- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihahenjana Ny Toe-Draharaha, Mikarakara Fihetsiketsehana Ao An-Drenivohitra Ny Mpanohitra Ao Venezoelà

Sokajy: Venezoela, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Fotografía de Andrés E. Azpúrua: Jóvenes manifestantes en Caracas por la libertad de expresión en 2007. Publicada bajo licencia Creative Commons. [1]

Mpanao fihetsiketsehana ao Caracas mitaky fahalalahana maneho hevitra tamin'ny 2007. Sary:Andrès E.Azpurua. Navoaka Creative Commons

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy tany an-toerana ny diabe nokarakarain'ny mpanohitra Venezoelana izay nitranga ny voalohany Septambra. Ny haino aman-jery tsy miankina  toy ny Pitazo, ReporteYa [2] sy Efecto Cocuyo [3] dia mitatitra ny hetsika amin'ny fampiasana ny tenirohy toy ny #TomadeCaracas [4] (Fandraisana an'i Caracas) sy ny #1SeptReclamoDeLibertad [5] (VoalohanySeptambraHitakianaFahafahana) raha mampiasa ny  #ChavismoQuierePaz (MilaFilaminanaNyChavismo) kosa ny mpanohana ny governemanta.

Toy izao no fanombohan'ny ‘Fandraisana an'i Caracas’ avy eny amin'ny toeram-piaingana (SARIPIKA)

Efa tsapa nandritra ny andro vitsivitsy mialoha ny fanomanana ny diabe ny fihenjanana, raha  manomboka mameno tsikelikely ny renivohitra  [7] ireo vondrona teratany avy amin'ny fanjakana Amazonas, any atsimo indrindra ao Venezoelà .Nihahenjana ny toe-draharaha rehefa ampangain'ny mpanohitra ny fihetsiketsehana ho manomana fanonganam-panjakana [8] amelezana ny governemantan'i Nicolas Maduro ny mpanohitra.

Milaza ny mpanao fihetsiketsehana fa manohitra ny fiharatsian'ny korontana ara-toekarena misy amin'izao fotoana izao ry zareo ary mikatsaka ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka hamaranana ny fe-potoam-piasan'ny Filoha Nicolas Maduro. Efa elaela izany i Venezoelà no mandalo krizy ara-toekarena sy ara-politika, izay nihamafy [9] tao anatin'ny roa taona .

Andro mialoha ny fidinana an-dalambe, nanolotra “antsafa politika” [10] tao amin'ny facebook izay nozaraina ampahibemaso hiresahana mikasika io diabe io ny mpanao gazety sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Luis Carlos Diaz [11], sy ny mpanao gazety, Naky Soto [12] , .

Nandritra ny fanomanana ny hetsi-panoherana, notaterin'ny famoaham-baovao tahaka ny Efecto Cocuyo ihany koa ireo fihoaram-pahefana sy sakana azo heverina ho avy amin'ny manam-pahefana:

Ankehitriny [13] : Izao no fanalana olona amin'ny fiara fitateram-bahoaka amin'ny Lalambe Panamericana pic.twitter.com/3rQFbepgC6 [14]

#Amin'izao fotoana izao [13]:teo anoloan'ny IVIC manaraka ny Panamericana, misy ny fampijanonana fifamoivoizana. Avoaka ny fiara fitateram-bahoaka ny olona ary gejaina ireo fiara pic.twitter.com/ZNUvuEIusO [16]

Noraiketin'ny haino aman-jery hafa tany an-toerana ireo sakantsakana maro teny an-dalana, tamin'ny filazana fa nosakanan'ny Mpiambina Nasionaly ireo mpanao fihetsiketsehana avy any anivon-tanin'i Venezoelà mitodi-doha ho any an-drenivohitra:

Manifestantes que van a la #TomaDeCaracas [4] rompieron el piquete policial en el peaje de Yaracuy y lograron pasar. pic.twitter.com/JIsNRdW6LI [18]
— El Nuevo País y Zeta (@enpaiszeta) September 1, 2016 [19]

Mpanao fihetsiketsehana mandeha ny fiaran'ny ‘Fandraisana an'i Caracas’ tao Yaracuy Turnpike nandrava ny sakana nataon'ny polisy ary afaka nanohy ny dia