- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Donald Trump Tao Meksika: Tsy Nankasitrahan'ny Meksikana Ny Fitsidihana

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Etazonia, Meksika, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

 

Captura de pantalla de la conferencia de prensa de Peña Nieto y Trump tras su reunión privada. Transmitida por YouTube.

Pikantsarin'ny valan-dresaka nataon'ny Filoha Peña Nieto sy Trump taorian'ny fihaonan'izy ireo mitokana. Nampitaina tao amin'ny YouTube.

Nanao fitsidihana tao an-drenivohitra Meksikana ny Alarobia 31 Aogositra 2016 teo i Donald John Trump [1] kandidàn'ny Antoko Repoblikana hilatsaka hofidiana ho Filohan'ny Etazonia Amerika  mba hanao fihaonana manokana amin'ny Filoha Meksikana Enrique Peña [2]. .

Niely ny vaovao ny alina talohan'izay fa nanaiky ny fanasan'ny Filoha Peña ilay kandidà amerikana ao amin'ny Trano Fotsy, izay efa nanasa ihany koa ny kandidàn'ny [3] Antoko Demokratika [4] Hillary Clinton mba hihaona aminy. Na dia izany aza, Donald Trump ihany aloha hatramin'izao no nanaiky.

Nitatitra ny vaovao ny kaonty Twitter ofisialin'ny Filoha Meksikana :

Nanasa ny kandidà ho filoham-pirenena any Etazonia ho eto Meksika aho, mba hiresaka momba ny fifandraisan'ny roa tonta.  Mandray an'i Donald Trump aho rahampitso.

Nahazo fanakianana maro tao amin'ny tambajotra sosialy Meksikana ny zava-misy. Naneho ny tsy hafaliany avy hatrany ireo mpisera tao amin'ny Twitter :

Alarobia , 11 ora .
Kianjan'ny Anjelin'ny Fahaleovantena : ” Tsy mila , EPN ‘ ‘ , ‘ ‘ Trump, tsy tonga soa ianao ”

Me siento ofendida realmente por la invitación de @EPN [10] a @realDonaldTrump [11]#TrumpNoEresBienvenido [7]#FueraTrumpFueraEpn [12]https://t.co/QQPJttF5f8 [13]

— Joyce Mac Naught ♕ (@joycemacs) 31 de agosto de 2016 [14]

Tena mahatsiaro ho tohina noho io fanasan'i @EPN [10] an'i @realDonaldTrump [11] aho

Mety ho paikady tsara ny fanasana an'i #Trump [15] aty Meksika mba hampidi-doza azy, kanefa fantatsika tsara fa tsy mpahay tetikady i #EPN [16] …. eny e !

Azo adika amin'ny hevitra roa ny fanasana ho an'ilay mpanao gazety Gabriel Guerra ( manana mpanjohy maherin'ny 75.000  ao amin'ny Twitter) :

Anisan'ny fampielezan-kevitra izany ho an'i #Trump [15], dokambarotra natao fotsiny. Fanamby tena mampidi-doza ho an'ny fitondran'i #EPN [16].

Niteraka fankahalana ho an'ireo olom-pirenena Meksikana sy ny Meksikana-Amerikana ny fanehoan-kevitra mamingavinga [20] ireo Meksikana nambaran'i Trump nandritra ny fampielezan-keviny, indrindra fa ny fampanantenany hanorina ny manda teo amin'ny sisintany [21] mampifandray an'i Etazonia sy Meksika mba hampitsaharana ny fifindra-monina.

Noho ilay fihaonana tsy nampoizina, nanomboka nanontany tena ny olona hoe inona no anton'ny fitsidihana. Nandefa ity hafatra manaraka ity i Elizabeth Rivera [22] – mpamoaka lahatsoratra ato amin'ny Global Voices Amerika Latina :

Hay !!! Izay vao takatro , hanao fanambarana miaraka i  #EPN [16] ( Enrico Peña Nieto ) sy #Trump [15] fa ny Vondrona BTP Higa no hanangana ny manda.

[Fanamarihana :  fikambanan'orinasa nahazo ny fifanarahana tolotr'asam-panjakana fanamboarana isan-karazany ny Vondrona Higa nandritra ny naha-governora an'i Enrique Peña tao amin'ny Fanjakan'i Mexico [24]. Ankoatra izany, ity vondrona ity ihany koa no nanolotra trano faran'izay mihaja ho an'ny vadin'i Atoa Peña, tantaram-panafintohinana iray antsoina hoe “Casa Blanca [25] ” ]

Nilaza toy izany koa i Joselo Herrera :

Tonga eto Meksika i Donald Trump mba hanolotra asa ho an'ny Meksikana rehetra . HANANGANA NY MANDA .

Ny fihaonana

Niantsona tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Mexico [27] ny fiaramanidina manokana an'ilay mpanefoefo Amerikana  (fantatra amin'ny anarana hoe Trump Force One )  manodidina ny tamin'ny 1:30 folakandro ny 31 Aogositra – kanefa mazava ho azy fa voarara [28] ny fipetrahan'ireo sidina manokana eto amin'ity seranam-piaramanidina ity. Avy eo niakatra tao anaty angidimby manokan'ny governemanta Meksikana izy mba ho any Los Pinos [29] (fonenan'ny filoha) hanao fihaonana manokana .

Nandritra ny fitsidihan'i ” Don ” ( araka ny anaram-bositra nomen'ny mpiray tanindrazana sasany azy) tao Los Pinos,  nivory manodidina ny sarivongana famantarana ny Ángel de la Independencia [30] ( ny Anjelin'ny Fahaleovantena ) ny mpanao fihetsiketsehana tokony ho telopolo eo ho eo ho fanoherana ny fahatongavan'ilay milionera .

Protestas en México por la visita del candidato a la presidencia de Estados Unidos por el Partido Republicano. Imágenes del autor.

Hetsi-panoherana tao Meksika manohitra ny fitsidihan'ny kandidàn'ny Antoko Repoblikana ho filoham-pirenena ao Etazonia. Sarin'ny mpanoratra.

Nanome valan-dresaka ny Filoha Peña sy ny vahininy taorian'ny fihaonany tao Los Pinos. Nanamafy ny filazan'ny filoha ny fampitam-baovao mahazatra nasionaly [31] fa ” mendrika ny fanajan'ny rehetra ny Meksikana”, etsy andanin'izany, liana tamin'ny valinteny nomen'ilay kandidà Amerikana momba ny mandan'ny sisintany malaza ratsy ny fampahalalam-baovao vahiny [32] : ” manan-jo hanorina manda Etazonia mba hampitsaharana ny fifindra-monina, kanefa mbola tsy misy resaka ny hoe iza no handoa ny fanorenana”.

Nanao famintinana ity fihaonana ity i  Jorge Ramos mpanao gazety :

Lasa tsy nisy fialan-tsiny i Trump, tsy nisy fanajana ireo Meksikana sady tsy nanova na inona na inona momba ny fandaharan'asany miady amin'ny fifindra-monina.

Niteny toy izao manaraka izao i Ricardo Anaya, mpitarika ny hetsiky ny mpanohitra ara-politika an'i Enrique Peña :

Navelan'ny governemanta hanambany ireo Meksikana i @realDonaldTrump [11]  raha tokony mitaky azy hanao fialan-tsiny izy ireo. Tsy azo ekena izany.

Ary i Robert Valencia, mpiara-miasa [35] amin'ny Global Voices, naneho hevitra amin'ny anjara asan'ny filoha Meksikana :

Tsy nahay nanararaotra hitondra an'i Trump eny amin'ny manda i @EPN [10], vao maika nanamafy ny maha-mpitarika tsy manam-panahy azy.

Ankoatra ny adihevitra noho ny fanasana ny mpanefoefo Amerikana , tafaroboka tao anatin'ny fitsikerana maro i Peña  taorian'ny famoahana ny fanadihadian'ny mpanao gazety, izay nampiseho fa naka tahaka tamin'ny asa karoka izy [37] [mg]. Ho an'i Trump kosa mandritra izany dia nidina  ny isanjatony ao amin'ny fitsapan-kevitra [38] amin'ny fifidianana azy amin'ny Novambra ho avy izao . .