Inona no Mitranga Ao Gabon?

Screen capture of video of conflict between police and protesters after the elections via France 24

Pikantsarin'ny lahatsary misy ny ady teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana taorian'ny fifidianana, avy amin'ny France 24

Notontosaina tao Gabon tamin'ny 27 Aogositra 2016 ny fifidianana filoham-pirenena. Tamin'ny 31 Aogositra, nanambara ny filoha am-perinasa, Ali Bongo Ondimba sy ny mpifanandrina goavana aminy, Jean Ping fa nandresy tamin'ny fifidianana. Na izany aza, nilaza ny vokatra ofisialy fa Ali Bongo Ondimba no mpandresy, vato 177.722 ho an'ny filoha am-perinasa, raha nahazo vato 172.128 kosa i Ping sy ny antoko politikany Firaisan-kery ho an'ny Fanovana.

Niafara tamin'ny hetsi-panoherana goavana teny an-dalambe nataon'ny mpanohitra ny vaovao. Nandritra ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao hetsi-panoherana, mpanao fihetsiketsehana dimy farafahakeliny no voalaza fa namoy ny ainy. Ankoatra izany, toeram-pivarotana 200 no voaraoba ary nisy nandoro ny lapan'ny parlemantam-pirenena:

Nisy nandoro ny antenimieram-pirenena ao Gabon avy hatrany taorian'ny antsoin'ny maro hoe voka-pifidianana hosoka

🔴 #Gabon2016 fitroarana, miantso fanampiana ny olona ANKEHITRHINY @BreakingF24 @JTAtv5monde @BFMTV @itele @BBCBreaking @cnnbrk @RFI

Ireo mpiantsehatra voalohany sy ny filazana hoso-pifidianana

Ali Bongo Ondimba versus Jean Ping via wikipedia

Ali Bongo Ondimba mifanandrina amin'i Jean Ping, wikipedia

Tsy vao voalohany no nisy fifidianana notoherina mafy tahaka izao tao Gabon. Ny filoha am-perinasa, Ali Bongo Ondimba dia zanaky ny mpanao didy jadona teo aloha Omar Bongo, izay filoham-pirenena nanomboka ny 1967 mandra-pahafatiny tamin'ny taona 2009. Nandritra ny fitondran'ny rainy, minisitry ny Raharaham-bahiny (1989 hatramin'ny 1991) sy minisitry ny Fiarovana (1999 hatramin'ny 2009) i Ali Bongo Ondimba. Izy ihany koa no kandidà avy amin'ny Antoko Demokratika Gaboney (PDG) tamin'ny Aogositra 2009 tamin'ny fifidianana filoham-pirenena izay, araka ny vokatra ofisialy, nahazo 42% tamin'ny vato. Saingy nilaza ny iray tamin'ireo mpifanandrina aminy, Andre Mba Obame fa nisy hosoka ny fifidianana ary maro ireo mpanohanan'i Obame no nanao hetsi-panoherana teny an-dalamben'i Port-Gentil.

Misy ny fiampangana tahaka izany izay lazain'i Jean Ping ankehitriny, izay ela nihetezana tamin'ny asa maha-diplaomaty sy mpanao politika. Amin'ny maha filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina azy nanomboka ny 2008 ka hatramin'ny 2012, matetika mandray anjara amin'ny ezaka famahana ny krizy ara-pifidianana i Ping – Madagasikara tamin'ny taona 2009 sy Côte d'Ivoire tamin'ny 2010. Mahatsikaiky, tafiditra ao anatin'ny krizy ara-politika ao amin'ny taniny manokana izy ankehitriny ary hahita raha afaka hampiasa ny fahaizany mifampiraharaha ho amin'ny tombontsoany manokana.

Alioune tine, lehiben'ny Amnesty International ao Afrika Andrefana sy Afovoany nanazava ny olana ao Gabon:

Si vous multipliez les obstacles pour arriver à des élections transparentes et à une alternance pacifique, forcément vous aboutissez à des situations de cette nature. En Afrique centrale, on n’a pas l’impression que les gens veulent quitter le pouvoir. Surtout quand il s’agit d’une famille qui y est restée très longtemps. Il faut une équité dans la gestion des ressources. Il ne faut pas que ce soit un groupe, un clan ou une famille qui gardent tout. Les autres vont demander d’une façon ou d’une autre leur part du gâteau. Soit vous changez pacifiquement par des élections transparentes dont les résultats sont acceptés, et si vous ne le faites pas, vous ne pouvez espérer bénéficier d’une stabilité dans la durée. Il faut créer de véritables forces républicaines qui ne sont pas là pour défendre un régime. Nous avons demandé aux forces de sécurité gabonaises et aux autorités en place d’arrêter l’usage excessif de la force. Les gens doivent pouvoir exprimer leur mécontentement pacifiquement, sans avoir peur pour leur vie. Sans avoir peur pour leur intégrité physique.

Raha mampitombo ny sakana hahatongavana amin'ny fifidianana mangarahara sy ny fifandimbiasan-toerana milamina ianao, dia tsy maintsy hiafara amin'ny toe-javatra tahaka izao. Ao Afrika Afovoany, toa tsy mahatsapa isika fa te hiala eo amin'ny fahefana ny olona (mpitondra). Indrindra raha fianakaviana efa nitondra nandritra ny fotoana ela. Tsy maintsy apetraka ny marina amin'ny fitantanana ny loharanon-karena. Tsy mety raha vondrona, foko na fianakaviana iray no mihazona ny zava-drehetra. Tsy maintsy hangataka ny anjarany ny hafa na amin'ny fomba ahoana na manao ahoana. Na ianao manova am-pilaminana amin'ny alalan'ny fifidianana mangarahara izay eken'ny rehetra ny voka-pifidianana, raha tsy izany, tsy afaka manantena hahazo filaminana maharitra ianao. Tsy maintsy apetraka ny tena hery repoblikana izay tsy mbola misy mba hiaro ny fitondrana. Nangataka tamin'ny mpitandro ny filaminana Gaboney sy ny manam-pahefana ao an-toerana izahay mba hanajanona ny fampiasan-kery tafahoatra. Mila maneho ny tsy fahafaliany am-pilaminana, sy tsy amin-tahotra ny ainy sy ny vatany ny olona.

Fanakatonana ny aterineto

Ankoatra ny fiampangana hosoka sy ny hetsi-panoherana eny an-dalambe, niova tanteraka ny zavatra ao Gabon teo anelanelan'ny fifidianana 2009 sy 2016. Ho fanombohana azy, nitombo bebe kokoa ny fifandaminan'ny fiarahamonim-pirenena Gaboney ary nihitatra ny tambajotrany. Raha vao nisongadina ny fiampangana hosoka , maro ireo fikambanana eo an-toerana afaka nanamarina sy nanome porofo ny fanodinkodinam-bato raha ilaina – izay mitondra antsika mivantana amin'ny hetsika manaraka amin'ny krizin'i Gabon izay maneho fikasana ratsy mety ho ataon'ny fitantanan-draharaha ankehitriny: sivana amin'ny aterineto.

Maneho tsy misy isalasalana ity sioka manaraka ity fa ninia nanakatona ny aterineto tamin'ny ankatoky ny famoahana ny vokam-pifidianana tao amin'ny firenena ny governemanta:

Nanomboka ny alin'ny Alarobia ny fanakatonana ny aterineto ao Gabon

Julie Owono, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices sady filohan'ny African Desk ao amin'ny Internet Without Borders, nanazava izay voasivana sy ny fomba mbola ahafahan'ny vaovao miampita:

Des coupures nettes d'internet se sont produites  le 29, le 30 août et celle du 1er septembre. Nous avons été en contact avec des organisations de la société civile pour leur transmettre des outils qui permettent de contourner cette censure. Nous collaborons avec de nombreuses organisations internationales qui ont mis en place des tutoriels très simples pour mettre en place ces outils. Donc ça fonctionne quand même. Malheureusement, ce n'est pas toute la population gabonaise qui peut les utiliser. Ce sont seulement des comptes (des internautes, ndlr) qui ont un peu plus de connaissances technologiques, techniques, qui sont catalyseurs de tous les contenus qui sortent du Gabon. Donc aujourd'hui, c'est avec ces comptes-là que nous sommes en communication

Nisy ny fahatapahan'ny aterineto tamin'ny 29 sy 30 Aogositra sy ny 1 Septambra. Efa nifandray tamin'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena izahay mba hampiofana azy ireo amin'ny fampiasana fitaovana fanodinana sivana aterineto. Miara-miasa amin'ny fikambanana iraisam-pirenena marobe izahay hametraka fomba fampianarana tsotra hampiasàna ireo fitaovana ireo. Ka dia mbola nandeha izany. Indrisy anefa, fa tsy ny Gaboney rehetra no afaka mampiasa azy ireo [ny fitaovana]. Hatreto, dia ireo mpiserasera manana fahalalana teknolojika, sy ara-teknika ihany no afaka mampiasa azy ireo, ary noho izany, izy ireo no mpandefa ny votoaty rehetra mivoaka avy ao Gabon. Koa amin'ireo kaonty ireo izahay no mifandray ankehitriny.

Mbola mitohy ny fifandonana ao an-tanàna sasany ary toa natao hihitsoka ao anaty korontana ara-politika mandritra ny fotoana fohy ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.