Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Fetiben'ny Fahavaratra Mahatalanjona Indrindra Ao Japana

Ny Fetiben'ny Aomori Nebuta no iray amin'ireo fetibe malaza sy lehibe indrindra fanao isan-taona mandritra ny telo andro ao anatin'ny volana Aogositra ao Japana. Araka izany anarany izany dia atao ao Aomori, renivohitry ny prefektioran'i Aomori any amin'ny farany avaratr'i Honshu izy ity – na koa atao ao amin'ny lapamandan'i Hirosaki taloha ary antsoina hoe Fetiben'ny Nebuta izy amin'izany .Tsikaritra amin'izany ny sary mitsingevana am-polony manana halavana telo-polo hakiho mirehitra jiro mampiseho endrik'olona japoney malaza ara-tantara sy amin'ny angano. Tena fampisehoana mahatalanjona , ary mazava ho azy fa noho ireo lahatsoratra mahavariana ihany koa tao amin'ny media sosialy.

 . . #三井寺合戦 新田四天王大暴れ 作: 北村 蓮明 #Nbuta #青森ねぶた #festival #ねぶた祭 #KSUKETRIP

Lahatsary nalefan'i KSUKE (@ksuke_jpn) tamin'ny

Iray amin'ireo fetibe 3 lehibe indrindra ny Nebuta ao Aomori ao Japana. Tena mahavariana ireo saribakoly goavana mihaingo fatratra!!!

Maro ireo petra-kevitra isankarazany milaza ny fiavian'ny fetibe Nebuta. Nisy ny adi-hevitra nilaza fa mety ho karazana fetibe Tanabata ilay fetibe , izay matetika ankalazaina any amin'ny faritra maro ao Tohoku ary atao mandritra ny volana Aogositra ihany koa. Ny petra-kevitra iray hafa indray milaza fa nolovaina efa maherin'ny arivo taona lasa ny fampiasana ireo sary mitsingevana, ny amponga ary ny fandihizana raha nandeha tany amin'ny faritra avaratra atsinanana mba hifehy ireo mponina   tompontany  Emishi ao amin'ny faritra ny tafika avy any amin'ny faritra andrefan'i Japana 

Aty amin'ny Fetibe Nebuta aty Aomori izahay. Naka seza lehibe izahay mba ahafahana mijery tsara. Tena faran'izay mahafinaritra! #AomoriNebutaFetibe #fetibefahavaratra #nytsaraindrindra!

Manintona mpitsidika avy any amin'ny faritra manerana an'i Japana sy manerana izao tontolo izao ny hetsika voalohany volana Aogositra ao an-tanànan'i Aomori .

Tena tsy takatry ny saina ny halehiben'ireo zavatra ireo… ねぶたの大きさがInstagramあまりわからないけど…

Sary nalefan'i Jerel Henderson (@jerelh) 2 

Tena tsy takatry ny saina ny halehiben'ireo zavatra ireo…

Midika zavatra be mihoatra lavitra noho ny sary mitsingevana goavam-be mirehitra jiro mahafinaritra , sodina, amponga ary mpandihy ny fetibe , ireo rehetra no mitambatra miaraka ka mahatonga ny zava-mitranga ho tsy hay hadinoina. Tamin'ity taona ity, naka lahatsary lava maharitra adiny iray ny mpisera YouTube iray ka nahafahana mijery tsara ireo zava-nitranga nisy tao amin'ny hetsika:

Ny tombony tamin'ny Fetibe Nebuta tamin'ity taona ity dia ny fahafahan'ireo avy ao Tokyo sasany  nankafy  ny hetsika  na dia tsy nakany Aomori aza izy ireo.  Nikarakara  fampirantiana Wa no Akari ( jiro Japoney isan-karazany)  nandritra ny roa volana ny vondrom-piarahamonina iray ao an-drenivohitra, Meguro Gajoen tao amin'ny faritra ara-kolontsaina  lehibe Hyakudan Kaidan (Tohatra Zato Dingana ) .

fetiben'ny fomba fampiratiana jiro Japoney ao amin'ny Hyakudan Kaidan ao Meguro, Tokyo (2016) #wp_japana #tokyo
#ankalamanjana_sary #instagramjapan #ekipa_jp_voninkazo #sary_jp #retro_japana_ # sary_jp2016 #retro

久しぶりの目黒雅叙園 其の2 #四角い写真 #ねぶた祭 #目黒雅叙園

Sary nalefan'i akinori.tsuru (@darknoid) tamin'ny

I'm checking out Meguro Gajoen for the first time in a while: two floats are on display. #MeguroGajoen #NebutaFestival

Sambany nanamarina elaela ny Meguro Gajoen : tsingevana roa atao fampirantiana .#MeguroGajoen #FetibeNebuta

Na izany aza, nahita ny tena izy amin'ny Fetibe Nebuta ny olona maro izay namita dia ho any Aomori- izay fomba iray handaniana ny fahavaratra:

“Don't hold back! Don't hold back!” #SummerFestival in the north country. I went and saw the #NebutaFestival. The site of a sixty-foot-tall Nebuta float was amazing. Let's enjoy the rest of the summer!

“Aza misalasala! Aza misalasala! “#FetibeFahavaratra any amin'ny faritany avaratra. Nandeha nijery ny #FetibeNebuta. Mahagaga ny mahita ny toerana misy ny sary mitsingevana manana halavana enimpolo hakiho. Andeha isika hankafy ny vanin-taona mafana sisa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.