebuta ao Aomori ao Japana. Tena mahavariana ireo saribakoly goavana mihaingo fatratra!!!

Maro ireo petra-kevitra [6] isankarazany milaza ny fiavian'ny fetibe Nebuta. Nisy ny adi-hevitra nilaza fa mety ho karazana fetibe Tanabata [7] ilay fetibe , izay matetika ankalazaina any amin'ny faritra maro ao Tohoku ary atao mandritra ny volana Aogositra ihany koa. Ny petra-kevitra iray hafa indray milaza fa nolovaina efa maherin'ny arivo taona lasa ny fampiasana ireo sary mitsingevana, ny amponga ary ny fandihizana raha nandeha tany amin'ny faritra avaratra atsinanana mba hifehy ireo mponina   tompontany  Emishi [8] ao amin'ny faritra ny tafika avy any amin'ny faritra andrefan'i Japana 

ねぶた〜〜めっちゃ良い席で見れて良かったよ〜〜迫力も凄かった〜〜. . #青森#ねぶた#ねぶた祭#お祭り#祭り#最高 [9]

Sary nalefan'ny yuka (@ukyuka) tamin'ny

Aty amin'ny Fetibe Nebuta aty Aomori izahay. Naka seza lehibe izahay mba ahafahana mijery tsara. Tena faran'izay mahafinaritra! #AomoriNebutaFetibe #fetibefahavaratra #nytsaraindrindra!

Manintona mpitsidika avy any amin'ny faritra manerana an'i Japana sy manerana izao tontolo izao ny hetsika voalohany volana Aogositra ao an-tanànan'i Aomori .

Tena tsy takatry ny saina ny halehiben'ireo zavatra ireo… ねぶたの大きさがInstagramあまりわからないけど… [10]

Sary nalefan'i Jerel Henderson (@jerelh) 2 

Tena tsy takatry ny saina ny halehiben'ireo zavatra ireo…

Midika zavatra be mihoatra lavitra noho ny sary mitsingevana goavam-be mirehitra jiro mahafinaritra , sodina, amponga ary mpandihy ny fetibe , ireo rehetra no mitambatra miaraka ka mahatonga ny zava-mitranga ho tsy hay hadinoina. Tamin'ity taona ity, naka lahatsary lava maharitra adiny iray ny mpisera YouTube iray ka nahafahana mijery tsara ireo zava-nitranga nisy tao amin'ny hetsika:

Ny tombony tamin'ny Fetibe Nebuta tamin'ity taona ity dia ny fahafahan'ireo avy ao Tokyo sasany  nankafy  ny hetsika  na dia tsy nakany Aomori aza izy ireo.  Nikarakara  fampirantiana [11] Wa no Akari ( jiro Japoney isan-karazany)  nandritra ny roa volana [11] ny vondrom-piarahamonina iray ao an-drenivohitra, Meguro Gajoen [12] tao amin'ny faritra ara-kolontsaina  lehibe Hyakudan Kaidan [13] (Tohatra Zato Dingana ) .

和のあかりねぶた祭 #和のあかり #百段階段 #和のあかり百段階段展2016 #目黒雅叙園 #ねぶた祭 #目力 #迫力満点 #写真好きな人と繋がりたい #日本の夏 #夏の思い出 #夏の風物詩 #nikond600 #light #wp_japan #tokyo #airy_pics #instagramjapan #team_jp_flower #pics_jp #まつり #見応えたっぷり #retro_japan_ #pics_jp2016 #retro [14]

Sary nalefan'i Raka*(らか) (@rakafleur) tamin'ny 1 

fetiben'ny fomba fampiratiana jiro Japoney ao amin'ny Hyakudan Kaidan ao Meguro, Tokyo (2016) #wp_japana #tokyo
#ankalamanjana_sary #instagramjapan #ekipa_jp_voninkazo #sary_jp #retro_japana_ # sary_jp2016 #retro

久しぶりの目黒雅叙園 其の2 #四角い写真 #ねぶた祭 #目黒雅叙園 [15]

Sary nalefan'i akinori.tsuru (@darknoid) tamin'ny

I'm checking out Meguro Gajoen for the first time in a while: two floats are on display. #MeguroGajoen #NebutaFestival

Sambany nanamarina elaela ny Meguro Gajoen : tsingevana roa atao fampirantiana .#MeguroGajoen #FetibeNebuta

Na izany aza, nahita ny tena izy amin'ny Fetibe Nebuta ny olona maro izay namita dia ho any Aomori- izay fomba iray handaniana ny fahavaratra:

[やってまれ、やってまれ〜〜] 北国の #夏祭り 、 #ねぶた祭 見に行きました .。. . 地上20メートルの #立ねぶた が、大迫力でしたよ〜.。. . 今週も夏を楽しみましょうね♡.。. . #北の国から2016 #祭 #夜祭り .。. [16]

Sary nalefan'i aiko (@hondaaiko0810) 7 

“Don't hold back! Don't hold back!” #SummerFestival in the north country. I went and saw the #NebutaFestival. The site of a sixty-foot-tall Nebuta float was amazing. Let's enjoy the rest of the summer!

“Aza misalasala! Aza misalasala! “#FetibeFahavaratra any amin'ny faritany avaratra. Nandeha nijery ny #FetibeNebuta. Mahagaga ny mahita ny toerana misy ny sary mitsingevana manana halavana enimpolo hakiho. Andeha isika hankafy ny vanin-taona mafana sisa!