- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Tsy Hita Ilay Mpanao Gazety Jean Bigirimana Raha Mitohy Ny Krizy Ara-politika Ao Burundi

Sokajy: Borondi, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
OU EST JEAN BIGIRIMANA IWACU FRONT PAGE

Manontany ny pejy voalohany ao amin'ny Iwacu (n°385, 29/07/2016)  “Aiza i Jean?”

Tsy hita [1] nanomboka tamin'ny 22 Jolay 2016 ilay mpanao gazety Borondey Jean Bigirimana [1]. Loharanom-baovao maro no nilaza tamin'ny mpampiasa azy, ny gazety tsy miankina Iwacu, [2] fa notazomin'ny fitondram-panjakana vonjimaika izy. Nandà izany filazana izany anefa ireo manampahefana.

Nanova ny sary teo amin'ny tranonkalany ho mainty sy fotsy tamin'ny herinandro lasa teo ho fanomezam-boninahitra [3] ilay mpiara-miasa aminy tsy hita ny Iwacu, izay toy ny tsilopilopy kely [4] eo amin'ny tontolo sarotra itoeran'ny fampitam-baovaoao Burundi.

#Burundi [5] Alatsinainy Mainty hafa indray. Andro maizina, herinandro mahakivy, iray
volana mainty ho an'ny fianakavian'ilay mpanao gazety Jean Bigirimana.

Latsaka tao anatin'ny krizy politika i Burundi nanomboka tamin'ny nidiran'ny Filoha Pierre Nkurunziza tao amin'ny fe-potoana fiasana fahatelo tamin'ny herintaona, izay niteraka hetsi-panoherana [8]sy ny fanentanan [9]‘ireo olom-pirenena milaza fa manohintohina ny Dinan'i Arusha sy ny Lalàmpanorenana ao Burundi ny firotsahan'ny filoha hofidiana. Nandrakitra ireo tranga fanagadrana, [10] sy fampijaliana [11] mitohy ary ny famonoana [12] olona mikendry ireo mpikatroka, mpanao gazety sy ireo mpanohitra an'i Nkurunziza avokoa ireo vavolombelona [13], ireo niharam-boina [14], ireo mpikatroka [15] ao an-toerana ary ireo fikambanana [16] mpiaro ny zon’olombelona [17], kanefa nandà izany ireo manampahefana ao amin'ny governemanta [18].

Ankona noho ny valy bontana [19] nataon'ny tafika tamin'ny fanoherana ny fe-potoana fiasana fahatelo ilay tontolon'ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena navitribitrika teo aloha, indrindra any ivelan'ny renivohitra Bujumbura. Niatrika herisetra ireo mpanao gazety iraisampirenena [20] sy Borondey voampanga [21]ho miandany amin'ny mpanohitra governemanta na mandrisika fikomiana. Monina any an-tsesitany any Belzika mihitsy aza amin'izao fotoana izao ny talen'ny Iwacu Antoine Kaburahe [22].

Niara-niasa tamin'ny onjam-peo FM Rema i Jean talohan'ny nahatongavany tao amin'ny Iwacu . Nitatitra ny Iwacu fa nanoratra [23] momba ny fiainan'ireo mpanao gazety Borondey monina any an-tsesitany any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy ilay mpanao gazety 37 taona [23] nandritra ny diany ho any Rwanda. Niha-mafana ny disadisa teo amin'ny Rwanda sy Burundi nanomboka tamin'ny Aprily 2015, rehefa nanomboka noroahin'i Rwanda ireo mpitsoa-ponenana Borondey [24] nandositra ny fireneny tao anatin'ny krizy politika.

Tamin'ny 22 Jona 2016, nandao ny fonenany i Jean [23] rehefa avy nahazo antso avy amin'ny sampan-draharahan'ny fitsikilovam-pirenena. Tsy hita na re intsony izy nanomboka tamin'izay. Nanao antso [25] feno fihetsem-po ny amin'ny fahafahany ny vadiny, Godeberthe, ary niezaka ny hanadihady sy hanambara ampahibemaso ny raharaha ny zoro fampahalalam-baovao tamin'ny alàlan'ny fizarana sary [26] maro an-tserasera.

#Burundi Sary manohina ny fo ho fahatsiarovana ilay mpanao gazety Jean @iwacuinfo

Nivoady ny Iwacu [3] fa hanohy ny fikarohana an'i Jean. Nandray an-tànana manokana  ny fanadihadiana [30] izay navoakan'izy ireo an-tserasera ireo mpanao gazetin'ny Iwacu, ary manantena ny hitondra ny raharaha eo anoloan'ny fitsarana, na dia mety ho sarotra aza izany noho ny krizy sy ny fahafatesana olona maro hafa tsy nisy famotorana [31] sy ny fanjavonana. Nitatitra [32] vao haingana ny fikambanana mpiaro ny zo Borondey APRODH fa efa nahita fasana ankahamehana miisa 14 ny loharanom-baovao avy any amin'ny polisy sy miaramila, izay tsy faly amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izao, izay mety ahitana ny sasany amin'ireo olona nanjavona.

Nandritra ny famotorana nataony, fatin'olona nahitana dian-dratra fampijaliana roa no hita ary efa nalain'ny polisy. Rehefa nentina hamantatra ny razana ny vadin'i Jean dia nilaza izy fa tsy nisy tamin'ireo ny vadiny, na izany aza, voalaza ireo razana fa nalevina tsy nofantarina hoe iza.

# Burundi [5]🇧🇮 fahatairana mafy tamin'ny ezaka nataon'ny @iwacuinfo [27] tamin'ny #FitadiavanaJean [33]: feno fatin'olona tsy hita popoka ny reniranontsika pic.twitter.com/8wQbuQWgNM [34]

Nanamafy ny mpitondratenin'ny polisy Pierre Nkurikiye fa tsy tamin'ireo olona roa hita faty i Jean :

#Burundi Famotorana/ Raharaha Jean BIGIRIMANA ( mpanao gazety / IWACU ) : Fatin'olona 2 hita: Tsy misy an'i Jean. Manohy ny fikarohana ny fampanoavana ao Muramvya

Nahatonga ahiahy teo amin'ny olom-pirenena ny vaovao ,tsy momba an'i Jean fotsiny ihany fa momba ireo faty hafa tsy hita popoka ihany koa. Nanontany ilay mpisera Twitter Thierry Uwamahoro hoe:

Raha tsy nandeha nitsongodia ny ekipa #FitadiavanaJean [33], tsy nahafantatra ny momba ireo fatin'olona 2 isika  . Noho izany , mbola misy firy ihany koa zao ny fatin'olona any ?#Burundi [5]

Iraika ambin'ny folo andro taorian'ny fanjavonanan'i Jean, nanakiana [38] ny polisy ny Iwacu noho ny “fahanginana miharihary” sy noho ny tsy fisian'ny fanadihadiana. Niezaka nitsongo dia an'i Abel Ahishakiye, olona nifandray [39] farany tamin'i Jean tamin'ny finday talohan'ny nanjavonany, ny Iwacu kanefa toa nanjavona ihany koa ity olona ity.

Tany am-piandohan'ny volana Aogositra, nahazo famantarana ny mpiara-miasa amin'i Jean nanondro [40] fa notazonina mangingina any amin'ny faritanin'ny Muramvya [41] izy. Nandà ny nisamborana ilay mpanao gazety ny mpitondratenin'ny polisy Pierre Nkurikiye, ary nilaza ny vaomiera mahaleotena misahana ny zon'olombelona ao Burundi (Commission Nationale Indépendante de Droits de l'Homme) tamin'ny 5 Aogositra fa tsy nahita porofo ny maha ao an-tranomaizin'ny SNR an'i Jean .

Mirongatra ny fandrahonana mpanao gazety

Vao haingana no lasibatra toy izany koa ireo mpanangom-baovao hafa. Nosamborina tamin'ny 17 Jona ny mpanao gazetin'ny Oximity [42] Julien Barinzigo, ary noafahana tamin'ny 05 Aogositra niaraka tamin'ny famerana maromaro. Nosamborin'ny [43] SNR tamin'ny fiandohan'ny Aogositra i Gisa Steve Irakoze ao amin'ny Onjam-peo FM Buja ary noafahana tamin'ny 25 Aogositra.

Tsy niverina ireo olona sasany. Tsy hita nanomboka tamin'ny Desambra 2015 i Marie [44] -Claudette Kwizera,  mpikatroka zon'olombelona , niaraka tamin'ny mpikambana maro mpiaro ny zo Ligue Iteka, rehefa voalaza fa nosamborin'ny mpitandro filaminana. Any an-tsesitany [45] ny filoha APRODH Pierre-Claver Mbonimpa rehefa tafavoaka velona tamin'ny fikasana famonoana azy tamin'ny taon-dasa, ary novonoina avy eo ny fianakaviany .

Ny mety hisian'ny fanafihana dia mbola mety hanaraka ireo mpanao gazety [46] na dia any an-tsesitany aza, nisy nanindrona antsy any an-tsesitany any Kampala ny mpanao gazety, miaraka amin'ny Bonesha, antsoina hoe Boaz [47] Ntaconayigize tamin'ny 31 Jolay. Nilaza izy fa tonga [48] avy any Bujumbura ny mpiasan'ny fiarovana [48] ka niditra mangingina teo anivon'ny vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana mba hitsongodia ireo mpanao gazety sy ireo mpikatroka. Nanaovan'ny polisy Ogandey famotorana ihany koa i Boaz tatỳ aoriana.

Ny fandàvan'ny manampahefana momba ny fitazonana an'i Jean no nahatonga ny tahotry ny namany sy ny mpiara-miasa aminy fa mety manafim-baovao momba ny misy azy na ny fahafatesany ny manampahefana satria maro no efa nanjavona na hita faty rehefa avy notànana [49]. Tamin'ny 25 Aogositra namoaka ” Taratasy ho an'i Jean [50]” ny tonian-dahatsoratry Iwacu  maneho ny fanantenan'izy ireo ny hahita azy sy ny tahotra ny ratsy indrindra mety hitranga.

Cher Jean nous sommes tellement impuissants face à ceux qui ont fait de la mort leur spécialité.
(…)
Aujourd’hui nous n’avons que des mots.
Mais les mots sont plus forts que la mort.
Jean, ils ne gagneront pas !

Ho an'i Jean, tsy manan-kery hahavita na inona na inona isika eo anatrehan'ireo izay manao ny fahafatesana ho fahaizany manokana.

(…)
Ankehitriny teny ihany no ananantsika.
Kanefa ny teny mahery noho ny fahafatesana.
Jean, tsy handresy izy ireo!