- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraniana Mpahay Siansa Nokleary Nogadraina Nisioka Momba Ny Famotsorana Azy Arahim-Pepetra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahasalamàna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Siansa, Teknolojia, Zon'olombelona
Omid Kokabee talks to his supporters directly through Twitter upon his conditional release from prison.

Omid Kokabee miresaka amin'ny mpanohana aminy mivantana amin'ny alalan'nyTwitter taorian'ny famotsorana azy arahim-pepetra tany am-ponja. Pikantsary avy amin'ny kaonty Twittern'ny mpanoratra.

Ny ampitson'ny famotsorana azy arahim-pepetra tao amin'ny Fonjan'i Evin [1] ao avaratra andrefan'i Tehran, nanjary sehatra nosafidiana handraisana ny hafatra voalohany ho an'ny vahoaka avy amin'ilay Iraniana mpahay siansa nokleary Omid Kokabee ny Twitter taorian'ny taona maro nanagadrana azy:

Miarahaba izao tontolo izao

Nandany ny dimy taona lasa tany am-ponja ity fizisiana 34 taona ity noho izy tsy nety niasa tao amin'ny miaramila ao Iran sy ny fikarohana nokleary. Nahazo famotsorana arahina fepetra izy tamin'ny 29 Aogositra 2016.

Tamin'ny fanambarana ho an'ny Sampam-baovao Mpiasa Iraniana (ILNA), nanazava [3] ny mpisolovavan'i Kokabee, Saeed Khalili, hoe:

The Judiciary Chief approved a ruling by Branch 36 of the Tehran Appeals Court that says Omid Kokabee qualifies for conditional release and therefore he will not be returning to prison.

Nankatoavin'ny Lehiben'ny Fitsarana ny didim-pitsarana navoakan'ny Sampana faha-36 ao amin'ny Fitsarana Ambony Tehran izay milaza fa mahazo famotsorana arahina fepetra i Omid Kokabee ka noho izany tsy haverina any am-ponja izy.

Niresaka momba ny tsy rariny tamin'ny fisamborana azy i Kokabee tenany tamin'ny taratasy misokatra [4] nosoratany tany am-ponja tamin'ny 2013:

Is it a sin that I don’t want, under any circumstances, to get involved in security and military activities? I have just turned 30 years old after spending two years in prison, when I am eager to pursue scientific research.

Fahotana ve raha tsy te-hanao aho, na inona na inona toe-javatra, ny ho tafiditra amin'ny lahasam-piarovana sy miaramila? Vao nandray ny faha-30 taonako aho rehefa nandany roa taona tany an-tranomaizina, raha naniry fatratra hanohy ny fikarohana siantifika.

Efa nanomboka efa-bolana [5]i Kokabee vao nahatsikaritra ny nanjò azy izao tontolo izao, noho ny Tadion-twitter [6] manerantany ny Twitter-n'i Kokabee. Taloha kelin'ny fahafatesana tsy nampoizina [7] nahazo ilay mpihira Amerikanina Prince [8], lasa malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny tenirohy  #FreeOmid:

Amin'ny firaketana manatantara, voalohany manerantany tao amin'ny Twitter ny tenirohy #freeOmid

Raha mbola tany am-ponja, nampijalian'ny aretin'ny voa sy aretina mafy hafa i Kokabee, nanazava fa ny tsy fahampian'ny fitsaboana sahaza – izay mahazatra mahazo ireo gadra politika any Iran – no antony nahatonga ny fahasalamany ho atahorana mafy. Tamin'ny 20 Aprily 2016, natao fandidiana i Kokabee mba hanesorana ny iray amin'ireo voany, saingy resy lahatra ireo mpisolovava, namana sy ny fianakaviany fa tsy ho sitrana mihitsy izy raha tsy misy fiovana ny fepetra fanagadrana azy.

Cartoonist Assad Bina Khahi depicts the Twitterstorm that was undertaken in support of Omid's freedom to seek medical treatment for his cancer outside of prison in April. The cartoon was drawn for Farda Cartoon, a section of the Iranian news website Radio Farda. [12]

Mpanao sariitatra Bina Assad Khahi mampiseho ny Tadion-twitter izay notontosaina tamin'ny volana Aprily ho fanohanana ny famotsorana an'i Omid mba hanaraka fitsaboana ivelan'ny fonja noho ny homamiadana mahazo azy. Natao ho an'ny Farda Cartoon [13], sampana ao amin'ny tranonkalam-baovao Iraniana Radio Farda ny sariitatra ary navoaka teto rehefa nahazoana alalana.

Nanome fialan-tsasatra [14] fitsaboana tena ho azy ihany ny fitondram-panjakana tamin'ny 25 May 2016, iray volana mahery kely taorian'ny fandidiana [15]nanesorana ny voany tratran'ny homamiadana. Maro ireo mihevitra fa nisy fiantraikany teo amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny fanentanana iraisam-pirenena – anisan'izany ny fanentanana tamin'ny Twitter.

Mitohy ny fanentanana, satria ny famotsorana azy misy fepetra dia tsy ahafahan'i Kokabee miala ao Iran sy hiverina ao Etazonia, toerana nahavitany ny fikarohana aorian'ny mari-pahaizana dokotorà tao amin'ny Oniversiten'i Texas ao Austin [16]. Nosamborina tamin'ny 30 Janoary 2011 tao amin'ny Seranam-piaramanidina Imam Khomeini ao Tehran izy, raha teny an-dalana hiverina hanohy ny fianarany.

Ho setrin'ny fipoahan'ny fanohanana sy ny antso ho famotsorana azy teo ambanin'ny tenirohy #freeOmid [17], nisaotra ireo mpanohana azy tamin'ny sioka mampahery i Kokabee:

Miarahaba ny tsirairay aminareo ry namana malala tsy mba nanadino ahy fa teo foana mba hanafàna ny foko hanana fanantenana amin'ny hoavy mahafinaritra. Tiako ianareo. #freeOmid

Tamin'ny tranga iray hafa, novonoina ho faty tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra [19] i Shahram Amiri, fizisiana Iraniana hafa nogadraina. Raha mifandray amin'ny fandaharan'asa nokleary tao amin'ny firenena ihany koa ny fisamborana azy, nampangaina ho nanao asam-pitsikilovana izy.